15/07/2025
Mitsinjo.
MOFONAINA ALAROBIA 16 Jolay 2025
OLOM-BOAANTSO NY MPINO
Matio 15.32-39 DIEM
32Dia nantsoin'i Jesoa ny mpianany hankeo aminy ka nilazany hoe: Mahonena Ahy ireto vahoaka, satria efa telo andro izao no teto amiko, ka tsy manan-kohanina intsony; ary tsy tiako halefa mody tsy misakafo, fandrao reraka eny an-dalana.
33Dia hoy ny mpianatra taminy: Aiza no hahitantsika m**o hahavoky vahoaka be toy izao aty an-taniefitra aty?
34Hoy kosa i Jesoa tamin'ny mpianany: Misy m**o firy any aminareo? Dia novaliany hoe: Fito, ary koa trondro madinika vitsivitsy!
35Dia nasain'i Jesoa nipetraka tamin'ny tany ireto vahoaka.
36Ary noraisin'i Jesoa ny m**o fito sy ny trondro; ka rehefa avy nisaotra an'Andriamanitra Izy, dia nanapaka ny m**o sy ny trondro ary nanome azy ny mpianatra; ny mpianatra kosa nandroso izany tamin'ny vahoaka.
37Dia samy nihinana avokoa izy rehetra ka voky. Ary nangonina ny tapa-m**o aman-trondro ambiny ka nahafeno harona fito.
38Nefa dia efatra arivo ny vatan-dehilahy nihinana teo, afa-tsy ny zaza amam-behivavy.
39Dia nalefan'i Jesoa hody ny vahoaka. Avy eo niondrana an-tsambokely Izy ary lasa nankany amin'ny faritany atao hoe Magadana.
"Mitsinjo."