
18/08/2025
Joyeux anniversaire Dadabe ❤️
🇲🇬 Efa ho 30 taona izao no nitetezany an'izao tontolo izao, nampahafantatra sy nitondra avo ny mozika sy vakodrazana Malagasy 🇲🇬. Nitondra endrika tsara sy avo ny voninahim-pirenena. Nitarika olona hitsidika sy hanampy an'i Madagasikara. Nikaroka sy nanatsara ny zava-maneno netim-paharazana manerana ny Nosy. Nampianatra ireo ankizy sy tanora ny zava-maneno Malagasy. Hatrany Korea atsimo, Malezia, Indonezia, Ranomasimbe indianina, Afrika, sy Eoropa rehetra iny...
Ny mampalahelo fotsiny dia tsy mba nisy na dia mari-pankasitrahana aza azony hatramin'izay, satria miasa mangina sy tsy tia sehoseho.
Arahabaina Dada Benja Gasy Instruments nahatratra izao tsingerin-taona nahaterahanao izao. Ho lava andro iainana sy ho salama tsara hatrany.
Mirary soa.
Rija 🇲🇬