Mofonaina DIEM.

Mofonaina DIEM. Fa tsy menatra ny filazantsara aho; fa herin'Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany, ami

Manompo.
17/08/2026

Manompo.

MOFONAINA TALATA 18 AOGOSITRA 2026

MAHATOKY AMIN'NY ASANY NY MPINO

Deoterônômia 26.5-11

5Ary samy hiteny eo anatrehan'ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo ka hanao hoe: Aramianina mpanjenjena ilay razambeko; nidina nankany Ejipta izy, dia nivahiny tany niaraka tamin'olom-bitsy; ka tany izy no tonga firenena lehibe sy mahery sady maro isa.

6Ratsy fitondra anay ny Ejiptianina ka nampahory anay sy nampanao anay fanompoana mafy.

7Dia nitarainanay ilay TOMPO Andriamanitry ny razambenay, ka nohenoiny ny feonay ary hitany fa nahantra sy nijaly sady nampahorina izahay.

8Fiarovana mahery sy fahefana tsy hay tohaina omban'ny fampatahorana goavana sy famantarana ary zava-mahagaga no namoahan'ny TOMPO anay hiala tany Ejipta;

9ary nentiny hiditra teto amin'ity tany ity izahay ka nomeny anay ity tany ity, dia tany tondra-dronono sy tantely.

10Koa ankehitriny, TOMPO o, inty aho mitondra ny voaloham-bokatr'ilay tany izay efa nomenao ahy. Dia samy hametraka izany zavatra izany eo anoloan'ny Toeramasin'ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo sady hiankohoka hitsaoka ny TOMPO Andriamanitrareo.

11Avy eo noho ny soa rehetra izay nomen'ny TOMPO Andriamanitrareo anareo, dia hifaly ianareo miaraka amin'ny Levita sy ny vahiny eo aminareo.

"Fanompoana."

MOFONAINA TALATA 18 AOGOSITRA 2026MAHATOKY AMIN'NY ASANY NY MPINODeoterônômia 26.5-115Ary samy hiteny eo anatrehan'ny TO...

MOFONAINA SABOTSY 07 MARTSA 2026MITARIKA HO AMIN'NY FANDINIHAN-TENA NY TOMPOLioka 5.1.11 DIEM1Indray andro i Jesoa, raha...
06/03/2026

MOFONAINA SABOTSY 07 MARTSA 2026

MITARIKA HO AMIN'NY FANDINIHAN-TENA NY TOMPO

Lioka 5.1.11 DIEM
1Indray andro i Jesoa, raha ilay nijanona teo amoron'ny farihin'i Genesareta iny, dia nitangoronan'ny vahoaka te hihaino ny tenin'Andriamanitra.

2Hitany fa nisy sambokely roa niantsona teo amoron-drano fa nidina nanasa harato ny mpanarato.

3Dia niakaran'i Jesoa ny sambokely anankiray izay an'i Simona, ka niangavian'i Jesoa i Simona hihataka kely amin'ny tany. Ary teo an-tsambokely Izy no nipetraka hampianatra ny vahoaka.

4Nony nitsaha-niteny i Jesoa, dia nanao tamin'i Simona hoe: Mandrosoa eny amin'ny lalina, dia alatsaho ny haratonareo hahazoana trondro.

5Fa novalian'i Simona hoe: Mpampianatra o, niasa mafy izahay halina tontolo, saingy tsy nahazo na inona na inona; kanefa noho ny baikonao, dia halatsako ihany ny harato.

6Vao nandatsaka ny harato izy ireo, dia nahazo trondro be tokoa ary saika rovitra ny harato.

7Koa nohatsihin'izy iray tarika mba ho avy hanampy azy ny namany izay teny amin'ny sambokely hafa. Dia avy ireo, ka samy feno safomorona saika hilentika ny sambokely anankiroa.

8Raha nahita izany i Simona Petera, dia niankohoka teo an-tongotr'i Jesoa nanao hoe: Tompo o, halaviro aho fa mpanota!

9Taitra loatra manko izy mbamin'ireo niaraka taminy noho ny haben'ny trondro azony.

10Toa izany koa ry i Jakoba sy i Johany zanakalahin'i Zebedeo izay niombona asa tamin'i Simona. Ary hoy i Jesoa tamin'i Simona: Aoka izay ny tahotra; manomboka izao dia olona kosa no halainao!

