Fy Fanamby

Fy Fanamby ✍️ Écrivain
🎼🎶 Auteur et compositeur
🧑‍💻 Formateur en certains domaines
🤵🏿 Entrepreneur

✍🏿 ILAY SONIANY 👩‍❤️‍👨             fiz0️⃣2️⃣Dia natolotry ny fiainana tsikelikely teo aminay sy Harena ilay ampitso anka...
17/08/2026

✍🏿 ILAY SONIANY 👩‍❤️‍👨
fiz0️⃣2️⃣

Dia natolotry ny fiainana tsikelikely teo aminay sy Harena ilay ampitso ankamantatra nahiana hanimba na hanamafy ilay fitiavana nifanolorana. Atreto aloha dia miha- mahery setra sy tsy hay tohaina izy, ka na ny ora hisarahana aza dia zary rafetin' ny baraingo maro loko; Tsy hay noferena mantsy ny fanahiana hoe 'ndrao mitopy amin' olon- kafa ny masony ka hiova hevitra izy...'ndrao tantanan' olon- tsy fantatra ny tananany ka hanadino ahy ilay anton' ny hahavelomako....'ndrao horaviravizana harena sy hatsarana any ambadika any izy ka hamela ho irery ity olona nanankim- po taminy...
Amiko mantsy, ny fijaliana faran' izay feno fatra dia ny fialan' iny malalako iny ato anatin' ny foko...

Tsy dia afa- namatra loatra ny fitiavana tao am- pon' i Harena aho fa raha ny teny naloaky ny vavany dia mitovy ihany izahay. Fatratra ery ny fanadihadiana atao amiko rehefa ilay mihaona iny, eny hatramin' ny fotoana bitika indrindra aza dia iandrasany valiny amiko ny fomba nandaniako azy. Tsy fantany fa ny vavako tsy miloaka fotsiny...fa raha ny tena ao am- poko no amparina dia angamba nafatotro teo an- tongo- pandrianako izy ka ho hitan' ny masoko foana amin' ny fifandimbiasan' ny minitra.

Dia niha- nahazo vahana teny ny hasarotam- piaro nifamaly teo aminay roa. Tsy misy afa- tsy fifamandripandriana aman- dresaka ny androatokom- pihaonana, hany ka vao tsy mifanaraka amin' ny eritreriny zavatra natako dia tsy ety lalana ny vongan- dranomaso vavolombelon' ny ao am- po tsy miloaka...vao tsy mazavazava amiko ny fihetsiny amin' olona dia maso vontirika sy feo ambonimbony no asetriko azy...Saingy tsy nampihontsona ny fifankatiavana ireny fa mainka zezika nampamokatra azy handrobona ka nampilenodenoka faniry azy.

Voninkazo tonga lafatra raha i Harena ka notsiriritin' ny lolo maro mba hobaboina saingy naleony nanaiky ilay lolo kely iray izay fantany fa efa tapaka elatra ka ho tapitra aina eo aminy...Maro ihany koa ny voninkazo naniry hitoetra tamin' ity vazy azo lazaina ho tsara tefy...saingy niantefa tamin' ilay voninkazo dia iray ny safidiny ary hoazy irery ihany...

Mahery ilay fitiavana e!! Resy lahatra aho fa sarotra ny toerana misy ireo diso fanantenana tamin' ity lafiny ity ka tonga hatramin' ny famonoan- tena. Tsy mba takatry ny saina loatra mantsy ny fatra ananan' ny fitiavana ao amin' ny olona iray ka miteraka tsy fahaiza- mandanjalanja intsony ny fihetsika hataon' ilay vatana malia....

