
09/07/2024
Andro toy ny androany fa saingy tany amin'ny taona 1942 .
Tao anatin'ny Fandripahana (famonoana) tanteraka tany Amsterdam 🇳🇱. Ka noho izany, dia niafina tao amin'ny efitra ambanin'ny tafo ambonin'ny biraon'ny rainy ihany ny fianakavian'i ANNE FRANCK.
Tany Amsterdam 🇳🇱, Anna Frank sy ny fianakaviany dia niaina tao anaty "clandestinité", miafina ao amin'ny annexe secrète hita ao amin'ny trano tranainy iray tao amin'ny Prinsengracht.
Manana fidirana miafina ao ambadiky ny étagère io toerana io.
Nijanona tao izy ireo mandra-pahazoan’ny miaramila Nazia azy tamin’ny 4 Aogositra 1944.
Matin’ny typhus tao amin’ny toby fitanana Bergen-Belsen i Anna, izay vao 14 taona monja, tamin’ny Martsa 1945.