30/09/2026
🇲🇬 Carolus : Bonjour la famille, j’espère que vous allez bien. Jiaby ! ❤️
Message kely fotsiny no tiako hambara mikasika ilay resaka hoe mbola misy karama tsy voaloa ho an’ny mpanazatra, ary misy koa ny frais de transport sy ny dépenses an’ireo joueurs izay mbola tsy voa-remboursé.
Bon, c’est normal ihany hoe nipoitra izao resaka izao satria tsy dia tsara ny résultats-tsika. Fa tsy tokony ho excuse ho an’ireo tompon’andraikitra sy ireo mikarakara ny Barea izany.
Tsy vao izao akory no nisy an’izany fa efa ela be. Noho izany, tsy tokony hataontsika excuse mihitsy izany. Eo ambony terrain ihany no tokony hitsarana antsika rehetra. Raha tsara ny résultats, tsy hisy hiresaka an’ireo olana ireo akory.
Fa variana amin’ny résultats tsara foana isika. Efa nandalovako izany, fa noho ny fitiavana tanindrazana dia aleo mangina foana, satria ny tena zava-dehibe amiko dia ny mitady vokatra tsara hatrany.
Afaka manontany an’ireo joueurs taloha teto aminareo, na ireo mpanazatra, ianareo. Efa nisy foana izany olana izany tamin’ny fotoana taloha.
Fa ny tiako hambara fotsiny dia hoe: misy ny resaka vola ary ilaina izany, fa tsy tokony hatao hoe fitiavana vola ny fitiavana ny Barea. Tsy izany mihitsy. Isika ao amin’ny Barea dia mitondra fitiavana sy rehareha, ary te hampifaly ny vahoaka malagasy.
Maro koa ireo joueurs mbola ao an-tanàna izay tia anareo sy maniry ny hahita ny Barea tafita sy hahomby.
Tsy manome tsiny an’iza na iza aho. À l’amiable ihany no tokony handaminana azy, ary azo atao foana ny remboursement, na dia tsy tout de suite aza.
Tsy hataoko lava ny resaka fa ho hitanareo eo foana ny tohiny ato ho ato.
Mirary soa hatrany. Alefa Barea ! 🇲🇬❤️
Tohizo fa mbola be ny lalana hiarahantsika! Barea tsy manaiky resy izany ! 🇲🇬🔥