Radio Akon'i Tsienimparihy

Radio Akon'i Tsienimparihy R.A.T. Radio Akon'i Tsienimparihy
FM 97, onjam-peo ho an'ny rehetra

17/11/2024
FIFIDIANANA Ben'ny Tanàna 2024 Distrika AMBALAVAO👉57 (lisitra)no nametraka antotan-taratasy filatsahan-kofidiana. Voaray...
09/10/2024

FIFIDIANANA Ben'ny Tanàna 2024
Distrika AMBALAVAO

👉57 (lisitra)no nametraka antotan-taratasy filatsahan-kofidiana. Voaray ho mpifaninana avokoa izy rehetra.
👉02 ny vehivavy
👉19 avy amin’ny vovonana IRMAR, 02 Firaisankina, 01 Fitambolagnela, 35 indépendants
👉Tontosa anio 09 oktobra 2024 ny fisarihana ny ho filaharana ao anaty biletà tokana
👉19 Novambra no hanomboka ny fampilezan-kevitra

👉11 desambra 2024 alarobia ny androm-pifidianana.

Mirary soa ho azy rehetra ✊

Aza tara e 🙌
05/10/2024

Aza tara e
🙌

Santionam- bidim-bokatry ny tantsaha teto an-tsena alarobia 18 septembre 2024 Voatabia no maro : 1000ar ka hatramin'ny 1...
18/09/2024

Santionam- bidim-bokatry ny tantsaha teto an-tsena alarobia 18 septembre 2024

Voatabia no maro : 1000ar ka hatramin'ny 1500 ar ny milanja 6kg eo ho eo ( 3000 ar teo ho eo izany tamin'ny heriny)

Sakaibe : manodidina ny 2000 Ar ny siô milanja 10kg eo ( mbola 3500 Ar tamin'ny heriny)

Voapoa (Angivy) : 2000 Ar eo ny siô tena lehibe ( 3000 Ar tamin'ny heriny)

Laisoa: 1000 Ar ka hatramin'ny 1500 Ar ny iray ( 800 Ar , 1000 Ar tamin'ny heriny)

Karaoty ( zana- tany) : 1000 Ar ny fehiny .

Filazana fahatapahan-jiro rahampitso amin'ny 7 Ora maraina hatramin'ny 5 ora hariva.
15/04/2024

Filazana fahatapahan-jiro rahampitso amin'ny 7 Ora maraina hatramin'ny 5 ora hariva.

Olona 2 voalaza ho mpifankatia nandalo tamin'iny lalana mahitsy ao Morafeno iny (lalana mihazo an'i Soarano Ambalavao) n...
15/02/2024

Olona 2 voalaza ho mpifankatia nandalo tamin'iny lalana mahitsy ao Morafeno iny (lalana mihazo an'i Soarano Ambalavao) no nisy nanendaka omaly tolakandro 14 Febroary 2024.

Nisy naratra ny lohan'ilay lehilahy, ary nisy nahazo ilay vehivavy ihany koa fa tsy voafaritra mazava. Finday sy poketra no lasan'ireo mpanendaka.

Niantso vonjy ihany moa ilay vehivavy avy eo saingy tsy tratra intsony izy 2 lahy nanendaka na dia nifampitadiavana aza.

🚷 Aoka ho mailo isika izay mandalo amin'iny toerana iny, fa indrindra tsy handeha tokana.
Anaovana antso ihany koa ny mpitandro ny filaminana hijery akaiky ny zavamisy.

Filazana fahatapahan-jiro ho an'ny rahampitso Alakamisy 15 Febroary 2024.
14/02/2024

Filazana fahatapahan-jiro ho an'ny rahampitso Alakamisy 15 Febroary 2024.

🗳️ Araka ny tolo-kevitry ny CENI Madagascar dia 10.000.000Ar ny teti-bola tokony haloan'ny mpirotsaka ho Solombavambahoa...
12/02/2024

🗳️ Araka ny tolo-kevitry ny CENI Madagascar dia 10.000.000Ar ny teti-bola tokony haloan'ny mpirotsaka ho Solombavambahoaka, ary 300.000Ar hatramin'ny 5.000.000Ar (Arakaraky ny sokajy) ho an'ny mpirotsaka ho Ben'ny Tanàna.

Andao hofantarintsika misimisy kokoa ny mahakasika ireo sokajin'ny Kaominina eto Madagasikara.

📍 1695 ny isan’ny Kaominina manerana an’i Madagasikara izay mitsinjara toy izao:

☑️ Kaominina Ambonivohitra miisa 76:
- Kaominina tsy voasokajy (Hors catégorie): 1 (Antananarivo)
- Kaominina Ambonivohitra sokajy voalohany: 8
- Kaominina Ambonivohitra sokajy faharoa: 67

☑️ Kaominina Ambanivohitra eto Madagasikara izay miisa 1619:
- Kaominina Ambanivohitra sokajy voalohany: 99
- Kaominina Ambanivohitra sokajy faharoa: 1520

Mikasika ny volavolana teti-bola na caution dia miankina amin’ny sokajy misy ny Kaominina sy arakaraka ny isan’ny mponina no nametrahana izany. Afaka jerentsika amin'ny tabilao nalaina tao amin'ny pejin'ny CENI Madagascar eto ambany ny fanampi-panazavana.

Tolo-kevitry ny CENI mahakasika ny Fifidianana hotanterahina eto Madagasikara amin'ity taona ityFifidianana Solombavamba...
12/02/2024

Tolo-kevitry ny CENI mahakasika ny Fifidianana hotanterahina eto Madagasikara amin'ity taona ity

Fifidianana Solombavambahoaka: 29 May 2024.
Fifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina: 6 Novambra 2024.

Address

Ambohijafy
Ambalavao Sud
303

Telephone

+261342950314

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Radio Akon'i Tsienimparihy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Radio Akon'i Tsienimparihy:

Share

Category