Zah Gasy Mg

Zah Gasy Mg Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Zah Gasy Mg, Digital creator, Antananarivo.

π“π’π˜ π‡πˆπ’π˜ 𝐍𝐘 β€œπ„π…π…πˆπ†πˆπ„β€ 𝐍𝐀 π’π€π‘π˜ πŽπ…πˆπ’πˆπ€π‹πˆπβ€™ππ˜ π…πˆπ‹πŽπ‡π€πβ€™ππ˜ π…π€ππ€π•π€πŽπ™π€ππ€ 𝐍𝐘 π‘π„ππŽππ‹πˆπŠπ€. Ao anatin’ny fanatanterahana ny Fanavaoz...
23/10/2025

π“π’π˜ π‡πˆπ’π˜ 𝐍𝐘 β€œπ„π…π…πˆπ†πˆπ„β€ 𝐍𝐀 π’π€π‘π˜ πŽπ…πˆπ’πˆπ€π‹πˆπβ€™ππ˜ π…πˆπ‹πŽπ‡π€πβ€™ππ˜ π…π€ππ€π•π€πŽπ™π€ππ€ 𝐍𝐘 π‘π„ππŽππ‹πˆπŠπ€.

Ao anatin’ny fanatanterahana ny Fanavaozana ny fitantanana ny firenena, dia manambara ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, Kolonely MichaΓ«l RANDRIANIRINA, fa 𝐭𝐬𝐲 𝐑𝐒𝐬𝐲 𝐬𝐚𝐫𝐒𝐧𝐲 𝐨𝐟𝐒𝐬𝐒𝐚π₯𝐲 𝐑𝐚𝐩𝐞𝐭𝐚𝐀𝐚 𝐞𝐧𝐲 πšπ¦π’π§β€™π’π«πžπ¨ π›π’π«πšπ¨π¦-𝐩𝐚𝐧𝐣𝐚𝐀𝐚𝐧𝐚.

Natao izany mba :
β€’ HialΓ na amin’ny kolontsaina fanandratana olon-tokana
β€’ Hampiharana ny politikan’ny fitsitsiana. Isan’ izany ny fahaizana mitsinjara sy mampiasa amin’ny tokony ho izy ny volam-panjakana.

Ity sary ity kosa dia entina maneho fa ny π…πšπ§π£πšπ€πšπ§πš 𝐝𝐒𝐚 𝐧𝐚𝐭𝐚𝐨 𝐑𝐚𝐧𝐨𝐦𝐩𝐨 𝐬𝐲 𝐑𝐒𝐚𝐬𝐚 𝐑𝐨 πšπ§β€™π§π² 𝐯𝐚𝐑𝐨𝐚𝐀𝐚. 𝐀𝐫𝐲 𝐚𝐧𝐝𝐫𝐲 𝐬𝐲 𝐚𝐒𝐧-ππžπ‘π’π›πž π’πšπ§π€π’π§πšπ§β€™π§π² 𝐟𝐒𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐧𝐨𝐫𝐚.

23/10/2025

𝗧𝗦𝗬 π—‘π—”π—žπ—”π—‘π—” π—›π—˜π—©π—œπ—§π—₯𝗔 π—§π—”π— π—œπ—‘π—”π—¬ 𝗑𝗬 FANENDRENA 𝗣π—₯π—”π—œπ— π—œπ—‘π—œπ—¦π—œπ—§π—₯𝗔 𝗩𝗔𝗒𝗩𝗔𝗒
Maro taminay solombavambahoaka no tsy nahay akory ny mahakasika ny fanendrena Praiminisitra vaovao. Tsy mety ny mifandingana toy izany. Isika rahateo efa samy resy lahatra hitondra fanovana.

πŸ“Ή Rajerison Antoine Ofisialy


πŸ”₯❗️Ny Vondrona parlementera IRMAR, no mbola manana ny maro an'isa ao amin'ny Antenimierampirenena amin'izao fotoana izao...
23/10/2025

πŸ”₯❗️Ny Vondrona parlementera IRMAR, no mbola manana ny maro an'isa ao amin'ny Antenimierampirenena amin'izao fotoana izao ary tsy rava hoy ny IRMAR ❗️πŸ”₯

FAMPAHAFANTARANA AVY AMIN'NY VONDRONA PARLAMENTERA IRMAR

♦️ Antananarivo, 21 Oktobra 2025 - Fanazavana momba ny fanendrena ny Praiminisitra, ny tsy fanarahana ny Andininy faha-54 ao amin'ny LalΓ m-panorenana, ary ny finiavana hiroso hatrany amin'ny fifampidinihana sy ny fifampihavanana.

♦️ Ny Vondrona parlementera IRMAR, izay mbola manana ny maro an'isa ao amin'ny Antenimierampirenena amin'izao fotoana izao, dia maniry hampahafantatra amin'ny vahoaka malagasy sy amin'ny fianakaviam-be iraisam-pirenena ny fanazavana manodidina ny fanendrena Praiminisitra vaovao.

