02/07/2025
😵💫Fa tena mazana oa ilay aretina eee. Mbola mandamaka hatramin'izao.
🤒Niantomboka tamin'ny molotra maimaina be aloha, dia avy eo toy ny reraka be tsy hay izany. Nikiry niasa ihany fa hoe harerahana fotsiny io, dia matory be dia afaka.
🤒Avy eo anefa efa tsy manaiky intsony ny vatana fa be saina be. Tamin'ny zoma heriny maraina amin'izay, nandà tanteraka ny vatana fa tsy tafatsangana intsony. 🤒Narary be otran'ny ho vaky ny loha, ary nangorangorana ny vatana.
😷1er passage tany amin'ny dokotera, nomena fanafody manasitrana aretina andoha sy mampidina hafanana, ary manala an'ilay mangorangorana.
Tsisy fiatsarana, fa vao maika marary ihany. Nanjavona ny feo. Ny aretina andoha mila tsy ho zaka, ary ny vatana mamay be otran'ny vain'afo.
😷2e passage tany amin'ny dokotera, nomena fanafody tazo indray. Fa eeehh, ny vavony fotsiny no narary fa ny eo ihany no teo. Niampy kohaka indray ilay izy, ary niampy sery be ihany koa.
😵💫Otran'ny hiongotra ny machoire, ary tena hoe effort be na dia mitsangana aza.
Ny tena koa marary na dia miteny aza.
😷3eme passage tany am dokotera: niampy ny fanafody.
Izao vo mahavita mitsangana kely, nasain'ny tato an-trano nitsako tongolo oignon manta sy tongolo gasy manta ihany koa.
😱😨Tena mafy ilay izy, ary tsy maha be saina. Mbola mibonoka aloha izao, fa mandendeha kely eo antokotany dia izay. 😵😵💫Ny sakafo, tsy dia maha hinana fa izay miditra dia mitady hivoka.
Tena mitandrema izay tsy mbola voa fa tsy misangy ilay izy. 🙏🤮😵💫
tsisy idirany.