15/10/2025
RN 44: LOZAM-PIFAMOHIVOIZANA
Fiara lehibe avy any Ambatondrazaka hihazo an'Antananarivo no nivadika mialohan'ny hiditra ny tanΓ nan'Andaingo io hariva io, tokony ho tamin'ny 7ora .Torana tsy nahatsiaro tena ny mpamilin'ny Fiara ary noentina ao amin'ny hopitalin'Andaingo.Nikatso tanteraka nandritran'ny ora maromaro ny fifamohivoizana arak'izany saingy efa miverina amin'ny lahoniny kosa amin'izao fotoana izao. Tsy mbola fantatra mazava atreto ny nahatongan'ny loza .