Journal Madagascar

Journal Madagascar Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Journal Madagascar, Newspaper, 101, Analakely.

Fahamaroan'ny Zaza very : Miaramila 400 naparitaka .  (éléments garde présidentielle) Maherin'ny 400 no   manerana ny   ...
18/07/2026

Fahamaroan'ny Zaza very : Miaramila 400 naparitaka .

(éléments garde présidentielle) Maherin'ny 400 no manerana ny hatramin'ny Ary hitohy manoloana ny 'ny niseholany tao ho ao.

aman' izy ireo, araka ny vaovao voaray Ary Mbola ho amin'ny rahampitso.

𝗠𝗮𝗱𝗮𝗴𝗮𝘀𝗶𝗸𝗮𝗿𝗮 :✅🔥𝗛𝗮𝗵𝗮𝘇𝗼 𝘇𝗮𝗻𝗮𝗯𝗼𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗮𝘃𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻𝗮 𝗼𝗿𝗶𝗻𝗮𝘀𝗮 𝗦𝗶𝗻𝗼𝗮 𝗺𝗶𝗶𝘀𝗮 𝗿𝗼𝗮. 🔹Vita omaly teny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha n...
18/07/2026

𝗠𝗮𝗱𝗮𝗴𝗮𝘀𝗶𝗸𝗮𝗿𝗮 :

✅🔥𝗛𝗮𝗵𝗮𝘇𝗼 𝘇𝗮𝗻𝗮𝗯𝗼𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗮𝘃𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻𝗮 𝗼𝗿𝗶𝗻𝗮𝘀𝗮 𝗦𝗶𝗻𝗼𝗮 𝗺𝗶𝗶𝘀𝗮 𝗿𝗼𝗮.

🔹Vita omaly teny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha ny fifanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa momba ny tambajotra zanabolam-pirenena teo amin'i Madagasikara sy ireo orinasa Sinoa roa, ny JINYUAN HOLDING INTERNATIONAL CO.LTD sy ny Suzhou Fuchang space technology CO.LTD, tamin'ny alalan'ny solontenany, GUAN Delie.

🔹Tanjon'ity fiaraha-miasa ity ny hanampy an'i Madagasikara amin'ny fanaraha-maso ny toetrandro, famantarana mialoha ny loza voajanahary, fanatsarana ny sarintany ary fampiroboroboana ny fifandraisana.

🔹Hanohana ara-bola sy ara-teknika, indrindra amin'ny fanofanana ireo tanora sy manam-pahaizana malagasy ihany koa ireo orinasa ireto, araka ny fifanarahana.

🔹Horaisin'izy ireo an-tànana ny fanantotosana ny asa, manomboka amin'ny famolavolana sy fanamboarana ny zanabolana izany ary hatramin'ny fandefasana sy ny fitantanana azy eny amin'ny habakabaka. Malagasy miisa 40, ahitana injiniera sivily sy miaramila araka izany no halefa hiofana amin'ny fitantanana zanabolana.

📷PRRM
________________
Araho hatrany ny pejintsika, aza hadinoina ny manisy réactions sy mizara ny vaovao.

🌏🚀 𝗛𝗼𝘁𝗲𝗹𝘆 𝘃𝗼𝗮𝗹𝗼𝗵𝗮𝗻𝘆 𝗲𝗻𝘆 𝗮𝗻𝗮𝗯𝗮𝗸𝗮𝗯𝗮𝗸𝗮, 𝗶𝘇𝗮𝘆 𝗺𝗮𝗻𝗼𝗺𝗯𝗼𝗸𝗮 𝗵𝗮𝘁𝗿𝗮𝗺𝗶𝗻'𝗻𝘆 5 𝘁𝗮𝗽𝗶𝘁𝗿𝗶𝘀𝗮 𝗱𝗼𝗹𝗮𝗿𝗮 (USD) 𝗻𝘆 𝘀𝗮𝗿𝗮𝗻'𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗱𝗲𝗵𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗳𝗶𝗷𝗮...
17/07/2026

