21/12/2025
✨ Fanentanana JPE Alaotra:Jeunes Paires Educateurs – 21 Décembre 2025 | Commune Ambohibotavo ✨
Nitohy androany 21 décembre 2025 tao amin’ny commune Ambohibotavo ny fanentanana notanterahin’ny Jeunes Paires Éducateurs (JPE) ao anatin’ny tetikasa WISH2 🌱
🔹 Tapany maraina
Natao ny fanentanana momba ny fandrindrana fiainam-pianakaviana teny anivon’ny tanàna sy ny tsena, niaraka tamin’ny fanatanterahana fandrindrana fiainam-pianakaviana tao amin’ny CSB1 Ambohibotavo, ho fanamafisana ny fahazoan’ny mponina tolotra ara-pahasalamana.
🔹 Tapany hariva
Nanjaka ny hafaliana sy ny firaisankina tamin’ny lalao ara-pirahalahiana baolina kitra, izay natambatra tamin’ny fanentanana sy fizarana kapoty, ho fampiroboroboana ny fahasalamana ara-pananahana sy ny fiarovana.
Nisy ihany koa ny fandrindrana fiainam-pianakaviana tao amin’ny CSB2 Ampitatsimo.
🙏 Fisaorana lehibe ho an’ny CSB1 Ambohibotavo, CSB2 Ampitatsimo, ny tompon’andraikitra ara-pahasalamana, ny kaominina, ary ireo mpiara-miombon’antoka rehetra tamin’ny fanohanana sy fiaraha-miasa nahomby.
Miara-manangana fiarahamonina salama sy tanora tompon’andraikitra isika rehetra 💪🌈
ALAOTRA MANGORO
AMBATONDRAZAKA