KANTO RADIO

KANTO RADIO Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from KANTO RADIO, Radio Station, III PH 53, Ambohidratrimo.

16/08/2026
🎙️ MONDIAL 2026 : Fandresena ho an’i Meksika, saingy voamariky ny karatra mena telo ny lalao fanokafanaNanomboka tamin’n...
12/06/2026

🎙️ MONDIAL 2026 : Fandresena ho an’i Meksika, saingy voamariky ny karatra mena telo ny lalao fanokafana
Nanomboka tamin’ny fomba manaitra ny fiadiana ny amboara eran-tany 2026, na ny Mondial 2026, izay atao any amin’i Kanada, Meksika ary Etazonia. Tao amin’ny Estadio Azteca any Mexico City no nanatanterahana ny lanonana fanokafana, teo anatrehan’ireo mpankafy tonga maro hanatrika ny fanombohan’ity fifaninanana lehibe indrindra eo amin’ny baolina kitra ity.
Tamin’ny lalao fanokafana tao amin’ny vondrona A, dia nandresy an’i Afrika Atsimo tamin’ny isa 2 noho 0 i Meksika. I Julián Quiñones no nanokatra ny isa tamin’ny minitra faha-9, ary i Raúl Jiménez kosa no nametraka ny tombo-kase tamin’ny alalan’ny baolina faharoa tamin’ny tapany faharoa.
Saingy tsy ny isa ihany no nandrasan’ny mpijery tamin’ity fihaonana ity fa nisy tranga manokana ihany koa: karatra mena telo no nivoaka nandritra ny lalao, ka nahatonga azy ho iray amin’ireo lalao fanokafana Mondial nahitana fandroahana mpilalao maro indrindra teo amin’ny tantara.
Ny ekipan’i Afrika Atsimo no tena voa mafy tamin’izany. Voalohany, i Sphephelo Sithole, mpilalao afovoany avy amin’i Afrika Atsimo, dia nahazo karatra mena rehefa nanakana an’i Brian Gutiérrez, mpilalaon’i Meksika, izay saika handeha irery hamono baolina.
Avy eo dia nihena ho mpilalao sivy i Afrika Atsimo rehefa noroahina ihany koa i Themba Zwane taorian’ny fanamarinana tamin’ny VAR, noho ny fihetsika namely teo amin’ny endrik’i Roberto Alvarado, mpilalaon’i Meksika.
Na dia efa natanjaka tamin’ny isa aza i Meksika, dia nahazo karatra mena ihany koa ny mpampiantrano tamin’ny faran’ny lalao. I César Montes, kapitenin’i Meksika, no noroahina noho ny fidirana mahery tamin’i Khuliso Mudau, mpilalaon’i Afrika Atsimo.
Noho izany, fandresena mamy ho an’i Meksika ity fanombohana ity, saingy lalao feno ady sy tranga mampiady hevitra no nanokatra ny Mondial 2026.
🖋️ Nathan Fanambinana

📌 Natao tao amin’ny HCC ny fanambaram-pananan’ireo mpikambana ao amin’ny GovernemantaNotanterahina tetsy amin’ny Fitsara...
10/06/2026

📌 Natao tao amin’ny HCC ny fanambaram-pananan’ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta
Notanterahina tetsy amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) io tolakandro io ny fanatanterahana ny fanambaram-pananan’ireo mpikambana maromaro ao amin’ny Governemanta, notarihin’ny Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison.
Araka ny voalazan’ny andininy faha-41 ao amin’ny Lalàmpanorenana, dia adidy tsy maintsy tanterahin’ireo andrim-panjakana voafaritra ny fanaovana fanambaram-pananana eo anivon’ny HCC, ka anisan’izany ny Governemanta, araka ny andininy faha-40.
Etsy ankilany, hamafisin’ny lalàna laharana faha-2016-020 tamin’ny 22 Aogositra 2016 momba ny ady amin’ny kolikoly ihany koa izany adidy izany.
👉 Fepetra entina manamafy ny mangarahara sy ny ady amin’ny kolikoly eo anivon’ny fitondram-panjakana izao hetsika izao.
🖋️ Nathan Fanambinana
📸 Sary: MCR

📌 FLASH SPORT – BAREA LADIESNahavita dingana lehibe ny ekipam-pirenena vehivavy Barea Ladies amin’ny fifanintsanana ho a...
10/06/2026

