Vesatra sa Fanoitra Radio Oasis

Vesatra sa Fanoitra Radio Oasis Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Vesatra sa Fanoitra Radio Oasis, Radio Station, Antananarivo.

29/01/2026

Complexe d'infériorité na fahatsiarovan-tena ho ambany

Ao an-tokantrano no miseho ny tantara.
📻 Ndretsa, raim pianakaviana, 30 taona, manambady, manan-janaka mianadahy.
🎯Manana olana ara-pifandraisana amin'ny manodidina azy i Ndretsa. Any am-piasana, eo amin'ny fiaraha-monina, indrindra ao an tokantrano
🧩 Tsy be resaka loatra izy. Matetika no mivatravatra sy manao mahery izy rehefa miresaka amin-janany, tsy zatra maneho fitiavana amin'ny manodidina azy i Ndretsa
🧩Amin'ny ankapobeny, tsy mahavita andraikitra hatramin'ny farany izy nohon'ny tahotry ny tsy hahomby. Noho izay fahatahorana izay mihitsy no tsy handraisany andraikitra andrao voalatsa na dia tsy mbola nisy teo amin'izy mivady aza izany fandatsana izany.
🧩Raha misy tetikasa iarahan'izy mivady dia i ramatoa no tena miketrika sy manamasaka ary manatanteraka ny asa rehetra fa tsy mba namana hanohana na hanampy i Ndretsa.
🫱Vokany:
- Tsy to teny eo amin'ny vady aman-janany i Ndretsa,
- tsy misy miraharaha na mihaino ny heviny ao am-piasana
- tsy manao adidy eo amin'ny fianakaviany na ny fiaraha-monina izy na an-kafaliana na an-karatsiana
- tena mikaikona ara-pifandraisana i Ndretsa

🙂inona no antony mahatonga an'i Ndretsa hanana toe-tsaina miiba?
🙂 Lazao, ento ireo VESATRA iainan'i Ndretsa sy ny ankohonany
🤗Zarao ireo FANOITRA anampiantsika an'i Ndretsa hanana fijery miabo
📻😇 Inona no TOROHEVITRA AVY AMINAO raha te hiaina lavitry ny fanambanian-tena na complexe d'infériorité?
💡Complexe d'infériorité
👋 VESATRA SA FANOITRA
🗓️ALAHADY 01 FEBROARY 2026
⏰11H00 - 12H00
📻106.4FM 🎁

Address

Antananarivo
TANA101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Vesatra sa Fanoitra Radio Oasis posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Category