17/08/2026
๐๐ผ๐๐ผ๐๐ผ๐๐ผ ๐๐ผ๐๐ผ๐๐๐๐๐๐๐ผ๐๐ผ ๐ผ๐๐ผ-๐๐๐ผ๐๐ผ๐๐ ๐๐๐๐ ๐ผ๐๐ฝ๐๐๐๐๐ผ๐๐ผ๐๐ผ.
๐Nanatanteraka fitsidihana teny anivonโny tokantranonโireo olona voakasiky ny fanapoizinana ara-tsakafo izay nitranga teny Ambohimalaza ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Ramatoa Fanirisoa ERNAIVO, nanolotra teny fampaherezana ho anโireo niharam-boina, sady nihaino mivantana ny fitarainana sy ny ahiahinโizy ireo.
๐นTeny Ambohimalaza, dia notsidihin- dRamatoa Minisitra tao an-tokantranony i Fitahiana, izay isanโireo niharam-boina ary vao avy nanaraka fitsaboana tany Inde. Fotoana ihany koa izay nahafahan- dRamatoa Minisitra nihaino ny toe-javatra iainanโireo niharam-boina sy ny fianakaviany taorianโity tranga ity. ๐นTaorianโizay dia nihaona taminโny ray aman-dreninโi Kael, iray aminโireo niharam-boina izay nindaosinโny fahafatesana, teny Alarobia ihany koa ny tenany.
๐ฉบAnkoatra ny olana ara-pahasalamana dia nitondra fahoriana lalina sy fikorontanana teo aminโny fiainanโireo fianakaviana voakasika ity tranga ity.
๐Nambaran-dRamatoa Minisitra kosa fa mitohy hatrany ny fanadihadiana, mba hahafantarana mazava ny zava-nitranga sy handraisana ny fepetra mifanaraka aminโizany
ยฉ๏ธmin justice