
03/03/2024
π΄Tombanana hiditra an-tanety rahampitso alina na ny Alatsinainy maraina ny ivon'ilay faritra andro ratsy ao amin'ny ranomasimbe Indiana!
Ao Antsiranana na Vohemar no mety hidirany an-tanety izay!
πHo tafiakatra depression tropicale izy fa kosa mety hahatratra Tempete tropicale moderee rzha toa ka tomombana ny tontolo hivoarany!
β
Hisalotra ny anarana Filipo iey raha toa feno ny fepetra!
πHanaraka ny morontsiraka Avaratra Andrefana izy ka hanome rotsak'orana matevina amin'ny toerana manodidina ny ivony!
Rehefa mivoaka an-dranomasina izy dia hahazo hery indray ka ho hita eo ny ho fivoarany!
βFaritra boribory menamena: ny ivony amin'izao
π‘Faritra boribory mavomavo: faritra mety hitomboany hery indray ka arahi-maso manomboka eto!
πAleo mitandrina foana fa hitondra orambe ity faritra andro ratsy ity!
β οΈMiomana arak'izany ireto faritra ireto: DIANA, SAVA, ANALANJIRO, ATSINANANA, SOFIA, BETSIBOKA, BOENY ary MELAKY.
β
Zarao fa mety ahasoa ny hafa