Zoma tamin' izay. Tonga indray ilay fotoana sarobidy hihaonan' ny tia sy ny tiana. Vontoatin- dresakay tamin' ity indray mitoraka ity ny fanofinofisana ilay fotoana hanaovana sonia sy fifanekenaeo anatrehan' olona maro, dia ny fampakaram- bady izany. Na teo aza anefa izato nofinofin- jaza dia samy nahafantatra izahay fa zavatra tsy azo hiazakazahana loatra izany fa tsy mandeha araka ny fotoanany avy...saingy toa tsy andry ny fotoana hahatongavany. Teo no teraka ny fanehoam- pitiavana miendrika kilalao ka nanaovanay sonia nosokirina tamina vato iray efa voaisy soratra mivandravandra hoe " tiako ianao". Fahafinaretana ho anay ery ny nanao ity endri- panehoana fitiavana ity na dia tsapa izao aza fa fisainan- jaza raha atao indray milaza. Tsy nionona tamin' ny sonia voakaly izahay fa narahin- teny voafantina avy amin' ny andaniny sy ny ankilany fa samy tsy hivadika mandrakizay....

Nifantsika tao an- tsaiko nanomboka teo ilay sonia kelin' ilay malalako: Toa miendrika antsasa- paribolana miankavanana nampiarahana tamin' ny anarany somary nosoratana mitankosina. Na dia teo amin' ny vato aza no nanoritany azy dia reko toa nosoratana tao am- poko ilay soniany, ka voatahirin' ny fitadidiako sy tsy nety afaka tao ilay teniny malefaka nanambara hoe:"Fanamby, tiako ianao ary tsy hivadika aminao mandrakizay aho."...

Nanjary fanafody nanasitrana ilay hasarotam- piaro kely mandratra mazàna ny zava- bita tamin' iny indray mitoraka iny. Nanomboka teo mantsy dia nanjary natoky tena aho fa efa ahy samirery, ary ahy mandrakizay Harena. Zary havitrihana entiko miasa ny tamberin' ilay soniany ao an- tsaiko...nanjary solon- tenany tamin' izy toerana rehetra nalehako ny fisaintsainana ilay sonia voasokitra teo ambony vato sy voasoratra tao am- poko. Indraindray aho toa mihevi- tena ho adala kanefa raha ny soniany moa no fanafody hitsabo ny aretiko, sakafo hamelona ny aiko, ary rano haha- afa- diana ahy amin' ny hetahetako, inona no azoko hambara!!?? Toa tsinjoko sahady ny ho hasambarana hifanoloranay amin' ny fotoanan' ny tena sonia raha tsy hanova zavatra ny fivadibadiky ny fotoana.

mbola hitohy

✍🏿 ILAY SONIANY👩‍❤️‍👨           fiz0️⃣1️⃣👱...Tena fitiavana asesiky ny fo sy tsy misaina tombon- tsoa manokana ve ry Fan...
16/08/2026

✍🏿 ILAY SONIANY👩‍❤️‍👨
fiz0️⃣1️⃣

👱...Tena fitiavana asesiky ny fo sy tsy misaina tombon- tsoa manokana ve ry Fanamby no hitiavanao ahy?? 'Ndrao mantsy fitia mitetatetan' ny sakan- jaza ihany ka hanjary faingo hampiato ny fanomanako ny hoaviko fotsiny.

🙎 Harena a, mbola tsy ampy hahatokisanao ny lanjan' ilay fitiavana natolotro ihany ve ireny fiandrasako ny valin- teninao nandritra ny antsasa- taona ireny?? Talohan' izay aza moa dia najaiko ny fiangavianao ny amin' ny hiandrasana ny haha- feno taona anao... Kanefa moa rahavako, raha tsy ampy handrefesana ny mari- panan' ny foko mireda fitiavana ny lasa rehetra dia etsy fa hoporofoiko amin' ny hoavy ny fitiavako anao. Atomboko androany izany ka ataontsika vavolombelon' ny fitiavako tsy hivadika mandrakizay io masoandro tsy manam- piovana io.

👱Eny àry e!! ary aza masiaka toy io moa e!...Te- haka toky aminao aho ry malalako satria ho anay vehivavy mantsy rehefa tia dia tena tia e...Ka aza omenao tsiny aho ry Fanamby raha manontany matetika ny ao am- ponao satria malaza ho mahay miova loko toa tana, hono, ianareo lehilahy itony ka sao arianao aho rehefa mahita ny mamiratra ianao! Rahateo, tsy sarotra ny mahita akanga tsara soratra amin' izao vaninandro iainantsika izao!

