Madagas-Infos

  • Home
  • Madagas-Infos

Madagas-Infos MAMPITA VAOVAO AKAIKY INDRINDRA HO ANAREO

Ampiharo raha toa ka tokony hisy ny didijatona eto amin'ny firenena...Mety anie ny fitondran'i RAVALOMANANA e, fa ny ola...
26/12/2025

Ampiharo raha toa ka tokony hisy ny didijatona eto amin'ny firenena...

Mety anie ny fitondran'i RAVALOMANANA e, fa ny olana taminy dia ny fampifangarona ny volam-panjakana tamin'ny volan'ny orinasany hoy ny Solombavambahoaka teo aloha SIMON NOMENJANAHARY.

Sao dia izay no hampandroso antsika!

©️Landry Andriantsiresy

Izaho Môpera Nonne dia tsy mba manao an’io fivavahana firaisam-pinoana hoan’ny firenena io. Mbola nampiany hoe : ity fiv...
26/12/2025

Izaho Môpera Nonne dia tsy mba manao an’io fivavahana firaisam-pinoana hoan’ny firenena io.

Mbola nampiany hoe : ity fivavahana firaisam-pinoana hoan’ny firenena ity sao dia mba tokony hajanona tokoa, satria tsy mahomby ary Andriamanitra tsy mihaino an’io koa satria fivavahana politika fiatsaraham-belatsihy.

Ny mpitondra fivavahana hoy izy dia an’isany tafiditra amin’ny fampidirana ankizo ny firenena.

Mba hihamaro anie ireo Pretra tahak’azy♥️🙏

👉🏻Vato hatramin’ny 20 isa milanja aman-taonina no efa hatahorana mitriatra sy hiotsaka amin’ireo faritra maromaro amin’i...
26/12/2025

👉🏻Vato hatramin’ny 20 isa milanja aman-taonina no efa hatahorana mitriatra sy hiotsaka amin’ireo faritra maromaro amin’izao orana mikija eto Antananarivo izao. Ka trano miisa 1490 tafo amin’ny faritra avo no tandindomin-doza amin’izao fotoana izao raha nambaran’ny teo anivon’ny BNGRC.
👉🏻Ka anisan’izany ireto faritra ireto
-Ankadilalana 130 tafo tena tandindomin-doza
-Ambohipotsy 170 tafo
-Faliarivo Ambanidia 110 tafo
-Ankazotokana Ambony, Andafiavaratra sy Ambohitsiroavana 320 tafo

©️BNGRC

Salama Tompoko, Ombay mitadyZazavavy 17taona, Sandrah ny anarany, niala tao atrano omaly 25 Desambra maraina, mbola tsin...
26/12/2025

Salama Tompoko, Ombay mitady
Zazavavy 17taona, Sandrah ny anarany, niala tao atrano omaly 25 Desambra maraina, mbola tsiniverina atramizao,nilaza oany aminy namany,
Akanjo nanaovany,
Jean bleu ciel
Crop rose
Tennis fotsy
Blouson vert
Fotsy fihodirana, salama saina tsara,
Koa iangaviana izay manambaovao momba azy mba hiantso amin num eto,
0386180073 0334745657,
Na ampandre ny manampahefana akaiky azy indrindra,
Misaotra Tompoko 🙏
MMii Rayahra itandry ty de modia akia fa mijaly zay mitaintaina a🙏😭

Source:Manou Fehizoro

👉🏻Maintirano :Nihotsaka ny lalana eo amin'ny canal be,  Fokontany Andranovoribe, ao an-tampon-tanan'i Maintirano, faritr...
26/12/2025

👉🏻Maintirano :Nihotsaka ny lalana eo amin'ny canal be, Fokontany Andranovoribe, ao an-tampon-tanan'i Maintirano, faritra Melaky, vokatry ny orana nisesy.

📷 Sebastini You'Rayan

Raha mba efa nandalo ny lalam-pirenena faha-7 ianao dia mahita ity trano ity, akaikin'ny tetezan'i Bemololo (Antsirabe I...
26/12/2025

Raha mba efa nandalo ny lalam-pirenena faha-7 ianao dia mahita ity trano ity, akaikin'ny tetezan'i Bemololo (Antsirabe II).

👉🏻Fantatrao ve ny tantarany ?

Lozam-piarakodia nahatsiravina no niseho teo.

Eva Caddie Louna : « Nanao pèlerinage tany Anosivolakely ny mpivahiny AVE MARIA Antsirabe. Ny tompon'ny camion koa maty niaraka tamin'ireo 31 maty ary 31 velona tamin'ny 31 mai 1999. Jiro mitifitra mazava be (phare) ana fiara hifanena no nitifitra ny mpamily. Ny andro maizina dia nivarina tao ambany tetezana ilay camion. Nangataka ny fikambanana AVE MARIA tamin'ny tompon'ny tany ka novidiana hanaovana io tsangambato io ho fahatsiarovana ireo 31 maty tamin'io fotoana io. Ao anatiny ao misy ny sarin'ireo maty. Nasiana lalan'ny hazo fijaliana ihany koa ny manodidina entina hahatsiarovana ny fanao rehefa mivahiny masina any Anosivolakely ».