✍️ Ny Andininy faha-54 ao amin'ny Lalam-panorenan'ny Repoblikani Madagasikara dia milaza

mazava fa:

"Ny Filohan'ny Repoblika no manendry ny Praiminisitra atolotry ny antoko na vondron'antoko manana ny maro anisa ao amin'ny Antenimierampirenena."

Noho izany, ny vondrona manana ny maro an'isa ihany no manan-jo ara-dalana hanolotra ny anaran'ny Praiminisitra.

1. Momba ny filazana fa tsy ny vondrona IRMAR intsony no maro an'isa ao amin'ny Antenimierampirenena

πŸ”₯❗️Niely ny filazana fa misy depiote sasantsasany avy amin'ny vondrona IRMAR no nametraka taratasy fialana, ka niteraka fiovana eo amin'ny fifandanjan-kery ao amin'ny Antenimierampirenena.

♦️ Kanefa, hatramin'izao, dia tsy mbola naharay taratasy fialana ofisialy, na dia iray aza, avy amin'ny depiote, ny Filohan'ny vondrona Parlemantera IRMAR.

♦️ Toy izany koa, ny Sekreteram-jeneralin'ny Antenimierampirenena dia tsy mbola naharay fampahafantarana ofisialy momba ny fialana depiote, tsy maha-mpikambana ao amin'ny vondrona IRMAR azy, eny fa na dia iray aza.

πŸ”΄ Noho izany, tsy mbola nisy fanovΓ’na ara-dalana na ofisialy nankatoavin'ny rafitra ara- parlementa, raha ny momba ny firafitry ny vondrona na ny toeran'ny maha-maro an'isa ny vondrona IRMAR.

πŸ”΄ Araka izany, ny vondrona IRMAR dia mbola manana ny toerany, ho vondrona manana ny maro an'isa, ahitana depiote 106, raha miisa 21 monja ireo depiote ao amin'ny vondrona FIRAISAKINA.

♦️ Ka raha ny kajy dia taratasy fialana ofisialy sy ara-dalana, ary tsy maintsy manaraka ny fitsipika, mihoatra ny 85 no tokony voarain'ny Filohan'ny vondrona IRMAR vao azo lazaina fa tsy maro an'isa intsony ny vondrona. Kanefa tsy mbola nisy izany hatramin'izao.

2. Momba ny tsy fanarahana ny lalΓ₯m-panorenana (Andininy faha-54)

♦️ Tsy nisy fifampidinihana na tolo-kevitra avy amin'ny vondrona IRMAR velively, izay vondrona maro an'isa ny fanendrena Praiminisitra izay natao roa andro lasa izay. Niniana tsy najaina ny fepetra takian'ny Andininy faha-54 ao amin'ny LalΓ’m-panorenana.

✍️ Izany dia fanitsakitsahana mazava ny Lalam-panorenana ka tsy maha-ara-dalana ilay fanendrena.

Tamin'ny fotoana nanolorana ny anaran'ny Praiminisitra, dia ny IRMAR no mbola manana, ary mbola manana hatramin'izao, ny maro anisa araka ny antontan-taratasy ofisialy ao amin'ny Antenimierampirenerna.

Noho izany, tsy misy vondrona hafa afaka milaza ho manana ny fahefana hanolotra ny anaran'ny Praiminisitra araka ny Andininy faha-54 ao amin'ny Lalam-panorenana izay mifehy ny lalana fototra iorenan'ny Fanjakana, sy ny fomba fiasan'ny rafim-panjakana.

3. Mikasika ny rafim-panjakana sy ny fitoniana eto amin'ny firenena

Ny vondrona IRMAR dia manamafy ny fitandrovany sy ny fanajāna ny LalÒm-panorenana ary ny fitoniana eto amin'ny firenena, satria tombontsoan'ny vahoaka manontolo izany.

Ny fanajana ny Andininy faha-54 dia tena fototra ara-demokratika, miantoka ny fitovian-kery eo amin'ny fahefana sy ny fahamarinan-toeran'ny Governemanta.

Ny fanendrena tsy manaraka ny Andininy faha-54 dia manimba ny fahamendrehan'ny Fanjakana ary manohintohina ny fahatokisan'ny Fianakaviam-be iraisam-pirenena amin'i Madagasikara.

Ary satria fiovana ara-politika tsy avy amin'ny fifidianana no misy amin'izao fotoana izao eto amin'ny firenentsika, izay rafitra mivoaka amin'ny LalΓ’m-panorenana dia, tsy azo hialana ny fifampiresahana sy fifanarahana politika eo amin'ny samy Malagasy, mba hihazonana ny fankatoavana iraisam-pirenena. Tsy afaka hiroso amin'ny fanarenana sy ny fampandrosoana i Madagasikara raha tsy misy ireo fanohanana sy fanampiana avy any ivelany.

