Judicael

Judicael Film video

28/02/2025

Aza mba tratrany 🔪

🧒 mon garçon
06/05/2024

🧒 mon garçon

11/05/2022
07/05/2022
27/04/2022

Sipa kely iray no namily fiara nitondra ny rainy hamonjy raharaham-pianakaviana nefa tratran'ny ora-mikaja sy tafiotra ka nanontany ny rainy izy sao tokony hijanona kely aloha vao manohy ny dia nefa ny rainy tsy nanaika fa toizo ihany ny dia hoy izy.

Tonga aloha kely, feno rano ny lalana ary efa sahirana sady natahotra izy ka nanao hoe: hijanona aloha isika dada fa efa trop ity. Saingy tsy nanaika ny rainy fa nanao hoe toizo ny dia.

Efa mahita camion mibadika izy, ny olona tsy misy mandeha intsony fa miandry ny orana hijanona ary tsy mahita lalana tsara koa izy noho ny orana be loatra nefa ho fanekeny ny rainy dia nitohizany ihany ny diany. Afaka 2km, nanomboka calm, tsy misy orana sady masoandro be. "Afaka mijanona isika" hoy i Dadany.

Tezitra i kala nanao hoe:" Fa ahoana e, teo aho tsy navelanao hijanona ka efa aty @ lalana maina tsara aty koa ka hijanona "?

Mivoaha ka mitodia afara, (hoy ny rainy), ireny olona niaritra ny orana sy rivotra ireny dia mbola any izay izy ireo. Tsy nitsoaka isika ka tapitra sy lasa ao afaratsika ny kotroka sy oram-baratra nihatra tamintsika.

Raha mandalo fotoan-tsarotra ianao, tadidio mandrakariva. Eny fa na ny olona heverinao fa matanjaka aza mi abandonne na hitanao fa tsy tafavoaka, toizo hatrany ny ezaka hataonao fa afaka fotoana fohy dia hitsahatra ny fijalianao ary hiposaka aminao indray ny masoandro ka ho faly ianao hisitraka ny soa avy aminy ezaka vitanao.

Misaotra namaky🙏🙏

Address


Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Judicael posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Judicael:

  • Want your business to be the top-listed Media Company?

Share