🙎...Fa adinonao ilay hoe" tenin- dehilahy ka rehefa izay dia izay"...Raha ny amin' ny hoe akanga tsara soratra indray dia ataokl fa mipetraka foana ny fisainan' ny Ntaolo hoe " ny fanahy no olona"...Matokia ry malalako fa tsy mba ny bolokilahy homam- boatseva ny aty fa sahy hitoetra ho voangaly ka ho anao irery ihany, ary hofaty eo aminao.

👱Aza dia masaka am- pilazana re ry Fanamby a. Maro ny efa niteny toy izany fa ny fotoana sy ny toe- javatra nolalovana no nanaisotra tsikelikely ilay vongam- pitia nifanolorana... Hany ka sombim- pitia noho ny lalàn' ny fiarahamonina sisa tomoetra fa tapitra natsoniky ny fiainana ny ambiny... Ny milaza rahateo anie mora e, fa ny manatanteraka sarotra!! Sao lahy ho lasan- ko vavany fotsiny izato izy ka hafa ny ambaran' ny vava fa...

🙎Marina ny anao. Mazàna mahazo laka ny fahazarana ka sarintsarim- pitia no iainan' ny ankamaroany. Matetika koa toky fitaka no mivoaka imolotr' ireo malama vava...saingy ampy hampirobo faniry ny fitiavana kosa ny fitia mifamalin' ny olon- droa...Ka eto aho dia te- hiteny aminao hoe miankina amin' ny andaniny roa ny fikolokoloana io fitiavana io. Tsy haiko ianao raha vonona hitondra ny hanitrao ao amin' ilay akany iriantsika haorina ao aoriana kely na tsia? Izaho mantsy efa nanao voady mangina tao am- poko tao fa hitoetra ho andry iankinanao mandra- pialan' ny fofonaintsika.

👱Eny rahavako, vonona aho rehefa vonona ianao...nefa fahendrena kosa aloha ny manome fotoana ho amin' ny fifampizahan- toetra satria na inona fanamafisana apetrakao etoana dia tsy maintsy ny ampitso ihany no handiso na hanamarina izany....

Dia toy izany ny sombitson- tafan' ny tia sy tiana rehefa iny tafara- dalana iny. Volana vitsy mantsy izay no naneken' i Harena ny fitiavako izay efa notoriana tanatin' ny fotoana naharitra. Tsy nanome valin- teny avy hatrany izy na dia niriko fatratra aza ny hamaliany teo noho eo ny fitiavako azy. Toetra iray anisan' ny nambabo ahy io toetrany tsy taitaitra io ka nandrasako teny foana ny hamaliany na ho ela na ho haingana...

Fahasambarana tsy hay lazaina ho ahy ny segondra iray nilazany fa manaiky ny fitiavako izy. Tsaroako tsara tamin' izay fa tamin' ny fotoana tsy nampoiziko iny indrindra no nanomezany valin- teny ahy, dia ny andro nankalazana ny tsingerin- taona nahaterahako. Toy ny tsy niteha- tany ny tongotro raha nandre izato teny malefaka nanonona ny " eny". Toy ny vao nateraka teo amin' ny tontolo lafatra sy tsy misy tsiny aho ka moa tsy izaho no olona sambatra indrindra tamin' io ora s'y fotoana io!!

