29/05/2026
Souvenir du jour : il y a 10 ans
2016 - 2026
Storytime 😆
10 taona ohantran’zao ity sary ity , dia ity sary ity no anisany nampalaza voalohany an’ity pejy ity satria tena hoe feno commentaires méchants , tena milliers de commentaires niaraka taminy partages be dia be tany anaty groupes 🫣
Tamin’izay nakatoko 1 volana mihitsy aloha ilay pejy fa mbola tsy nahay ny gerer aratsiampanahin’olona sy ny frustrations an’olona taminy commentaires 🫣
Tsy aiko mety misy mahatadidy ngamba izy ty niodina tany aminy groupe tany
ny commentaires tamin’zany hoe :
- Zanaka mpamosavy …
- zazakely io dia atao milalao ody gasy …
- Dadarabe kely io zao rehefa lehibe ….
- Ray amandreny tsy matahoatra an’Andriamanitra ….
- Te ahazo buzz fotsiny dia ny zaza no ampanaovina akanjo mpimasy ….
- zanaka devoly milalao tandrok’omby …..
Tena hoe be dia be oa 😂
Dia tsy niverina mihitsy ny saiko nandinika hoe fa ahoana aza ny fonctionnement an’ny atidohan’olona sasany ? hoe rehefa tsy mitovy fomba amampanao ve na hoe manao fitafy sy firavaka nentimpaharazana dia hoe devoly kely 😆
Coucou daholo ireny nanao commentaires taloha reny eee
voavela ny helokareo 😂😂😂 tsy hoe nareo no ratsy saina fa mety hoe tsy ampy fahalalana fotsiny
Bisouuuu 😘