🌏🚀 𝗛𝗼𝘁𝗲𝗹𝘆 𝘃𝗼𝗮𝗹𝗼𝗵𝗮𝗻𝘆 𝗲𝗻𝘆 𝗮𝗻𝗮𝗯𝗮𝗸𝗮𝗯𝗮𝗸𝗮, 𝗶𝘇𝗮𝘆 𝗺𝗮𝗻𝗼𝗺𝗯𝗼𝗸𝗮 𝗵𝗮𝘁𝗿𝗮𝗺𝗶𝗻'𝗻𝘆 5 𝘁𝗮𝗽𝗶𝘁𝗿𝗶𝘀𝗮 𝗱𝗼𝗹𝗮𝗿𝗮 (USD) 𝗻𝘆 𝘀𝗮𝗿𝗮𝗻'𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗱𝗲𝗵𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗳𝗶𝗷𝗮𝗻𝗼𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗲𝗻𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻'𝗻𝘆 𝗛𝗼𝘁𝗲𝗹𝘆.

Voyager Station, io tetikasa io dia noforonin'ny orinasa Amerikana antsoina hoe "Above Space Development Corporation", izay fantatra amin'ny anarana hoe Orbital Assembly Corporation teo aloha.

Natao handraisana olona miisa 400 ilay hotely, ary nokasaina ho hisokatra amin'ny taona 2027 manaraka io. Tombantombanana ho 5 tapitrisa dolara ka hatramin'ny 25 tapitrisa dolara (USD) isaky ny olona ny saram-pandehanana mandritran'ny telo andro, izay toeram-pitsangatsanganana ahafahana mahita tsara ihany koa ny endrin'ny tany avy eny anabakabaka.

Illustration 3D

𝗔𝗿𝗮𝗵𝗼 𝗵𝗮𝘁𝗿𝗮𝗻𝘆 𝗻𝘆 𝗽𝗲𝗷𝘆
𝗗𝗶𝗮 𝗮𝘇𝗮𝗱𝗶𝗻𝗼 𝗻𝘆 𝗺𝗶𝗸𝗶𝘁𝗶𝗸𝗮 𝗶𝗹𝗮𝘆 𝗦𝗨𝗜𝗩𝗥𝗘 𝗺𝗮𝗻𝗴𝗮 𝗸𝗲𝗹𝘆 𝗲𝗿𝘆 𝗮𝗺𝗯𝗼𝗻𝘆.

Mody ry zareo Sénégalais, Resin'i Belgique tany anaty prolongation❗🏆🔥🥲Nahavita nitarika 2-0 nandritry ny 86 minitra anef...
02/07/2026

Mody ry zareo Sénégalais, Resin'i Belgique tany anaty prolongation❗🏆

🔥🥲Nahavita nitarika 2-0 nandritry ny 86 minitra anefa izy ireo saingy sahala tany amin'ny minitra faha-89 ny baolina.
❗❗Tany amin'ny prolongation kosa i Belgique no nahavita namono ny baolina faha-3 nahatafakatra azy ireo.

BELGIQUE 🇧🇪 3-2 🇸🇳 SÉNÉGAL

⚽ H. Diarra 24'
⚽ I. Sarr 51'
⚽ R. Lukaku 86'
⚽ Y. Tielemans 89'
⚽ Tielemans 120+2' (P)

Niavaka tanteraka ny fankalazana ny fetim-pirenena Malagasy 2026 teto amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana. Anisan’ny tena ...
27/06/2026

Niavaka tanteraka ny fankalazana ny fetim-pirenena Malagasy 2026 teto amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana. Anisan’ny tena nampisongadina azy indrindra ny fandraisan’anjaran’ireo tanora avy ao amin’ny fikambanana FAROMBO, izay naneho am-pireharehana ny maha Malagasy azy ireo tamin’ny fanaovana fitafy nentim-paharazana, faha-mpanjaka “mena lamba”, maneho ny hasina sy ny hakanton’ny maha Malagasy sy ny fitafy nentim-paharazana. Nanao fampisehoana ankalamanjana kely izy ireo taorian’ny fandaharam-potoana ofisialy, ary tena nisongadina ihany koa nandritra ny filaharana.

