15/09/2026
✨MISOKATRA NY VARAVARAM-PAHASOAVANA HO ANAO✨
✝️ ANTSO HO AMIN’NY FAMONJENA✝️
Angamba efa ela ianao no nitady fiadanana, fahafenoana, na fiandohana vaovao teo amin’ny fiainanao.
Nitady valiny tany amin’ny zavatra maro ianao.
Nitady fahasambarana tamin’ny fomba samihafa ianao.
Fa mety mbola misy fahabangana tsy voavaha ao am-ponao.
👉Mety tsy olona na zavatra no tena tadiavinao, fa Andriamanitra.
Ary anio, mbola miantso anao amim-pitiavana Izy miteny aminao hoe “Manatòna Ahy.”**
🌿Koa aza maika hamaky fotsiny. Avelao hiresaka amin’ny fonao ity hafatra ity.
👉Mety efa naheno ny anaran’i Jesoa imbetsaka ianao.
👉Mety efa nisy olona niresaka taminao momba Azy.
👉Mety efa nandeha tany am-piangonana ianao.
👉Mety efa mahay mivavaka aza ianao.
🟢Fa ny fanontaniana lehibe dia izao: efa tena an’i Jesoa ve ny fiainanao?
🔻Satria tsy ampy ny mahalala momba an’i Jesoa.
🔻Tsy ampy ny hoe Kristianina no iantsoana ny tena.
🔻Tsy ampy ny mandeha any am-piangonana.
🔻Tsy ampy ny manana Baiboly.
🔻Tsy ampy akory ny mahay andinin-tSoratra Masina.
♥️Mila manatona an’i Jesoa isika. Mila mibebaka. Mila mino Azy. Mila manaiky Azy ho Tompo sy Mpamonjy.
🌻Dia izy no mampahafantatra antsika ny lalana rehetra tokony alehantsika.
📖Hoy ny Baiboly:
>“Koa mibebaha ianareo ka miverena, mba hamonoana ny fahotanareo.”
> (Asan’ny Apostoly 3:19)
👉Ny fahotana no mampisaraka antsika amin’Andriamanitra.
👉Ary tsy afaka mamonjy ny tenantsika amin’ny herintsika isika.
🔻Tsy ny fahatsarantsika no mahavonjy antsika.
🔻Tsy ny asa soa ataontsika no mahavonjy antsika.
🔻Tsy ny fombafomba ara-pivavahana no mahavonjy antsika.
Fa i Jesoa Kristy irery ihany no Mpamonjy. ✝️
📖Hoy Izy:
>“Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.”
- (Jaona 14:6)
🔻Koa raha mbola lavitra Azy ianao, Aza miandry fotoana lavorary vao manatona.
🔻Raha mbola manana fahotana afenina ianao, aza mandositra Azy; manatòna Azy dia lazao Azy ny olana.
🔻Raha mbola mitondra vesatry ny lasa ianao, Apetraho eo Aminy izany.
Raha efa ela ianao no nilaza hoe “indray andro any aho hiverina amin’Andriamanitra”, dia aza ahemotra mandrakariva ilay andro.
👉Fa ataovy anio
🔹Tsy fantatsika izay hitranga rahampitso.
🔻Fa fantatsika kosa fa *misokatra anio ny varavaran’ny fahasoavana.*
♥️Jesoa tsy miantso anao ho tonga lavorary vao manatona Azy.
♥️Miantso anao Izy mba hanatona Azy, ary Izy no hanova anao.
Raha tsapanao ao am-ponao fa mila miverina Aminy ianao, dia aza avela handalo fotsiny izany antso izany.
🔹Mijanòna.
🔹Mibebaha.
🔹Minoa.
🔹Manatòna an’i Jesoa.
Ary atolory Aminy ny fiainanao.
📖“Fa raha manaiky an’i Jesosy ho Tompo amin’ny vavanao ianao, ary mino ao am-ponao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty, dia hovonjena ianao.”
> (Romana 10:9)
🙏 VAVAKA FANOLORAN-TENA 🙏
“Tompo Jesoa ô, fantatro fa mpanota aho ary tsy afaka mamonjy ny tenako.
Mibebaka amin’ny fahotako aho.
Mino Anao aho ary mino fa Ianao no Tompo sy Mpamonjy ahy. Mamindrà fo amiko, mamelà ny fahotako, ary raiso ny fiainako.
Ampianaro aho hanaraka Anao sy hiaina araka ny sitraponao. Manomboka androany, atolotro Anao ny fiainako. Amena.”🙏
Raha nivavaka izany tamin’ny fo sy tamin’ny finoana ianao, aza heverina ho teny nolazaina fotsiny izany.
👉Atombohy ny fiainam-baovao miaraka amin’i Kristy.
👉Mitadiava fiombonana amin’ny mpino.
👉Vakio ny Tenin’Andriamanitra.
👉Mivavaha.
👉Mibebaha rehefa lavo.
🌻Ary aza miverina amin’ny fiainana taloha intsony ka hanao tsinontsinona ny fahasoavana nomena anao.
🔻Fa ny tena fahasoavana lehibe indrindra dia tsy hoe *mahalala ny anarany*fotsiny.
Fa hoe:
VOAVONJY AO AMINY.❤️✝️
🙏 Ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra.*
✍️Pejy Randriamanantsoa
☝️Abonné ny page☝️