24/11/2025
Hallo zusammen 🤗 Rehefa hoe mpiasam-bahoaka dia misy foana ilay mahita volana alohan’ny biby 🥹
Ka hoy aho hoe:
✅ Tsy mety aminao ny fomba fiainako? => olanao izany
✅ Tsy mety aminao ny fomba fiakanjoko? => olanao izany
✅ Tsy mety aminao ny fomba fiteniko andavan’andro? => olanao izany
✅ Tsy mety aminao ny fomba fiasako? => OLAN-TSIKA izany ary azo atao ny fifampiresahana 👍
Raha tsy mahavita ny asako ara-dalàna aho rehefa mandray anao na any ampiasana dia OLAN-TSIKA,ary mandray kiana sy lesoka aho ataoko ho fanatsarana fa raha mbola ny fiainako manokana dia tena mialatsiny fa tsy OLAKO 🤗
Talohan’ny nidirako niasa nanao «entretien» kay dia nijery ny Instagram-ko ny mpampiasa ahy fa taty aoriana moa vao fantatro,nanao entretien ary naharesy lahatra azy ny fomba fiasako,dia hoy ry zareo hoe ary ianao ity kay tia mandihy be,kay ianao ity manja be (Tenu foana ny hitan‘izy rehetra 😆),kay ianao manana fofombady sns… 🙈 dia hoy aho hoe ireny ny fiainako manokana ehhh!!! 😁
Mety tsy amin’ny mpampiasa rehetra no tsara ny famoahana «Vie privée» fa ho ahy manokana dia tsy mampaninona ahy,rehefa tsy tiako ho hitany fotsiny ny sasany dia hafeniko kely 😁 Toy izay ko ny eto amin’ny Pejy,matoa asehoko eto dia tiako ho hitan’ny be sy ny maro izany ary hafa koa ny any amin’ny rindriko manonkana 😌
Aty ary misy sefonao izao,be tatouage,be Piercing,lava volo sy mandoko volo be nefa lehilahy…sns fa tena hoe tsisy bedy fa ny experience anao no jerena dia ny fitondrantenanao any ampiasana amin’ny maha olona anao.
Mba ahoana ny any? Misy an‘ilay mpanao sarimihetsika taloha iny dia hoe tsy tian‘ny mpiasa fa be tatouage nefa anie izy manana Master eh? Inona no olana raha voafehiny ny asa? 💁♀️
Mirary herinandro feno fahombiazana ho antsika rehetra ❤️
🇲🇬 🇩🇪