👺👾 𝗛𝗮𝗰𝗸𝗲𝗿 𝗻𝗶𝗸𝗼𝗵𝗶𝘇𝗮𝗻𝗮. 𝗠𝗮𝗵𝗲𝗿𝘆 𝗻𝘆 200 𝗻𝘆 𝗯𝗮𝗻𝗸𝘆 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗸𝗮𝗺𝗯𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗿𝗮-𝗯𝗼𝗹𝗮 𝗶𝘇𝗮𝘆 𝗲𝗳𝗮 𝗻𝗼𝗿𝗮𝘃𝗮𝗿𝗮𝘃𝗮𝗻𝘆 (𝗡𝗮𝘁𝗮𝗼𝗻𝘆 𝗣𝗶𝗿𝗮𝘁𝗮𝗴𝗲), 𝗸𝗮 𝗻𝗮𝗵...
11/06/2026

👺👾 𝗛𝗮𝗰𝗸𝗲𝗿 𝗻𝗶𝗸𝗼𝗵𝗶𝘇𝗮𝗻𝗮. 𝗠𝗮𝗵𝗲𝗿𝘆 𝗻𝘆 200 𝗻𝘆 𝗯𝗮𝗻𝗸𝘆 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗸𝗮𝗺𝗯𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗿𝗮-𝗯𝗼𝗹𝗮 𝗶𝘇𝗮𝘆 𝗲𝗳𝗮 𝗻𝗼𝗿𝗮𝘃𝗮𝗿𝗮𝘃𝗮𝗻𝘆 (𝗡𝗮𝘁𝗮𝗼𝗻𝘆 𝗣𝗶𝗿𝗮𝘁𝗮𝗴𝗲), 𝗸𝗮 𝗻𝗮𝗵𝗮𝘇𝗮𝗵𝗼𝗮𝗻𝘆 𝘃𝗼𝗹𝗮 𝗯𝗲 𝗻𝗶𝘁𝗲𝗻𝘁𝗶𝗻𝗮 𝗵𝗮𝘁𝗿𝗮𝗺𝗶𝗻'𝗻𝘆 100 𝘁𝗮𝗽𝗶𝘁𝗿𝗶𝘀𝗮 𝗱𝗼𝗹𝗮𝗿𝗮, 𝗮𝗿𝘆 𝗻𝗶𝘁𝗲𝗻𝘁𝗶𝗻𝗮 1 𝗺𝗶𝗹𝗶𝗮𝗿𝗮 𝗱𝗼𝗹𝗮𝗿𝗮 𝗻𝘆 𝘃𝗼𝗹𝗮 𝘃𝗲𝗿𝘆 𝘃𝗼𝗸𝗮𝘁𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗸𝗼𝗿𝗼𝗻𝘁𝗮𝗻𝗮𝗻𝘆.

Izy no Hamza Bendelladj, izay hacker malaza be maneran-tany, antsoina ihany koa amin'ny solon'anarana hoe "BX1" na "The Smiling Hacker" (Ilay mpijirika na hacker mitsiky), satria dia nitsiky foana ny tavany tamin'ny fotoana nisamborana azy.

Inona moa no nataony?
• Namorona virus izy sy ny namany iray, izay virus nantsoina hoe "SpyEye". Io virus io dia niditra tao amin'ny solosaina maro maherin'ny 50 tapitrisa naneran-tany mba hangalarany ny teny miafina (passwords) sy ny kaontin'ireo banky.

Rehefa tafiditra tany amin'ny kaonty banky ilay virus dia nahavita nandrava sy nanakorontana, ka nahazahoany ireo teny miafina (passwords), ary dia azony ireo vola be tamin'ny banky sy fikambanana ara-bola maherin'ny 200. Vokatr'izany, nahatratra hatrany amin'ny 100 tapitrisa ny vola azony, ary hatramin'ny 1 miliara dolara ny vola very nohon'ny fanakorontanana naterany.

Nokarohin'ny FBI sy ny Interpol fatratra izy nandritra ny 5 taona, ka voasambotra tany Thaïlande tamin'ny taona 2013, teo am-panakalozana fiaramanidina.

