03/09/2025
🌋 Le Désert de Danakil – Ny toerana mafana sy mahagaga indrindra eto an-tany.
Ety am-boalohany dia manasa anao hi-abonné ny pejy.
Ao avaratr’i Éthiopie, eo amin’ny sisin’ny Horn of Africa, dia misy toerana iray izay mety hahagaga sy hampatahotra ny maro: ny Désert de Danakil. Ity faritra ity dia heverina ho iray amin’ireo toerana mafana indrindra sy masiaka indrindra eto an-tany, ary mbola tsy voafehin'ny olombelona ny afovoany.
🔥 Toetry ny tany mahery vaika
Ny hafanana any amin’ny vanim-potoana mafana dia mety mihoatra ny 50–60°C, ka sarotra ny olona miaina raha tsy misy fitaovana manokana.
Ny tany dia masira sy asidra, misy vovoka manjelatra sy loharano asidra mamokatra entona mampidi-doza.
Misy ihany koa fipoahan’ny volcan sy rano mafana masira izay mampitombo ny loza amin’ny fiainana.
🌄 Zavaboary sy tontolo mahagaga
Na dia masiaka sy tsy azo antoka aza ny faritra, dia mahagaga ny loko sy ny endriny:
Misy tany mavo, mena ary mavo-volomboasary noho ny mineraly sy ny fipoahan’ny volcan.
Ny loharano mafana sy geysers dia mamorona tontolo toy ny any amin’ny planeta hafa, tahaka ny Mars eto an-tany, misy ary moa no niteny mihintsy hoe raha te hahita ny planète Mars dia manandrama aloha makany amin'ny désert de Danakil Ethiopie.
Ao amin’ny faritra sisiny dia mbola hita fa vitsy ireo mponina, izy ireo izay manana fiainana manokana sy fomba fiompiana camels sy fandraharahana amin’ny sira.
🕰️ Tantaran’ny faritra
hita ao ny fossiles sy vato tranainy izay milaza fa efa nisy olona tany hatramin’ny taona an-jatony maro lasa.
Na dia eo aza ny toetry ny tany mampidi-doza, dia mbola natao ho lalan’ny varotra sira izy tamin’ny taonjato maro, ka nahatonga ny mponina sasany tsy maintsy mivezivezy eo amin’ny sisiny mba hanangona sira sy hivarotra azy.
⚡ Mahagaga sy mistery
Afovoan’ny Désert de Danakil dia tsy misy olombelona mipetraka, ary mbola tsy hitan’ny siansa tanteraka ny tontolo sy ny zavaboary ao anatiny.
Mahagaga satria eto no mety hahitana ny fepetra manahirana indrindra amin’ny fahaveloman’ny olombelona, ary mbola mampahatsiahy ny herin’ny natiora sy ny maha kely antsika eo amin’ny tany.
💡 Fampitandremana ho an’ny mpizaha tany: Tsy afaka miditra mora foana ny afovoany, ka mila manao ny fitaovana manokana raha te hitsidika. Na izany aza, ireo traikefa hita any amin’ny sisiny dia mahafinaritra sy tsy hay hadinoina, miaraka amin’ny tontolo tsy toy ny ankamaroan’ny tany hafa eto an-tany.
©️ Mada VOGUE TV