15/06/2026
Tapitra sahady ve ny alahady ?
Be dia be nareo izao mieritreritra an'izany e ?
Tsy afaka akory ny arerahana dia iasa indray androany
Fa raha A.V ianao izao na Assistant Virtuel dia mety hoe :
- afaka mandamina ny fotoana iasanao
- miasa foana
- afaka matory kely indraindray
- na lundi rahampitso dia tsy mahataitra akory
- tsy misy lamba homanina ho an'ny herinandro indrindra isika vehivavy ( izaho aloha tamin'ny mbola salariée nanao an'izany e).
Eto izao aho dia efa manomana sahady ny programme rehetra amin'ny herinandro.
Eto izao izaho dia mi-programmer ny contenus rehetra amin'ny herinandro ity amin'izay tsy mila manoratra mandany fotoana intsony fa mandeh ho azy automatique ao ireo.
Eny, ny Assistant virtuel, ohatran'ny asa tena sy mpandraharaha rehetra dia possible hoe miasa ny Week-end sy ny jours fériés rehefa ilaina izany.
Afaka ihany koa tsy miasa ny andavan'andro rehefa ilaina izany.
Ianao ihany izany no heriny e
Miankina aminao io
Miankina amin'ny fotoana laninao ihany koa ny vola hiditra aminao ka mahaiza misafidy.