16/12/2022
[ Kaominina ambanivohitra Soavina, 16 desambra 2022 ]
Mitsidika ny Kaominina ambanivohitra Soavina, Distrikan'i BETAFO, Faritra VAKINANKARATRA, ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, Andriamatoa TOKELY Justin amin'izao fotoana izao. Nanolotra fiara "camion benne" ho an'ity Kaominina ity ny Minisitra, amin'ny anaran'ny Fitondram-panjakana, ary koa nanokatra ny tsenan'omby eto an-toerana.