It’s Nathie Officiel

It’s Nathie Officiel Informations de contact, plan et itinéraire, formulaire de contact, heures d'ouverture, services, évaluations, photos, vidéos et annonces de It’s Nathie Officiel, Création digitale, Nangis.
(1)

🎶 It’s Nathie
🙏 Louange • Espérance • Foi
🎤 « Je chante pour toucher les cœurs et glorifier Dieu. »

💖 Que mes chants soient une source de paix, de réconfort et de bénédiction pour tous ceux qui les écoutent.

Avereno ity VAVAKA ity alohan’ny hatorinao 🙏✝️ Ry Jesoako, misaotra Anao aho noho fahavitan’ity herinandro ity, ny fahas...
23/08/2026

Avereno ity VAVAKA ity alohan’ny hatorinao 🙏

✝️ Ry Jesoako, misaotra Anao aho noho fahavitan’ity herinandro ity, ny fahasoavana ary ny fiarovana nomenao ahy. Na inona na inona sedra nolalovako, apetrako eo an-tananao izany rehetra izany. 🤍

Ifonako izay ratsy vitako tamiNao🙏
Amin’ity hariva ity, omeo torimaso mamy aho 🥰

Atolotro Anao manokana ity herinandro vaovao ity. Tariho ny diako, tahio ny asako, arovy ny fianakaviako sy ireo olona tiako. Sokafy izay varavarana tsara ho ahy, ary alaviro izay lalana mety hampanalavitra ahy Aminao. Enga anie ity herinandro vaovao ity hitondra fiadanana, fahasoavana, fahombiazana ary fitahiana ❤️🥰

Ry Tompo ô, aoka ny sitraponao no ho tanteraka eo amin’ny fiainako. Mialoha ahy Ianao, miaraka amiko Ianao, ary aza avela hiala amiko mihitsy ny Fanahinao Masina 👼🏻

Apetrako eo an-tananao ny ampitso, satria fantatro fa tsara kokoa noho izao ny plan efa nomaninao ho ahy. 🙏💖

Amen 🙏 ✝️

Hello everyone 👋Enjoy your sunday 🫶❤️
23/08/2026

Hello everyone 👋
Enjoy your sunday 🫶❤️

22/08/2026

Soava ny alina dia ho arovan’ny anjely daholo 👼🏻

Ndao aloha hihira e 🥰🎤MISAORA NY TOMPO IANAREO VOAFIDINYMisaora ny Tompo ianareo voafidiny,Fa izy ihany no niantso anare...
22/08/2026

Ndao aloha hihira e 🥰🎤
MISAORA NY TOMPO IANAREO VOAFIDINY

Misaora ny Tompo ianareo voafidiny,
Fa izy ihany no niantso anareo a,
Na manao ahoana ny toetranareo a,
Antsoiny ho sakaiza fa tsy mpanompo a,
Noho ny fitiavany maimaim-poana a:
Koa misaora ny Tompo ianareo a.

1 Ny foko midera ny Tompontsika,
Ny saiko mifaly amin'Andriamanitra
Noho izy Mpamonjy nitsinjo ahy
'Lay mpanompovaviny tsinontsinona.

2 Fa indro manomboka ankehitriny
Hantsoin'ny taranaka: "Sambatra" aho:
Nahavita be tamiko ilay Mahefa,
Ilay hoe "Ny Masina no anarany".

3 'Lay mandrakizay ny indrafony
Amin'ny olon-drehetra matahotra Azy,
'Lay Tompo Mpandresy mahery sandry ,
Mampihahaka ireo 'zay mpiavonavona.

4 Manongana ireo izay mpanjakazaka
Kanefa manandratra ireo ambany;
Manototra soa an'ireo noana
Fa mampody maina an'ireo mpanana.

5 Mpanarina an'Israely olony
Satria mahatsiaro ny indrafony
Nampanantenainy ny razantsika
Ho an'i Abrahama sy izay taranany.

6 'Lay Ray be fitiavana mba derao,
Hobio 'lay Zanany tonga nofo,
Ary koa 'lay Fanahy mampiray antsika,
Ho mandrakizay alaovalo!