Natolotra ny fitsarana tany Etazonia izy, ka voasazy ny higadra 15 taona araky ny didim-pitsarana tamin'ny taona 2016. Na izany, dia nahazo fampihenàna sazy izy noho ny fitondran-tena tsara sy ny efa nampidirana azy am-poja nanomboka ny taona 2013 tany Thaïlande.

Rehefa nahavita ny saziny izy, dia nivoaka ny fonja tamin'ny taona 2024 ary niverina tany Algérie izay toerana niaviany.

Ny lehilahy dia nianatra tao amin'ny Université des sciences et de la technologie Houari-Boumédiène (USTHB), izay any Bab Ezzouar, akaikin'ny renivohitry Algérie (Alger). Ny diplaomany dia Licence (Bacc +3)

𝗦𝘂𝗶𝘃𝗲𝘇-𝗻𝗼𝘂𝘀

🎉 FAMETRAHANA AMIN’NY FOMBA OFISIALY 🎉Manasa antsika rehetra hanatrika ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy an-dRamatoa...
04/06/2026

🎉 FAMETRAHANA AMIN’NY FOMBA OFISIALY 🎉
Manasa antsika rehetra hanatrika ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy an-dRamatoa RANDRIANASOLO Volatiana Pauline, Lehiben’ny Faritra Atsimo Atsinanana.

📅 Alahady 07 Jona 2026 hoavy izao.
📍 Stade Municipal Farafangana
🕙 Amin’ny 10 ora maraina
Hanentana sy hanafana ny lanonana ireto artista malaza:

SAKATE BOY
ARNAAH
ROJOVOLA
MARISSA
BAKIDY ZEZETY
MAROLAHY
JEDIDIA
LAURAND
FLORIDA BELLA
TINAH FREDINE
SHEQUEL ROSSI

✨ Tongava maro hiara-hankalaza ity fotoana lehibe ho an’ny Faritra Atsimo Atsinanana ity.

✅ TSY MISY VIDIM-PIDIRANA

Fintina ny hevi-dehibe ny fandaharana manokana notontosain'Atoa Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara:➡️ 8...
01/06/2026

Fintina ny hevi-dehibe ny fandaharana manokana notontosain'Atoa Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara:

➡️ 8 volana izay no teto zahay niezaka namaly ireo fitakian'ny vahoaka tsy ho vita vetivety izany fa mila fanovana toetsaina koa.

➡️ Tsy afaka mandray fanampahakevitra irery aho.

➡️ Miaramila aho rehefa omena mission dia vitaiko ny mission, 24 volana no nomena ahy dia ny hikarakarako ny fifidianana. Tsisy kajikajy politique.

➡️ Sosialim-bahoaka:
Efa misy ny ezaka eo amin'ny famatsiana ny Jiro sy rano. Faritany Diego no mbola somary manahirana nefa efa misy ny vahaolana atolotra.
Efa misy ny fanoloana ireo fantsona efa tranainy eto andrenivohitra.

Fahasalamana ezahina ny hampidirana ny resaka sécurité Sociale amin'ny LFI nefa mbola hita fa ho sarotra fa fanalefahana no mety hojerena.

➡️ Resaka Ambohimalaza:
Nisy spécialiste mpitsabo Rosianina nanao fanadihadihana nahita fa botulisme, misy karazany 07 hoy izy ireo ny botulisme ny 03 naturel ny 04 armes biologiques. Rehefa niverina teny amin'ilay toerana dia efa voafafa sy voasasa détergent ny teny efa lasa trano fanjairana Ilay toerana, tsisy zavatra hita teny. Na i Mme Patricia narary teny am hôpital aza nisy nilaza ho mpiasan'ny Présidence naka ny dossierny dia tsy hita ny taratasiny. Heno fa misy singa any lafrantsa ka iangaviana izay mahita porofo mba hanome izany ahafahana mahita ny marina.

➡️ Momba ny fanagadrana sy fanenjehana olona:
Tsy miditra amin'ny raharaha-pitsarana aho hoy izy fa anotanio ny ministra ny Fitsarana. Ny enquête no ahafahana mitazona azy ireny ary misy ny dossier mitazona azy ireo fahafatarako azy ao koa ireo mikonokonona fanonganam-panjakana sy manakorontana.

