15/08/2024
◾ ALAKAMISY 15 AOGOSITRA 2024
💒🟩 an’i
⚜️🌟🌹MASINA MARIA VIRJINY NAMPIAKARINA ANY AN-DANITRA🌹🌟⚜️
🎼🎶Tononkira fidirana
📖Apôk. (12, 1)
✨Nisy famantarana lehibe niseho teny an-danitra : dia vehivavy nitafy masoandro ; ka ny volana no teo antongony, ary kintana roa ambin’ny folo no satro-boninahitra teny an-dohany.✨
✴️Asiana VONINAHITRA ANIE...
🙏Fangatahana :
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, nampiakarinao vatana sy fanahy ary nomenao voninahitra any an-danitra i Maria Virjiny tsy azon-keloka, Renin’ny Zanakao ; koa mihanta aminao izahay : atodiho mandrakariva amin’ny haren’ny lanitra ny sainay dia ho mendrika hiombom-boninahitra aminy izahay.
Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka Aminao ao amin'ny Fanahy Masina amin'ny taona rehetra mandrakizay. Amen.
🟢💥📖
📗
📖Boky Fanambaràna nosoratan’i Md. Joany Apôstôly
(Apôk. 11, 19a; 12, 1-6ab. 10ab)
❣️Nisy vehivavy nitafy masoandro ary ny volana no teo an-tongony.❣️
✨Novohaina ny Tempolin’Andriamanitra any an-danitra ka niseho teo anatin’ny Tempoliny ny fiaran’ny fanekena. Nony inona, nisy famantarana lehibe niseho teny an-danitra, dia Vehivavy anankiray nitafy masoandro, ny volana no teo an-ton-gony, kintana roa ambin’ny folo no satro-boninahitra teny an-dohany. Bevohòka izy sady nihetsi-jaza, ka nitaraina noho ny fanaintainam-piterahana. Ary nisy famantarana hafa koa niseho teny an-danitra, dia Dràgona mena lehibe anankiray nitranga tampoka, fito ny lohany, folo ny tandrony, ary satro-boninahitra fito no teny an-dohany. Nofinaokany tamin’ny rambony ny ampahatelon’ny kintan’ny lanitra ka nazerany tamin’ny tany. Dia nijoro teo anoloan-dravehivavy hiteraka izy, mba handrapaka ny Zanany, raha vao teraka. Tera-dahy Ravehivavy, ary io Zanany io no hifehy ny firenena rehetra amin’ny tsora-by, ka nakarina ho any amin’Andriamanitra eo anilan’ny