Hatramin' iny dia malai- misaraka izahay rehefa tafahaona... maniry hihaona rehefa tafasaraka... manisa andro rehefa iny miandry ilay fotoana mamy kely handehanana mitsangatsangana miaraka iny...
Tsapako tamin' izany fa mahery tokoa ilay fitiavana ka sady hasambarana no fijaliana, sady tsiky no tomany... ary indrindra, sady fiainana no fahafatesana. Maty ao amin' i Harena, ilay sila- panahiko mantsy ny amiko manontolo, ka na dia hotolorana tovovavy bikana sy tsara noho izy aza dia tsy misalasala ny handà. Tsapako sahady fa vita tombokavatsa ao am- poko ilay tovovavy sy ny aminy manontolo, hany ka ho fery tsy hay sitranina ny sanatria ho fialany ao...

mbola hitohy

Un grand merci à mes nouveaux followers ! Clautilde Marie, Mandranto Tsilavina Rkt, Volatiana Marianne Rasoafanomezana, ...
16/08/2026

Un grand merci à mes nouveaux followers ! Clautilde Marie, Mandranto Tsilavina Rkt, Volatiana Marianne Rasoafanomezana, Santa Raharimanganoro, Farah Suzy Tseapokoina, Tsiatosika Tsiatosika, Clarrah Miotiharena, Aissa Anjaramioty, Bena Lucien Rabemana, Rafianinana Mbolatiana, Marie Lalasoa, Randri Anandrasana Jc, Hery Man, Harilala Rak, Flaura Böteng, Kanto Niaina, Ricardo Lion, Arisoa Ranivo, Olga Nicole, Sahon Mbanona, Aroniaina Nia, Samuel Lario, Rahariniaina Murielle, Hasimbolatiana Lidiarisoa, Sophie Ninah, Michel Miguel, Tovo Tsimihola, To Tsiny, Isabdlls Razafindralambo

Mention spéciale à mes nouveaux(elles) super fans ! Isabelle Razafindralambo, Ålïsøa Fãndefērãnâ, Mirana Razafiarivola, ...
16/08/2026

Mention spéciale à mes nouveaux(elles) super fans ! Isabelle Razafindralambo, Ålïsøa Fãndefērãnâ, Mirana Razafiarivola, Emma Sylviane Rasoanatoandro, Fafah Aina Ny Aiko, Thonnyars Vololoniana, Fy Tahiana, Hery Rasoanaivo, Veron Iaina, Rolland Famantanantsoa, Mathurine Razafy, Madama Matotra, Mahe Raz, RianalaAndy Ramiandrisoa, Landy Randriambololona, Nari Rajson, Niry Rzf, Norine Rasoaza, Larrissa Fanasina, Raholy Mampionona, Koloina Ranivoarimalala, Ji Rakotoson, Fify Rakotoarivelo, Razanabaovahy Jerison, Ny Aina Rambao, Faranirina Razafiarisoa, Natiah Rajoelina, Naturo Misa Fanafody Natoraly, Lucie Sarah, Aiko Ny Raj, Sahoby Ratovomanantsouu, Rosalie Razafimaharavo, Armand Rakotoarivo, Catherine Ravaomalala, Nantenaina Rojotiana, Ravaka Tongaravaka, Finoana Fanantenana, Joelah Finoana, Tassia Tassia, Manganirina Rabarivao, Ylan Razafindramaho, Alpha Ārtïdâm Ändũm, Malala Ralibera, Claires Marie Janne, Haja Olivie, Arahintsu Manoh, Emmanu'l Rabemananjara, Hanitra Rafaramalala, Nivo Caroline Ranivoarisoa, Soah Andrian

Miarahaba ry mpiray lalana👋👋Efa sasa- miandry 'zao ianareo e??Inty àry ny tantarantsika manaraka e:✍🏿ILAY SONIANY✍🏿Aleo ...
16/08/2026

Miarahaba ry mpiray lalana👋👋

Efa sasa- miandry 'zao ianareo e??

Inty àry ny tantarantsika manaraka e:

✍🏿ILAY SONIANY✍🏿

Aleo mba andramantsika indray aloha ny mianoka anatin' ny tantaram- pitiavana iray e.

Aza miala lavitra a; araho hatrany ny pejintsika dia aza adino ny manisy ♥️ ny rantintsika e.

Rehefa feno 400 ny " réactions" amin' ity ranty fampahafantarana ity dia avoakantsika ny fizarana voalohany, eny fa na amin' ny 12 alina aza.

Soava tsarà daholo !
Fy Fanamby

Efa tonga ee!Tantara manao ahoana indray izao no andrasanareo amiko?
13/08/2026

Efa tonga ee!
Tantara manao ahoana indray izao no andrasanareo amiko?

