ACEEM Radio 103.4 FM

ACEEM Radio 103.4 FM Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from ACEEM Radio 103.4 FM, Radio Station, Faravohitra, Antananarivo.

17/12/2025

✨🎄 Feno tsiky sy fifaliana ny ankizy tao amin’ny EPP Bernard CANUT sy ny EPP Ampasandratsarahoby androany, nisitraka fizarana vatomamy 🍬😊. Ny Cours ACEEM Analakely izay tarihin'ny Bureau des Élèves na (BDE) no nanatanteraka ity hetsika ity ho fankalazana ny Krismasy 🎅🎉.
Modely ho an’ireo zandry ny fihetsika nataon’ireo mpianatra zokiny ireo, ary mbola fanombohana fotsiny izany, fa ny manetsa be mbola ho avy 🚀🎁.

16/12/2025

Nisy ny fizarana vatomamy ho an’ireo mpianatra miisa 180 ao amin’ny EPP Ankadivato androany maraina, hetsika nokarakarain’ny Cours ACEEM Analakely, tarihin’ny Bureau des Élèves (BDE), tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny Krismasy. 🎄🍬

Naneho fankasitrahana feno ho an’ny vondrom-panabeazana ACEEM ny talen’ny EPP Ankadivato, nanamarika fa fihetsika mampihetsi-po ny ankizy samy ankizy mifanolotra zavatra toy izao, ary mariky ny fifaliana sy firaisankina amin’izao akatokin’ny fety izao. ✨🎉

🚧🚍 Manao fitokonana ireo mpitondra fiara fitateram-bahoaka eny amin’ny lalam-pirenena faha-7, manoloana ny fitarainana m...
16/12/2025

🚧🚍 Manao fitokonana ireo mpitondra fiara fitateram-bahoaka eny amin’ny lalam-pirenena faha-7, manoloana ny fitarainana momba ireo mpanao « contre-visite » eo ambony tunnel Ambatofotsy, izay voalaza fa mitaky vola amin’izy ireo.
⚠️ Vokatr’izany, mitohana tanteraka ny fifamoivoizana, na ho an’ireo fiara avy any Antananarivo na ireo avy any Atsimo.

🖼️ Sary indrana

15/12/2025

Zava-dehibe ho an’ny Cours ACEEM ny fifanakalozana eo amin’ny tompon’andraikitra sy ny mpampianatra. Omaly dia nisy fivoriana niarahan’ny mpampianatra rehetra, notronin’ny filoha mpanorina ny vondrom-panabeazana ACEEM, nandinihana ireo lesoka tamin’ny telo volana voalohany sy hanatsarana ny fampianarana amin’ny taona ho avy. 🤝📚

Hiditra ao anatin’ny fialantsasatra ny mpianatra manomboka ny 21 desambra ary hiverina ny 05 janoary 2026. 🗓️✨

13/12/2025

📢 FLASH INFO – RN4 MAHITSY

Araka ny fitarainan’ireo mpamily, dia tapaka ny fifamoivoizana eo amin’ny PK 30+800 (tetezan’i Mahitsy), Fokontany/Kaominina Mahitsy, Distrika Ambohidratrimo, androany Sabotsy 13 Desambra nanomboka tamin’ny 2 ora tolakandro.

🚗❌ Maro ireo mpamily no mitaraina noho ny fikorontanan’ny fifamoivoizana sy ny tsy fahampian’ny famantarana mazava eny an-toerana, indrindra ho an’ny fivilian-dàlana (déviation).

🔧 Voalaza fa mifandraika amin’ny asa fametrahana tetezam-by “Bailey” no anton’izao fanapahana lalana izao.
🛣️ Misy fivilian-dàlana ho an’ny fiara madinika, fa tsy misy ho an’ny fiara vaventy.

⏰ Rahampitso Alahady no hiverina hisokatra ny lalana.

12/12/2025

📢 Araka ny fanambaràn’ny Ben’ny Tanàna Alasora, Jimmy Randrianarisoa, dia tsy mamoaka taratasy fahazoan-dalana hanototra tany ny eo anivon’ny Kaominina Alasora amin’izao fotoana izao.

🌧️ Tsy ao anatin’ny fotoam-pahavaratra no tokony hanatanterahana izany asa izany, ka mampitandrina ireo mbola minia manototra tsy ara-dalàna ny tenany.

11/12/2025

📢 Flash Info – Lozam-pifamoivoizana Tsarasaotra

📍 Androany maraina, nisy lozam-pifamoivoizana hafa indray teo Tsarasaotra. Fiara 4x4 V8 iray, izay nandeha mafy sy nisongona, no nandona fiara mpitatitra entana, ka latsaka tao anatin’ny tanimbary ilay fiara voadona.
🚑 Naratra mafy ny mpamily an’ilay fiara mpitatitra entana, ary mety hatahorana hatramin’ny ainy.

11/12/2025

🔴 FLASH INFO – ACEEM TV

📍 Tany mihotsaka no mitranga amin’izao fotoana izao eny amin’ny lalam-baovao Tsarasaotra, akaikin’ny sampanana mankany Ambodifasina.

⚠️ Tsy manakana ny fifamoivoizana ilay fihotsahan-tany, saingy mampanahy satria mety hitarika loza raha mbola mitohy ny orana.

📣 Antso avo ho an’ny tompon’andraikitra sy ny sampana teknika voakasik'izany mba handray fepetra haingana hisorohana loza.

10/12/2025

📌“Tokony hitandrina tsara ny mpanatrika ny Fikaonadoham-pirenena, sao zavatra efa vita indray no atolotra rehefa vita ny famaranana,” hoy i Pasteur Mailhol🗣️.

09/12/2025

🎄 Noelim-Pifaliana 2025 – IEF ACEEM Andravoahangy 🎄

"IEF ACEEM letsy ry akama a! Tsy fasika akory fa iray toa vato." 💪🪨

09/12/2025

🔥 MAY TRIPOLITSA ANALAKELY

Tokony tamin’ny 22:20 teo no nahitana firehetana tao amin’ny Tripolitsa Analakely, izay niainga teny amin’ny rihana faha-7. Mbola tsy fantatra mazava ny antony nahatonga azy, saingy voafehin’ny ekipan’ny pompier sy ny sécurité ny afo.

📷 Sary : Tahina Ratovoandrisoa

👉 Araho hatrany ny vaovao eto amin'ny ACEEM TV

08/12/2025

🍒 Fampahatsiahivana ho an’ny ray aman-dreny sy mpiambina.
Amin’izao fotoanan’ny letchi izao, mety hisy ankizy kendan'ny voana letchi, na ao an-trano na eny amin’ny fiarahamonina. Matetika, tsy haintsika avy hatrany ny fomba hamonjena azy rehefa sempotra. 🙂

🎥 Ity vidéo ity dia mampiseho ny teknika tokony hatao haingana mba hiarovana ny ainy.
💡 Zarao amin’ny ray aman-dreny sy mpiambina rehetra hahafantarany ny fepetra vonjy maika tokony raisina.

Address

Faravohitra
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when ACEEM Radio 103.4 FM posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category