Radio MBS Ambatondrazaka Ofisialy

Radio MBS Ambatondrazaka Ofisialy Hifampizarana vaovao sy ny tsara ho fantatra rehetra

Kaly Matsiro
31/07/2026

Kaly Matsiro

Alamino dieny zao ny fandaharam-potoana e! Aza adinoina fa  19 Jolay manomboka @5 ora ariva efa manomboka indray ny Kara...
16/07/2026

Alamino dieny zao ny fandaharam-potoana e!
Aza adinoina fa 19 Jolay manomboka @5 ora ariva efa manomboka indray ny Karaoké sy vazo à la guitar eo @ la place miaraka sy ny Brochette party ary animation DJ SYX sy DJ KENNY no sady mijery Final Mondial ⚽⚽ géant e!Radio MBS Ambatondrazaka Ofisialy

Efa mandeha ny fanentanana sy ny karaoké eto @ la place a !Miandry DEMI FINAL aveo sady misy écran géant ne eeee!!
15/07/2026

Efa mandeha ny fanentanana sy ny karaoké eto @ la place a !
Miandry DEMI FINAL aveo sady misy écran géant ne eeee!!

Écran géant eo @ la place Ambatondrazaka karakarain'ny commune urbaine Ambatondrazaka sy ny DRCC Alaotra Mangoro, Syx Ev...
13/07/2026

Écran géant eo @ la place Ambatondrazaka karakarain'ny commune urbaine Ambatondrazaka sy ny DRCC Alaotra Mangoro, Syx Event ary ny Orange ⚽⚽

06/07/2026
Alefao ny commande ao Kaly Matsiro fa manao livraison ne zareo e !!
01/07/2026

Alefao ny commande ao Kaly Matsiro fa manao livraison ne zareo e !!

Kaly Matsiro
16/06/2026

Kaly Matsiro

HELLO! 🤠
EFA AKAIKY NY FÊTE DES PÈRES RY RETO A, KOA INDRO ARY NY TOLOTRA HO AMIN'IZANY😉👏🏻

👉🏻PIZZA GM 1
👉🏻KEBAB 2
👉🏻JUS NATUREL 2
👉🏻💵25.000ar

❌DISPO LE 21 JUIN❌
📩COMMANDEZ DÈS MAINTENANT
🛵SUR LIVRAISON
📞034.78.735.57

CF MECA PRO : Mpihofana andiany faha-22 “FANILO” no nivoaka androanyNotanterahina androany Zoma 12 Jona 2026 tao amin'ny...
12/06/2026

CF MECA PRO : Mpihofana andiany faha-22 “FANILO” no nivoaka androany

Notanterahina androany Zoma 12 Jona 2026 tao amin'ny Masinjara La Place Ambatondrazaka ny famoahana tamin’ny fomba ofisialy ireo mpihofana ao amin’ny CF MECA PRO, andiany faha-22 mitondra ny anarana hoe “FANILO”.

Marihina fa tapany voalohany amin’ity andiany ity ihany no nahazo ny fankatoavana sy nivoaka androany, raha kasaina hivoaka amin’ny volana Desambra 2026 kosa ny tapany faharoa.

Tao anatin’izany lanonana izany dia naneho ny hafaliany sy ny fankasitrahany ireo mpampiofana, mpiara-miombon’antoka ary indrindra ireo ray aman-dreny sy mpianatra ny Tale sy ny tompon’andraikitra eo anivon’ny CF MECA PRO, noho ny ezaka sy ny fiaraha-miasa nahafahana nanatanteraka amim-pahombiazana ny fiofanana.

Nirary fahombiazana ho an’ireo mpiofana vao nahavita ny fiofanany ihany koa ny fitantanana ny sekoly, mba ho tonga matihanina mendrika sy handray anjara amin’ny fampandrosoana ny sehatry ny asa sy ny teknika eto Madagasikara.

“FANILO”, andiany faha-22, dia antenaina ho fanilo hitondra fahalalana, fahaiza-manao ary fanantenana vaovao eo amin’ny tontolon’ny asa.

CF MECA PRO – Manofana ho amin’ny fahombiazana
Radio MBS Ambatondrazaka Ofisialy

🔹 Famindram-pitantanana tao amin’ny Sampandraharahan’ny Fiompiana Alaotra-MangoroVita soa aman-tsara ny famindram-pitant...
09/06/2026

🔹 Famindram-pitantanana tao amin’ny Sampandraharahan’ny Fiompiana Alaotra-Mangoro
Vita soa aman-tsara ny famindram-pitantanana teo amin’i Andriamainty Fils Marius, Tale teo aloha, sy Ramiaramanana Fidy Vahiny Didi, Tale vaovao eo anivon’ny Sampandraharahan’ny Fiompiana Alaotra-Mangoro.
Fanamby lehibe miandry ny Tale vaovao ny fampiroboroboana indray ny fiompiana ombivavy be ronono sy ny fanatsarana ny fiompiana gisa, izay anisan’ny mampalaza ny faritra Alaotra-Mangoro.
Etsy ankilany, anisan’ny asa hotanterahina manomboka rahampitso ny ady amin’ny harimontana. Hisy araka izany ny fanaovana vakisiny maimaim-poana ao amin’ny FAFIA ho fiarovana ny biby fiompy.

Radio MBS Ambatondrazaka Ofisialy

Address

Tanambao Ambatondrazaka
Ambatondrazaka
504

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Radio MBS Ambatondrazaka Ofisialy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Radio MBS Ambatondrazaka Ofisialy:

Shortcuts

Share