Mention spéciale à mes nouveaux(elles) super fans ! Ålïsøa Fãndefērãnâ, Mirana Razafiarivola, Fafah Aina Ny Aiko, Thonny...
13/08/2026

Mention spéciale à mes nouveaux(elles) super fans ! Ålïsøa Fãndefērãnâ, Mirana Razafiarivola, Fafah Aina Ny Aiko, Thonnyars Vololoniana, Fy Tahiana, Hery Rasoanaivo, Veron Iaina, Rolland Famantanantsoa, Mathurine Razafy, Madama Matotra, Mahe Raz, RianalaAndy Ramiandrisoa, Landy Randriambololona, Nari Rajson, Niry Rzf, Isabelle Razafindralambo, Norine Rasoaza, Larrissa Fanasina, Raholy Mampionona, Koloina Ranivoarimalala, Ji Rakotoson, Fify Rakotoarivelo, Razanabaovahy Jerison, Ny Aina Rambao, Faranirina Razafiarisoa, Natiah Rajoelina, Naturo Misa Fanafody Natoraly, Lucie Sarah, Aiko Ny Raj, Sahoby Ratovomanantsouu, Rosalie Razafimaharavo, Armand Rakotoarivo, Catherine Ravaomalala, Nantenaina Rojotiana, Ravaka Tongaravaka, Finoana Fanantenana, Joelah Finoana, Tassia Tassia, Manganirina Rabarivao, Ylan Razafindramaho, Alpha Ārtïdâm Ändũm, Malala Ralibera, Claires Marie Janne, Haja Olivie, Arahintsu Manoh, Emmanu'l Rabemananjara, Hanitra Rafaramalala, Nivo Caroline Ranivoarisoa, Soah Andrian, Mahamby Zafindrefahitsy

13/08/2026

Vao tsy ao an- trano kely dada dia michaondraondra eran' ny trano ry Kala Voahary😃😃
Amin' io ilay trano mikorontana bé🙈🙈

Un grand merci à mes nouveaux followers ! Clautilde Marie, Mandranto Tsilavina Rkt, Volatiana Marianne Rasoafanomezana, ...
12/08/2026

Un grand merci à mes nouveaux followers ! Clautilde Marie, Mandranto Tsilavina Rkt, Volatiana Marianne Rasoafanomezana, Santa Raharimanganoro, Farah Suzy Tseapokoina, Tsiatosika Tsiatosika, Clarrah Miotiharena, Aissa Anjaramioty, Rafianinana Mbolatiana, Marie Lalasoa, Fanja Rakoto, Randri Anandrasana Jc, Hery Man, Harilala Rak, Flaura Böteng, Kanto Niaina, Ricardo Lion, Arisoa Ranivo, Olga Nicole, Sahon Mbanona, Aroniaina Nia, Samuel Lario, Rahariniaina Murielle, Hasimbolatiana Lidiarisoa, Sophie Ninah, Michel Miguel, Tovo Tsimihola, To Tsiny

Miarahaba ôô!Toa hoe toerana manana tantara miavaka, hono, ity toerana atao hoe Andriamanara ( atsimo kelin' Ambohimandr...
11/08/2026

Miarahaba ôô!

Toa hoe toerana manana tantara miavaka, hono, ity toerana atao hoe Andriamanara ( atsimo kelin' Ambohimandry) ity raha ny siosion- dresaka a!...

Saingy na i CHAT GPT namana akaiky ahy aza milaza ho tsy mahafantatra.

Misy afaka mitantara ve ianareo avy aty ireo, na izay mahafantatra santionany fotsiny e!?

FANAMARIHANA: Ny lainga raofina hita anatin' ny sary fanehoana dia fiaraha- miasa tamin' ny orinasa GEMINI, izay sponsor officiel an' ity ranty ity.

Soava tsarà daholo!
Fy Fanamby ✍🏿

Address

Ambatolampy

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Fy Fanamby posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share