Skispass Atm - (sary indrana)

👉🏻𝗥𝗮𝗵𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮 𝗳𝗮𝗺𝗼𝗻𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗞𝗿𝗶𝘀𝘁𝗶𝗮𝗻𝗶𝗻𝗮 𝗮𝗼 𝗡𝗶𝘇𝗲𝗿𝗶𝗮 :𝗡𝗶𝘁𝗶𝗳𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗻𝗷𝗮𝗸𝗮𝗻'𝗶 𝗦𝗼𝗸𝗼𝘁𝗼, 𝗮𝗼 𝗮𝘃𝗮𝘁𝗮𝗿𝗮 𝗮𝗻𝗱𝗿𝗲𝗳𝗮𝗻'𝗶 𝗡𝗶𝘇𝗲𝗿𝗶𝗮 𝗶 𝗘𝘁𝗮𝘇𝗼𝗻𝗶𝗮. N...
26/12/2025

👉🏻𝗥𝗮𝗵𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮 𝗳𝗮𝗺𝗼𝗻𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗞𝗿𝗶𝘀𝘁𝗶𝗮𝗻𝗶𝗻𝗮 𝗮𝗼 𝗡𝗶𝘇𝗲𝗿𝗶𝗮 :
𝗡𝗶𝘁𝗶𝗳𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗻𝗷𝗮𝗸𝗮𝗻'𝗶 𝗦𝗼𝗸𝗼𝘁𝗼, 𝗮𝗼 𝗮𝘃𝗮𝘁𝗮𝗿𝗮 𝗮𝗻𝗱𝗿𝗲𝗳𝗮𝗻'𝗶 𝗡𝗶𝘇𝗲𝗿𝗶𝗮 𝗶 𝗘𝘁𝗮𝘇𝗼𝗻𝗶𝗮.
Nilaza i Donald Trump omaly alakamisy fa notifirin'ny tafika amerikanina ny fanjakana Sokoto, ao amin'ny Faritra Avaratra andrefan'i Nizeria. Mpikambana amina vondrona "État Islamique" maro no voalaza fa maty tamin'izany. Efa nisy moa ny fampitandremana nataon'ity Filoha amerikanina ity talohan'izao fanafihana nataon'izy ireo izao, ary nilaza izy fa mbola hitohy izany raha mbola misy ny famonoana Kristianina ao Nizeria.

👉🏻Fahitalavitra vaovao:Araka ny nambaran'ny Mpitandrina Zaka Andriamampianina Filohan'ny FJKM dia efa teraka ny alin'ny ...
26/12/2025

👉🏻Fahitalavitra vaovao:Araka ny nambaran'ny Mpitandrina Zaka Andriamampianina Filohan'ny FJKM dia efa teraka ny alin'ny Noely ny Télévision FJKM.
Azonao arahina ao amin’ny CH56.

👉🏻Tontosaina amin'izao ora izao ihany koa ny fifamindram-pitantanana eo amin'ny Tale Jeneralin'ny ACM vaovao Faniry Rako...
26/12/2025

👉🏻Tontosaina amin'izao ora izao ihany koa ny fifamindram-pitantanana eo amin'ny Tale Jeneralin'ny ACM vaovao Faniry Rakotoarisoa sy ny Tale Jeneraly mpisolo toerana teo aloha.

📷 Arphine Rahelisoa Helisoa

Eny Ambohijatovo ambony sy ny manodidina eny amin'izao ora izao.
26/12/2025

Eny Ambohijatovo ambony sy ny manodidina eny amin'izao ora izao.

👉🏻Olona miisa 04 no mamoy ny ainy nandritry ny fankalazana ny fetin’ny krisamasy ny 24-25 desambra raha ny tatitra avy a...
26/12/2025

👉🏻Olona miisa 04 no mamoy ny ainy nandritry ny fankalazana ny fetin’ny krisamasy ny 24-25 desambra raha ny tatitra avy amin’ny tompon’andraikitry ny hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona (HJRA). Manodidina ny 237 kosa ireo olona tonga nizaha toe-pahasalamana.
Nahitana fitomboana io tarehimarika niditra Hôpitaly io raha oharina ny tamin'ny herintaona raha nambaran’ny tompon’andraikitra hatrany.

©️Orange Actu

👉🏻Renim-pianakavina iray sy ny zanany lahy kely may tao amin'ny toeram-pivarotan'izy ireo lasantsy teny Mahalao_Bevalala...
26/12/2025

👉🏻Renim-pianakavina iray sy ny zanany lahy kely may tao amin'ny toeram-pivarotan'izy ireo lasantsy teny Mahalao_Bevalala androany.
Efa noetina teny amin'ny mpanao_ody may ilay zaza , ary notsaboina ao amin'ny HJRA ilay Reniny. Araka ny voalaza efa may io tsena io taloha ary izao nirehitra izao indray.

©️ Skispass Atm

Address

3 Rue De La

97490

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Madagas-Infos posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Madagas-Infos:

  • Want your business to be the top-listed Media Company?

Share