Radio JM - Jeunesse Malagasy

Radio JM - Jeunesse Malagasy Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Radio JM - Jeunesse Malagasy, Radio Station, Cyber FANANTENANA Antanambao, Antalaha.

Fanabeazana • Vaovao • Kolontsaina • Asa • Fahasalamana • Fialamboly
Ny feo sy ny herin’ny tanora malagasy 🇲🇬
Éducation • Information • Culture • Travail • Santé • Divertissement
La voix et l’énergie de la jeunesse malagasy 🇲🇬

04/08/2026

Ity ary ny Ankamantatra ntsika iniany 4 AOÛT 2026
Inona ary izany ?
Maty izy dia ravoravo olo jiaby,...

Radio JM Jeunesse Malagasy ANTALAHA

📍 TSENA TALATA ANKOALABE – ANTALAHAIsaky ny Talata dia velona ny tsena ao Ankoalabe. Ahitana akanjo, fanaka, kojakoja is...
04/08/2026

📍 TSENA TALATA ANKOALABE – ANTALAHA
Isaky ny Talata dia velona ny tsena ao Ankoalabe. Ahitana akanjo, fanaka, kojakoja isan-karazany ary entana ilain'ny tokantrano amin'ny vidiny mirary. Toerana iray mampivondrona ny mpivarotra sy ny mpividy, ka mampihetsika ny toekarena eo an-toerana.
Tongava mitsidika, mifampizara tsiky ary manohana ny mpandraharaha eto an-toerana. 🛍️🇲🇬

04/08/2026
🔮 DIAMBITANA ANIO | Talata 04 Aogositra 2026 🔮Vonona hahafantatra izay vinavinain'ny kintana ho anao ve ianao androany? ...
04/08/2026

🔮 DIAMBITANA ANIO | Talata 04 Aogositra 2026 🔮
Vonona hahafantatra izay vinavinain'ny kintana ho anao ve ianao androany? ✨
Jereo ato ny Diambitana araka ny famantarana nahaterahanao, ka raiso izay tsara hanampy anao amin'ny fiainana andavanandro.
💡 Tsarovy fa vinavina ihany izy ity. Ny fahendrena, ny ezaka ary ny finoana no mamaritra ny hoavinao.
📻 Araho hatrany ny Radio JM – La Radio de la Jeunesse Malagasy ho an'ny vaovao, fandaharana ary votoaty mahaliana isan'andro.

🍲 HENAKISOA SY RONONO VOANIO 🥥Tsy mila mandeha lavitra vao mahita sakafo matsiro! Andramo ity Henakisoa sy Ronono Voanio...
04/08/2026

🍲 HENAKISOA SY RONONO VOANIO 🥥
Tsy mila mandeha lavitra vao mahita sakafo matsiro! Andramo ity Henakisoa sy Ronono Voanio ity, sakafo malagasy tsotra nefa feno tsiro sy hanitra. 😋
Araho ny akora sy ny fikarakarana, dia hahazo sakafo malefaka, mamy ary tena mampazoto homana miaraka amin'ny vary mafana.
👉 Efa nanandrana nanao azy ve ianao? Sa misy fomba fanaonao manokana? Zarao ao anaty commentaire! ❤️
📻 Radio JM 93.6 FM – La Radio de la Jeunesse Malagasy

🌧️ TOETRANDRO ANIO ETO ANTALAHA 🌧️Magnoragna ny andro eto Antalaha androany. Rakotra zavona ny tendrombohitra, milatsaka...
04/08/2026

🌧️ TOETRANDRO ANIO ETO ANTALAHA 🌧️
Magnoragna ny andro eto Antalaha androany. Rakotra zavona ny tendrombohitra, milatsaka ny orana, ary mangatsiatsiaka ny rivotra.
⚠️ Manentana antsika rehetra hitandrina rehefa mivoaka, indrindra ireo mpampiasa lalana sy ny tantsaha eny an-tsaha. Aza hadino ny mitondra elo na akanjo fiarovana amin'ny orana.
💚 Na dia eo aza ny orana, mbola hita taratra hatrany ny hakanton'i Antalaha, tanàna voahodidin'ny natiora maitso sy ny tendrombohitra.
📍 Antalaha – Faritra SAVA 📸 Radio JM Antalaha

📞 NUMÉROS DE SERVICE – ANTALAHA 🇲🇬Mety tsy ho fantatrao ny fotoana ilàna azy, fa rehefa misy hamehana dia sarobidy ny fa...
04/08/2026

📞 NUMÉROS DE SERVICE – ANTALAHA 🇲🇬
Mety tsy ho fantatrao ny fotoana ilàna azy, fa rehefa misy hamehana dia sarobidy ny fananana ireo laharana ilaina.
📌 Tehirizo ity sary ity ary zarao amin'ny havanao sy ny namanao mba hahafahan'ny rehetra mahazo ireo laharana mahasoa sy vonjy taitra eto Antalaha: 🚑 Ambulance • 🏥 Hôpital • 💊 Pharmacies • 🩺 Clinique • 💧 JIRAMA • 👮 Police • 🛡️ Gendarmerie.
🙏 Misaotra anao manohana hatrany ny Radio JM – Jeunesse Malagasy 93.6 FM.
📲 Like • Commentaire • Partage mba hahatratra olona maro kokoa ity fampahafantarana mahasoa ity.

🌿 AZOVY MAHAY AGNARAGNA ITY? 🤔Misy mahalala ve ny anaran'ity zava-maniry ity? Raha fantatrao dia soraty ao amin'ny comme...
04/08/2026

🌿 AZOVY MAHAY AGNARAGNA ITY? 🤔
Misy mahalala ve ny anaran'ity zava-maniry ity? Raha fantatrao dia soraty ao amin'ny commentaire ny anarany sy izay fampiasana azy raha misy.
🎯 Andao hiara-hizara fahalalana momba ny zavamaniry sy ny harena voajanahary eto amintsika.
💬 Valio ao amin'ny commentaire ary tag-o ilay namana heverinao fa mahay zavamaniry!

03/08/2026

Ity ary ny Ankamantatra ntsika iniany 03 AOÛT 2026,

Inona ary izany ?
Azovy tegna be toromaso amin'ny olo 2 ty, araiky na may tongotronazy mbola mandry, araiky ndreky agnaty rano tapaka aigninazy mbola mandry fao izy.

Radio JM Jeunesse Malagasy

Address

Cyber FANANTENANA Antanambao
Antalaha
206

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Radio JM - Jeunesse Malagasy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Category