Fenoy fitiavana ❤️ sy fifaliana 😊 ny andronao anio.Mahaiza mankasitraka izay rehetra nomeNy anao, na dia zavatra madinik...
22/08/2026

Fenoy fitiavana ❤️ sy fifaliana 😊 ny andronao anio.
Mahaiza mankasitraka izay rehetra nomeNy anao, na dia zavatra madinika aza. 🙏✨

Aza hadino fa fitahiana lehibe ny andro vaovao. Koa mifalia, mitiava, mamelà ary misaora an’Andriamanitra amin’izay rehetra anananao 🥰🫶

Andro vaovao, fahasoavana vaovao, fanantenana vaovao. 🌸
Mirary andro feno fiadanana sy fitahiana ho antsika! 🙏❤️

Avereno mangina sy miadana tsara ity vavaka ity 🙏✝️ Jesoa ô, feno fisaorana Anao ny foko tamin’ny fitahianao ahy androan...
21/08/2026

Avereno mangina sy miadana tsara ity vavaka ity 🙏

✝️ Jesoa ô, feno fisaorana Anao ny foko tamin’ny fitahianao ahy androany ❤️
Izay hadalana sy tsy nety vitako dia ifonako Aminao 🥹

Indro atolotro eo an-tananao ny aliko, ny ampitso ary ny fiainako manontolo. Arovy amin’ny loza sy ny ratsy rehetra aho, ary omeo fiadanana ny foko ❤️

Matoky Anao aho. ❤️

Amen 🙏 ✝️

21/08/2026

‼️⚠️Svp arrêtez de m’appeler tout le temps là 😭🙏🙏🙏 envoyez moi un message tout d’abord ,pas juste bonjour non plus svp 😫
Vous abusez trop là

Ndao aloha hihira e 🥰🎤FIADANANA e,Homba antsika mianakavy anie ny fiadanana e,Fiadanana nomen'i Kristy;Ny fiainana ao an...
21/08/2026

Ndao aloha hihira e 🥰🎤

FIADANANA e,
Homba antsika mianakavy anie ny fiadanana e,
Fiadanana nomen'i Kristy;
Ny fiainana ao an-danitra ao anie
Ka fihavanana e,
Fihavanana manomboka etoana.

1 Ny entim-belona no enti-maty anie, hoy ny razana e,
Ny entim-belona no hitsarana;
Didy tokana nomen'i Jesoa dia ny fitiavana e:
Aoka isika hifankatia.

2 Toy ny kintana ny lakroà ka mamirapiratra e
Manambara ny tena fitiavana:
Mampihavana ny olombelona sy Andriamanitra e
Sy mitory fa izy no lalana.

20/08/2026

Rainay any an-danitra (Hira katolika) version It’s Nathie Officiel ❤️
Compo/Arr/ Son: Nya Prod

Ankafizo ny hirantsika dia aza adino mizara 🙏🫶

Avereno mangina ity vavaka ity alohan’ny handrinao 🙏✝️ Ry Jesoa malalako ô ❤️, misaotra Anao tamin’ity andro ity, tamin’...
20/08/2026

Avereno mangina ity vavaka ity alohan’ny handrinao 🙏

✝️ Ry Jesoa malalako ô ❤️, misaotra Anao tamin’ity andro ity, tamin’ny fiarovana, ny fahasoavana ary ny fitahiana rehetra nomenao ahy.

Ireo fadisoako rehetra 😔 hangatahiko famelàn-keloha avy Aminao. Diovy ny foko 🤍, esory ny tahotra sy ny tebiteby, ary fenoy fiadanam-po aho.

Amin’izao alina izao, apetrako eo an-tananao ny aiko sy ny tiako rehetra❤️. Aoka ny anjelinao ✨ hiambina anay mandritra ity alina ity.

Jesoa ô ❤️, izay zavatra tsy voavahako androany,
Avelako eo am-pelatananao. Ampianaro aho hatoky Anao 🙏 fa fantatro fa tsy handao ahy Ianao.

Mangataka torimaso mamy aho 😴 ary rehefa hifoha indrayenga anie ny fahasoavanao no hanenika ny tontolo androko🕊️❤️

Amin’ny Anaranao no hanaovako izany vavak izany, Amen 🙏 ✝️

Adresse

Nangis
77370

Site Web

Notifications

Soyez le premier à savoir et laissez-nous vous envoyer un courriel lorsque It’s Nathie Officiel publie des nouvelles et des promotions. Votre adresse e-mail ne sera pas utilisée à d'autres fins, et vous pouvez vous désabonner à tout moment.

Raccourcis

Partager