11Ary rehefa nampiantsona ny sambokely teo an-tanety i Simona sy ny namany, dia nandao ny zavatra rehetra ka lasa niaraka tamin'i Jesoa.

"Mankatoa."

Anaty.
03/03/2026

Anaty.

MOFONAINA TALATA 03 MARTSA 2026

MITARIKA HO AMIN'NY FANDINIHAN-TENA NY TOMPO,

2 Kôrintianina 13.5-14

5Diniho ny tenanareo, ka izahao toetra raha velona amin'ny finoana tokoa ianareo na tsia. Fantatrareo tsara fa ao anatinareo i Jesoa Kristy, afa-tsy raha olona tsy voazaha toetra ianareo!

6Manantena kosa aho fa raha izahay, dia ho fantatrareo fa tsy mba olona tsy voazaha toetra.

7Mangataka am-bavaka amin'Andriamanitra izahay mba tsy hahavita ratsy mihitsy ianareo, tsy hoe mba hisehoanay ho olona voazaha toetra, fa mba hanaovanareo izay tsara, na dia hoheverina ho olona tsy voazaha toetra aza izahay.

8Fa tsy mba mahatohitra ny marina izahay fa ny mampandroso ny marina ihany.

9Eny, mahafaly anay raha malemy izahay fa ianareo kosa mahery; ka ny angatahinay am-bavaka, dia ny hahatanteraka anareo.

10Izany no anoratako ireo zavatra ireo aminareo, dieny mbola lavitra anareo aho; fandrao, rehefa mby eo aminareo aho, dia voatery hanao mafy loatra, araka ny fahefana nomen'ny Tompo ahy, dia fahefana natao hampandrosoana ny Fiangonanareo fa tsy handravana azy.

11Ary farany, ry havako, veloma finaritra ianareo! Miezaha ho tonga lafatra, mifampahereza, miraisa saina, mihavana, dia homba anareo ilay Andriamanitra loharanon'ny fitiavana sy ny fiadanana.

12Mifanaova veloma amin'ny fanoroham-pihavanana.

13Manao veloma anareo avokoa ny vahoakan'Andriamanitra.

14Homba anareo rehetra anie ny fahasoavan'i Jesoa Kristy Tompo sy ny fitiavan'Andriamanitra ary ny firaisana avy amin'ny Fanahy Masina.

"anaty."

MOFONAINA TALATA 03 MARTSA 2026MITARIKA HO AMIN'NY FANDINIHAN-TENA NY TOMPO, 2 Kôrintianina 13.5-145Diniho ny tenanareo,...

Mahefa.
02/01/2026

Mahefa.

MOFONAINA ZOMA 03 JANOARY 2025

MAHEFA NY ZAVATRA REHETRA NY TOMPO.

Efesianina 3.20-21

20Ary ho an'Andriamanitra Izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay angatahintsika na heverintsika aza, araka ny heriny miasa ato amintsika,

21ho Azy anie ny voninahitra ao amin'ny Fiangonana sy ao amin'i Kristy Jesoa, manerana ny taranaka rehetra mifandimby sy mandrakizay mandrakizay! Amen.

"Mihoatra."

MOFONAINA ZOMA 03 JANOARY 2025MAHEFA NY ZAVATRA REHETRA NY TOMPO. Efesianina 3.20-2120Ary ho an'Andriamanitra Izay mahay...
02/01/2026

MOFONAINA ZOMA 03 JANOARY 2025

MAHEFA NY ZAVATRA REHETRA NY TOMPO.

Efesianina 3.20-21

20Ary ho an'Andriamanitra Izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay angatahintsika na heverintsika aza, araka ny heriny miasa ato amintsika,

21ho Azy anie ny voninahitra ao amin'ny Fiangonana sy ao amin'i Kristy Jesoa, manerana ny taranaka rehetra mifandimby sy mandrakizay mandrakizay! Amen.

"Mihoatra."

Address

Analamahitsy
Analamahitsy

Telephone

+261346666777

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Mofonaina DIEM. posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Mofonaina DIEM.:

Shortcuts

Share

Category