23/10/2025
đżđđTĂ©moignage nalaina avy tamin'i Pr Domoina Randriambololona
Tsy haiko ny tsy hizara aminareo ny hatsaranâAndriamanitra. Resaka asa. Resaka « Japonais » đŻđ”
đTaminâizaho voatendry Talenâny CHUPKA dia nisy projet hitanâny Tale teo aloha, novatsianâny Firenena Japonais vola ka nahafahana namboatra pavillon natokana ho anâny consultations externes. Nandritry ny fotoana nitokanana io bĂątiment io, dia izaho irery no nanatitra ny Ambassadeur sy ny ekipany tany aminâny aĂ©roport rehefa hody zareo ary niaraka taminâizareo tao aminâny salle tao ka afaka niresaka elaela.
Tsy hay hoe nakaiza ny Manam-pahefana hafa. Nomeko boky iray nisy projets maromaro fangatahana fanampiana ho anâny hopitaly izy, ilay hoe « Aidez le CHU Place Kabary Antsiranana ». AoĂ»t 2018 taminâizany.
đNy avril 2019, nandefa mail ny Ambassade du Japon hoe mifidiana iray aminâny projet natolotrao tanatinâiny boky iny hovatsianay vola. Ny fanamboarana ny lalana tao anaty hopitaly no nofidiko taminâizany ka dia nosoniavina ny convention, natao ny asa ary natao avy eo ny inauguration, hafaliana lehibe fa niova ny endriky ny hopitaly.
đNy fĂ©vrier 2019 dia nanome toromarika ny Filoham-pirenentsika fa tsy maintsy hafindra CHUPKA ny pĂŽle mĂšre-enfant, izay mbola tao aminâny hopitaly iray hafa teo aloha. Nanome vola ny Ministeranâny Fahasalamam-bahoaka hanaovana rĂ©habilitation maromaro, bloc opĂ©ratoire sns fa saingy voafetra satria ngeza ny hopitaly, tsy mbola nisy ny service ho anâny gynĂ©cologie-obstĂ©trique.
Namboatra dossier dia nanao fangatahana indray ny tenako taminâny Ambassade du Japon ka nekenâizareo ny hivatsy vola ny rĂ©habilitation Ă©tage iray tao aminâny bĂątiment iray ratsiratsy tao. Nanome fitaovana vaovao maromaro koa zareo ho anâny pĂŽle mĂšre-enfant. Notokanana ny mai 2022 ilay Ă©tage (1er Ă©tage du bĂątiment C). Mbola tsy nisokatra ilay pĂŽle mĂšre-enfant taminâizany. Nandritry ny inauguration dia niresaka taminâilay Ambassadeur sahady indray koa izaho hoe ny Ă©tage ao ambony (2e Ă©tage) miaraka aminâny tafo koa tompoko tena mba mila amboarina fa mitete ny tafo no idiranâny rano be dia manimba be ilay Ă©tage vao namboarina, ny service de PĂ©diatrie koa mihafy kely ary ambany dia tokony mba hafindra aminâny toerana malalaka kokoa ao ambony ao.
Nihomehy izy sady niteny hoe mba any aminâny hafa indray Tale mangataka fa aza aty aminay intsony. Namboatra ilay projet ihany aho ary nanolotra azy ireo ilay izy taminâny dĂ©cembre 2022.
Namaly zareo fa tsy hanampy ny hopitaly intsony raha tsy misokatra ny pĂŽle mĂšre-enfant ao aminâny CHUPKA. Ny juillet 2023 dia nisokatra ny pĂŽle mĂšre-enfant, nahazo fanomezana maro avy taminâny olona maro, ny ONG, ny Ministeranâny Fahasalam-bahoaka, ny Japonais, fahagagana lehibe. Naveriko nalefa indray ilay projet fanamboarana ny 2e Ă©tage ho anâny pĂ©diatrie. Ni-Ă©tudiĂ©n-dry zareo indray. Nanomboka teo tsy ankijanona ny mail, ny questions, ny documents ilaina, maro be tsy tahaka ny taloha ny informations nangatahiny, tena mavesatra ary mamizana be, ireny ilay asa tena hiaretan-tory lava.