➡️ Momba ny fiaraha-miasa amin'ireo Rosianina:
Ireo miaramila Rosianina dia manofana ireo miaramila Malagasy.

Misy koa ny fiaraha-miasa hafa toy ny eo amin'ny sehatry ny Fambolena, Fahasalamana...

➡️ Mikasika ny téléphérique sy Autoroute:
Tohizanay ny asa saingy tsy autoroute no ilazanay azy fa voie rapide.

📌 "𝗖𝗿𝗶𝗺𝗲 𝗿𝗶𝘁𝘂𝗲𝗹" no tena mahatonga ny ankabeazan'ny fakàna an-keriny sy herisetra famonoana ny  . Hataon'ny olona sorona...
01/06/2026

📌 "𝗖𝗿𝗶𝗺𝗲 𝗿𝗶𝘁𝘂𝗲𝗹" no tena mahatonga ny ankabeazan'ny fakàna an-keriny sy herisetra famonoana ny . Hataon'ny olona sorona hahazoana vato, merkiora na hitazomana toerana sy fananana.

Hampihatra ny lalàna henjana amin'ireo olona nanao izany ny Fanjakana. Efa nisy olona 8 tratra (ombiasy, olon-tsotra, mpiasam-panjakana, mpianatra amin'ny oniversite...). Tokony halefa eny Tsiafahy aorian'ny fanadihadiana fa tsy hatao any amin'ny fonjan'i Toliara.

Raha misy olona ambony miafina ambadiky ny zavatra toy izao dia ambarao ho fantatry ny olona, hoy ny filohan'ny Fanavaozana.

« Miantso ny Malagasy 🇲🇬 mba hivavaka fa tsy hinohino foana toy izany. Olombelona toa antsika ireny fa tsy manana hery miafina izany », hoy ny filohan'ny Fanavaozana.

Hisy toerana lehibe hatsangana tsy ho ela handraisana ny zaza varira any atsimo. Ahitana sekoly, toeram-pivavahana, mpitandro filaminana hiaro azy ireo.



Sary fanehoana

‼️🔥𝗛𝗼  #𝘁𝘀𝗮𝗯𝗼𝗶𝗻𝗮 𝗮𝗻𝘆 𝗥𝗼𝘀𝗶𝗮 𝗶  , 𝗶𝗹𝗮𝘆 𝗺𝗽𝗮𝗸𝗮 𝘀𝗮𝗿𝘆  #𝘃𝗼𝗮𝘁𝗶𝗳𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗻𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗻𝘆  #𝘁𝗼𝗹𝗼𝗻𝗮, 𝗵𝗼𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗹𝗼𝗵𝗮.Nilaza ny filohan'ny f...
01/06/2026

‼️🔥𝗛𝗼 #𝘁𝘀𝗮𝗯𝗼𝗶𝗻𝗮 𝗮𝗻𝘆 𝗥𝗼𝘀𝗶𝗮 𝗶 , 𝗶𝗹𝗮𝘆 𝗺𝗽𝗮𝗸𝗮 𝘀𝗮𝗿𝘆 #𝘃𝗼𝗮𝘁𝗶𝗳𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗻𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗻𝘆 #𝘁𝗼𝗹𝗼𝗻𝗮, 𝗵𝗼𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗹𝗼𝗵𝗮.
Nilaza ny filohan'ny fanavaozana Kolonely Michael Randrianirina fa hiatrika fitsaboana na fandidiana any Rosia i Harry Tiana Teddy, ilay voatifitra tetsy Andrefan'Ambohijanahary tamin'ny farany teo ireny.
📌Nisy hiy izy ilay tifitra nahazo azy ka tsy maintsy nalefa any ny tenany hiatrika izany. Ny Rosianina no izany fitsaboana izany sy ny saram-piaramanidina, hoy hatrany izy tamin'ilay manokana alina.

🎥TVM

Address

101
Analakely
103

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Journal Madagascar posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Category