4. Famaranana

Noho ireo fanazavana ireo ary, sy ho fitandrovana ny Fandriampahalemana sy ny Fitoniana ara- politika, izay fototra voalohany amin'ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy an'i Madagasikara:

Ny Vondrona parlementera IRMAR dia:

manamafy, fa izy irery ihany no mbola manana ny maro an'isa ara-dalΓ na ao amin'ny Antenimierampirenena amin'izao fotoana izao

manameloka ny tsy fanajana an-kitsirano ny Andininy faha-54 tamin'ny fanendrena ny Praiminisitra farany teo, ka mitaky ny famerenana izany amin'ny fomba izay araka ny lalana

miantso ny antoko sy vondrona politika rehetra tsy hampiasa ny lalana ho fandrahonana sy fampitahorana ara-politika, satria ny fanaovana izany dia mamotika ny rafim-pitondra ankehitriny sy ny fifampitokisana eto amin'ny firenena

mankahery sy manohana feno an'ireo depiote rahalahy sy anabavy IRMAR rehetra amin'izao fotoan-tsarotra izao, ary manentana azy ireo hiaro ny safidiny sy ny fahalalahany feno ho an'ny tombotsoan'ny tanindrazana

ary manentana indray ny mpanao politika, ireo rafitra ara-panjakana, ireo fikambanana ary ireo hery velona sy sivily rehetra hanome lanja ny fifampidinihana sy fifampihavanana mirindra sy feno fanajana ary hanome toerana ho an'ny Tanora izay mangetaheta fandrosoana, ao anatin'ny fanajana ny "Sotoavina Malagasy", sy ho famerenana ny Fanjakana tan-dalana manaja ny lalΓ m- panorenana, araka ny sitrapon'ny vahoaka malagasy.

Ny Vondrona parlementera IRMAR




π…π€ππ€πŒππ€π‘π€ππ€π‘³π’‚π’‘π’‚π’'π’Š π‘΄π’‚π’‰π’‚π’›π’π’‚π’“π’Šπ’—π’π‘­π’‚π’‰π’‚-21 π’π’Œπ’•π’π’ƒπ’“π’‚ 2025Ho fampiharana ny toromarika nomen'ny Filohan'ny fanavaozana ny Repobl...
21/10/2025

π…π€ππ€πŒππ€π‘π€ππ€

𝑳𝒂𝒑𝒂𝒏'π’Š π‘΄π’‚π’‰π’‚π’›π’π’‚π’“π’Šπ’—π’
𝑭𝒂𝒉𝒂-21 π’π’Œπ’•π’π’ƒπ’“π’‚ 2025

Ho fampiharana ny toromarika nomen'ny Filohan'ny fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, ny Kolonely RANDRIANIRINA MichaΓ«l, nandritra ny fianianana nataony manoloana ny Fitsarana Avo momba ny LalΓ mpanorenana, ny 17 oktobra 2025 lasa teo, dia tsy maintsy ho henjehina araka ny lalΓ₯na ireo fanetriben'ny firenena manodinkodina volam-panjakana na harem-pirenena. Tsy maintsy mamerina izany izay hananana porofo mazava na aiza na aiza toerana misy azy ireo, na eto an-tanindrazana na any ivelany. Izany dia tafiditra indrindra ao anatin'ny fampiharana ny antsoina hoe

17/10/2025

Fianianana Ataon'ny Filoha Vaovao

Manatanteraka fifidianana ho fanesorana amin’ny toerana ny Filohampirenena ireo solombavambahoaka ao amin'ny antenimiera...
14/10/2025

Manatanteraka fifidianana ho fanesorana amin’ny toerana ny Filohampirenena ireo solombavambahoaka ao amin'ny antenimieram-pirenena.

Noravan'i Rajoelina ny Antemieram-pirenena rehefa nandeha ny vote ho fanalana azy noho ny fandaozany ny andraikitra eto ...
14/10/2025

Noravan'i Rajoelina ny Antemieram-pirenena rehefa nandeha ny vote ho fanalana azy noho ny fandaozany ny andraikitra eto Madagasikara.

FANAMBARANA NATAON'NY MPIRAIMINISITRA
14/10/2025

FANAMBARANA NATAON'NY MPIRAIMINISITRA

14/10/2025

Ahoana hoy i Emmanuel Macron, Filoham-pirenena Frantsay mahakasika ny toe-draraha eto Madagasikara.

France Afrique MΓ©dia

12/10/2025

Hafatra ho an'ny filoha avy amin'i Razafitsifa Vonjy

Toy izao ny niafaran'ilay fiara blindΓ© nanaovan'ny vahoaka azy.
12/10/2025

Toy izao ny niafaran'ilay fiara blindΓ© nanaovan'ny vahoaka azy.

Fanambarana avy amin’ny Fiadidian'ny Repoblika
11/10/2025

Fanambarana avy amin’ny Fiadidian'ny Repoblika

Address

Antananarivo
101

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Zah Gasy Mg posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share