TV PLUS INFOS

TV PLUS INFOS Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from TV PLUS INFOS, Media/News Company, Lot VN 12 C Bis V Ankazolava Ivanja Ambohitsoa, Antananarivo.

19:30 : Ny Vaovao lehibe amin’ny fiteny malagasy
18h30: Le Journal en version française
19:30 : Fandaharana ady hevitra Dondresaka isaky ny alahady
✅Zakay arik'aro ny zoma faharoa sy fahaefatry ny volana
Fandaharana manokana aorian'ny vaovao lehibe

21/08/2026

LE JOURNAL LIVE DU 21 AOUT 2026 TV PLUS MADAGASCAR

TSY FANDRIAMPAHALEMANA - DISTRIKAN’I KANDREHO : Dahalo 10 lahy nanao fanafihana, lasa ny omby 40 isa, olona 02 mpiaro ny...
21/08/2026

TSY FANDRIAMPAHALEMANA - DISTRIKAN’I KANDREHO : Dahalo 10 lahy nanao fanafihana, lasa ny omby 40 isa, olona 02 mpiaro ny faritra arovana Kasijy nentin’ireo dahalo an-keriny.

Nitrangana fanafian-jiolahy mitam-piadiana omaly tamin'ny 05ora maraina tao amin'ny Fokontany Bemonto Ambarijeby Kely ato anatin'ny Distrikan'i Kandreho. Dahalo 10 lahy mitam-piadiana no nanafika ka omby 40 no lasan’ireo dahalo tamin'izany. Olona 02 mpiaro ny Faritra arovana Kasijy no noentin'ireo dahalo an-keriny.

Nanara-dia avy hatrany ireo fokonolona niaraka tamin'ny mpiray Dina ka raikitra ny fifanjevoana vokany mpana-radia 1 no voatifitra, potraka tsikelikely ireo omby nangalarina ka 12 ireo omby mbola eo tadiavina hatramin'izao.

Androany tamin’ny 09h30 maraina teo kosa no navotsotr'ireo dahalo ilay 02 lahy mpiaro ny Faritra arovana Kasijy.

Manolona izao fanafihana izao,nandray ny andraikiny avy hatrany ny eto anivon'ny Distrikan'i Kandreho ka nisy ny fanaovana Bouclage tao amin'ny Kaominina Ambanivohitra Ambaliha ary ny fandraisana an-tanana ny fampiakarana ny marary voatifitra sy ireo 02 lahy avotra taoriana ny fakana an-keriny azy ireo.

Amin'izao fotoana izao kosa dia efa miverina amin'ny laoniny ny filaminana any an-toerana ary mbola mitohy ny fanarahan-dia ataon'ireo fokonolona sy ny mpiray dina.

TSY FANDRIAMPAHALEMANA MAEVATANANA II : Zaza manana toe-tena varira 5 taona indray no nalain’ny jiolahy an-keriny.Zaza m...
21/08/2026

TSY FANDRIAMPAHALEMANA MAEVATANANA II : Zaza manana toe-tena varira 5 taona indray no nalain’ny jiolahy an-keriny.

Zaza manana toe-tena varira, 5 taona indray no nisy naka an-keriny tao amin'ny fokontany Bemarivo Atsinanana, kaominina Ambanivohitr' i Maevatanana II, Faritra Betsiboka alina tokony ho tamin’ny 12 alina. Io zaza io izay anisan’ny zaza efa nangatahan’ny filohan’ny fikambanana manana toe-tena varira eto Madagasikara ho tezaina.

Jiolahy miisa 10 mahery mitam-basy no niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano nisy an’io zaza io rehefa lavitra ny tanàna izy ireo vao nanapoaka basy ka nanaitra ny fokonolonq raha ny nambaran’ny Soja Fulgence, Filohan’ny fikambanana manana toe-tena varira eto Madagasikara.

Sambany no nisy fakana an-keriny teto Maevantanana izay ahian’ny filohan’ny fikambanana manana toe-tena varira misy hifandraisany amin’ny tranga tao Mampikony sy Marovoay ary ny fanafihana ny tranony tao Maevatanana.

15 ny tranga fakana an-keriny zaza varira tamin’ity taona ity ka ny 1 tamin’ireo ihany no hita velona.

Fitsapana hery ny mpitondra fanjakana ankehitriny ny ataon’ireo olon-dratsy hoy hatrany ity farany.

21/08/2026

ÉDITION DE 15H DU 21 AOUT 2026 BY TV PLUS MADAGASCAR

ZOMA 21 AOGOSITRA 2026 FANGATO-MANANJARY Lozam-pifamoivoizana : Fiara mpitatitra iray mampitohy an'i Mananjary sy Ambala...
21/08/2026

ZOMA 21 AOGOSITRA 2026 FANGATO-MANANJARY Lozam-pifamoivoizana : Fiara mpitatitra iray mampitohy an'i Mananjary sy Ambaladara (Farany Goudron) no nivadika teo an-dala-mahitsy hiditra ny tetezan'ny fangato Mananjary izao atoandro izao.

Manondidina ny 19 eo ny naratra.Tsy nisy ny aina nafoy hatreto fa efa manaraka fitsaboana eny amin'ny CHRR Mananjary ireo marary.

Vokatry ny fandehanana mafy no nahatonga ny loza raha ny fitantaran'ireo tra-doza.

21/08/2026

ÉDITION DE MIDI DU 21 AOUT 2026 BY TV PLUS MADAGASCAR

20/08/2026

NY VAOVAO LIVE DU 20 AOUT 2026 BY TV PLUS MADAGASCAR

20/08/2026

LE JOURNAL LIVE DU 20 AOUT 2026 TV PLUS MADAGASCAR

20/08/2026

ÉDITION DE 15H DU 20 AOUT 2026 BY TV PLUS MADAGASCAR

20/08/2026

ÉDITION DE MIDI DU 20 AOUT 2026 BY TV PLUS MADAGASCAR

Address

Lot VN 12 C Bis V Ankazolava Ivanja Ambohitsoa
Antananarivo

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when TV PLUS INFOS posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share