10/05/2025
Rehefa maty ianao dia aza manahy ny amin'ny vatanao...
Ny olon-tianao sy ny fianakavianao no hikarakara izany...
Havoakan'izy ireo ny efitranonao ary hitondra anao any amin'ny efitra fiandrasam-paty.
Hesoriny ny akanjonao.
Hampandroany ianao.
Hampiakanjoany ianao.
Maro no ho avy amin'ny fandevenana hanome voninahitra anao.
Ny sasany aza dia manafoana ny drafitr'izy ireo ary mangataka andro tsy hiasana mba hanatrehana.
Ny entanao – ireo zavatra tsy tianao hampindramina – dia hamidy, omena olon-kafa na hodorana.
Ny fanalahidinao,
Ny findainao,
Ny volanao,
Ny tahirinao,
Ny akanjonao...
Ary matokia fa tsy hitsahatra ny tsy hihodina ny tany ary tsy izao tontolo izao no hitomany anao.
Hitohy ny zava-drehetra.
Hosoloina ianao any am-piasana. Olona hafa, manana fahaiza-manao mitovy na tsara kokoa aza, no handimby ny toeranao.
Hitomany mandritra ny ora na andro vitsivitsy ireo namanao, fa tonga ny afakapitso dia hihomehy sy hikorana indray izy ireo.
Ny sarinao dia hihantona eo amin'ny rindrina mandritra ny fotoana fohy, avy eo hapidirina any anaty fitoeran'entana, ary amin'ny farany dia hihidy anaty vata.
Misy olon-kafa hipetraka eo amin’ny sezanao ary hihinana eo an-databatrao.
Ny alahelo fanaintainana lalina ao an-tokantranonao dia haharitra herintaona, roa, mety folo ... Dia ho lasa fahatsiarovana sisa ianao, ary hifarana hatreo ny tantaranao.
Hifarana amin’ny olona eto amin’ity tontolo ity izany.
Fa ny tantaranao dia manomboka amin'ny zava-misy vaovao ... any amin'ny fiainanao any ankoatra.
Ho zava-poana tsy misy dikany ny fanananao taloha. Tsy ho afaka hitondra na inona na inona eto an-tany ianao.
Ny hatsaran'ny vatanao,
Ny fanananao,
Ny toeram-boninahitrao,
Ny volanao,
Ny trano,
Ny fiara,
Ny amboaranao,...
Amin'ny fiainanao vaovao dia ny fanahinao no hany sisa tavela aminao. KOA MANAOVA NY MARINA, ATAOVY TSARA NY FANAHY.
-- Raha tonga aminao ity hafatra ity ka zarainao amin’ny hafa dia *izay no atao hoe fitoriana ny filazantsara!* -- 👏👏👏