📌 FLASH SPORT – BAREA LADIES
Nahavita dingana lehibe ny ekipam-pirenena vehivavy Barea Ladies amin’ny fifanintsanana ho an’ny Lalao Olympika Los Angeles 2028.
Taorian’ny fifandonana savaranonando tamin’ny Soudan du Sud, nahazo vokatra tsara i Madagasikara:
👉 Nisaraka ady sahala 1-1 tamin’ny lalao aller
👉 Nandresy 1-0 tamin’ny lalao retour, noho ny baolina tafiditr’i Julie Solonilaina Razanarisoa (90+3)
Vokatra mitambatra izany no nahafahan’ny Barea Ladies mandroso amin’ny dingana manaraka amin’ny fifanintsanana afrikanina.
👉 Eo amin’ny round manaraka (prochain tour) izao izy ireo no hiatrika ekipa mbola matanjaka kokoa amin’ny lalana mankany amin’ny JO 2028.
📌 Mitohy ny nofinofy sy ny fanamby ho an’ny Barea Ladies amin’ny tantara vaovao ho an’ny baolina kitra vehivavy malagasy.
🖋️ Nathan Fanambinana

📌 Mijoro amin’ny fahamarinana ho fiarovana ny vahoakaHoy ny solombavambahoaka Rajerison Antoine fa matetika ny fitsarana...
10/06/2026

📌 Mijoro amin’ny fahamarinana ho fiarovana ny vahoaka
Hoy ny solombavambahoaka Rajerison Antoine fa matetika ny fitsarana sy ny mpitandro filaminana ary ny hetra midangana no lasa fitaovana nampanginana ireo mpanao politika sahy niteny ny tsy mety teto amin’ny firenena hatramin’izay.
Nambarany anefa fa tokony haka lesona amin’ireny ny mpitondra ankehitriny, ary antsoiny ny hampanjakana ny fahamarinana sy ny rariny ho tombontsoan’ny vahoaka.
🖋️ Nathan Fanambinana

🚗📢 TVM 2026 : Hiverina haloan'ny tompon-fiara ny hetra isan-taonaNaverin'ny Lalàna mifehy ny Tetibolam-panjakana 2026 ny...
10/06/2026

🚗📢 TVM 2026 : Hiverina haloan'ny tompon-fiara ny hetra isan-taona

Naverin'ny LalĂ na mifehy ny Tetibolam-panjakana 2026 ny fandoavana ny Taxe sur les VĂŠhicules Ă  Moteur (TVM), hetra isan-taona aloan'ny tompon'ny fiara sy ny fiarakodia mivezivezy eto Madagasikara.

Miankina amin'ny herin'ny motera (CV), ny karazana angovo ampiasaina ary ny taonan'ny fiara ny sandan'ny hetra aloa. Manomboka amin'ny 5 000 Ariary ka mety hahatratra 340 000 Ariary isan-taona izany arakaraka ny sokajin'ny fiara.

Nohamafisin'ny tompon'andraikitra fa indray mandeha isan-taona ihany no fandoavana ny TVM fa tsy isam-bolana araka ny tsaho niparitaka tato ho ato.

Anisan'ireo tsy voakasik'ity hetra ity kosa ny fiara mpamonjy voina (ambulance), ny fiaran'ny mpamono afo, ny fiaram-panjakana sasany ary ireo fiara misitraka fanavotana araka ny fifanarahana iraisam-pirenena.

Marihina fa ny TVM dia natao hanampiana amin'ny famatsiam-bola ny fotodrafitrasa sy ny tolotra iombonana ho an'ny vahoaka.

✍️ Rédaction : Nathan Fanambinana
📻 KANTO RADIO – Feo sy Kanto ho anao

10/06/2026

Un grand merci à mes nouveaux followers ! Fanomezantsoa Tsiky Raheliarimino, Alban Randriarimalala, Valsu Mii Valsu, Saotra Oliviah, Finaritra Faranambinintsoa, Ràfïï Lah MândÎtrà, Hasina Nhj, Prezda Zackye

09/06/2026

🇲🇬🇲🇬KANTO RADIO Serasera ny Mpanakanto 🥰🎥

Zao efa JANGA 🔥
Parish fampisehoana goavana be tao amin'ny Coliseum-Antsonjombe

🚨🇲🇬 FANDRESENA HO AN'I MADAGASIKARA! 🇲🇬🚨 🏆 CAF Women's Los Angeles 2028 Olympic Qualifiers ⏱️ Vita ny lalao 🇲🇬 MADAGASIK...
09/06/2026

🚨🇲🇬 FANDRESENA HO AN'I MADAGASIKARA! 🇲🇬🚨 🏆 CAF Women's Los Angeles 2028 Olympic Qualifiers ⏱️ Vita ny lalao 🇲🇬 MADAGASIKARA 1 - 0 SOUDAN DU SUD 🇸🇸 🔥 Olaimpika Los Angeles 2028! 🇲🇬 Soratra lehibe ho an'ny affiche : 🏆 NANDRESY NY BAREA VEHIVAVY ! 🇲🇬 MADAGASIKARA 1️⃣ - 0️⃣ SOUDAN DU SUD 🇸🇸 ✨ Dingana iray manakaiky ny nofinofy Olaimpika! ✨ KANTO RADIO Nathan Fanambinana Talents m'Ray

Address

III PH 53
Ambohidratrimo
103

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when KANTO RADIO posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share