Ny annĂ©e 2024 dia tena vizaka ny tenako namaly tsy ankiato ireo fanontaniana, nandefa ireo informations ilainy, nanao mise Ă jour efa tsy voaisa intsony. Nisy fotoana izaho saika tsy hamaly mail intsony fa adaboko any hoaho izy ity Jesosy fa otrany mampifilafila tsy vitako intsony. Misy mibitsika malefaka foana anefa hoe tohizo foana, valio am-panajana sy fitiavana fa ho anâny zaza anie io e, jereo ny trano mitete, manĂ na finoana fa hanaiky foana zareo aminâny fotoana mahamety izany. Imbetsaka ny Ambassade mandefa olona mitsidika ilay toerana mijery hoe marina ve izay information ambara aminy. Aminâny Ă©change mail dia nilaza zareo hoe ahenao ny vola angatahina fa misy limite ny vola afaka omenâny Ambassade, be loatra raha sady amboarina ny tafo no amboarina ny Ă©tage, aza atao mihoatra ny 80 000 euros hoy izy. Nahena ilay devis, saingy indremandeha, rehefa nitsidika ny hopitaly ilay olona tao aminâny ambassade, avy ery lavitra ery, dia hitany ilay tafo mampalahelo be, dia hoy izy hoe ataovy devis hafa indray ary hoe ilay tafo sao dia afaka ampianay ihany izy roa.
Novaina indray ny devis. Izaho izany efa mibitabitaka fa efa hitako mihitsy hoe Jesosy no miasa amâilay olona. Nanohy namaly tsara ny mail, notohizana foana ny vavaka sady arahina fisaorana sahady. Dia Haleloia fa nivaly ny vavaka rehefa avy nitolona nandritry ny telo taona mikasika ity projet ity. Tsy Talenâny CHUPKA intsony ny tenako efa volana vitsivitsy izay, saingy azo antoka fa izaho no faly sy feno fankasitrahana indrindra nohonâny valim-bavaka nataonâAndriamanitra. Hitako loatra ny hamafinâilay lalana nodiavina fa tonga soa ihany. Voasonia androany ny convention de partenariat entre CHUPKA et lâAmbassade du Japon hanome ilay don, montant ambony indrindra azonâny hopitaly taminâny fanampianâny Japonais, 124 209 euros.
Izaho moa nampianatra no naleha aty Diego juste une semaine, nataonâi Jesosy nitontona taminâizaho aty ilay signature de la convention. Mahagaga, asaivo ataonâizareo anaty liste des invitĂ©s ianao hoy zareo tao aminâny Ambassade. Tahaka ny tsy heno intsony ireo havizanana nandritry ny telo taona. Nahazo « feedback » fampaherezana aminâny olona maro koa ny tena, na ny AutoritĂ©s eto an-toerana na ny Ambassade. Ny « pi-maso » avy aminâi Jesosy moa dia be dia be fa tsy ary voatantara. Tsara ny Tompo zareo.
Mikasika fonâolona maro sy firenena maro Izy hahatanteraka ny sitrapony sy ho valinâny vavaka asandratsika. Mahereza, mazotoa, mahareta manao ny dingana izay tokony atao aminâny cĂŽtĂ©-ntsika olombelona, dia Izy miasa aminâizay fomba tiny hanatanterahana ny sitrapony sy ho voninahiny, tsy azonâny saina eritreretina.
Matokia Azy dia maniria koa isika mba ho mahatoky eo anatrehany. Maro ny travaux natao tao aminâny CHUPKA, vola maro be no no-gĂ©rĂ©na tao, tsy ary nanao corruption na naka pourcentage na cadeau hafahafa ny tenako, tsy mampiadana ahy mihitsy izany, ary tsy misy fatiantoka mihitsy raha tsy maka izany, au contraire. Rehefa vizaka be fotsiny dia mitomany eo aminâi Jesosy dia ampahereziny indray, dia omeny valim-bavaka sy Fitiavana sy hafaliana be sy fiadanana, omeny anao koa anefa izay rehetra mahasoa anao na tsy nangatahinao aza. Tena tsara Jesosy â€.
Ny voninahitra dia ho Azy irery ihany mandrakizay mandrakizay.
đJeremia 32 : 27 : Indro, Izaho no Jehovah, Andriamanitry ny nofo rehetra; moa misy zava-mahagaga izay tsy haiko va?
đIsaia 42 : 8 : Izaho no Jehovah, izany no anarako, ka ny voninahitro tsy homeko ny hafa, na ny fiderana Ahy ho an'ny sarin-javatra voasokitra.
Aleo hofenoina fanandratana Azy ny facebook đ.