๐‘ญ๐’Š'๐’๐’๐’† ๐‘ด๐‘ซ๐‘ฎ

๐‘ญ๐’Š'๐’๐’๐’† ๐‘ด๐‘ซ๐‘ฎ Poรชte - Musique - Animation

NENINA Tsy anganongano na arirariraNa kajy tsy nanome mira Fa kajy tena nanome valiny marinaFo mitambatra ho iray tsy hi...
27/01/2025

NENINA

Tsy anganongano na arirarira
Na kajy tsy nanome mira
Fa kajy tena nanome valiny marina
Fo mitambatra ho iray tsy hifamarina

Dia tsy hoe nohenoina
Na koa notsakoina
Fa fitia nampanjakaina ao anaty
Dia ho fiarahana mandramaty

Nefa indrisy, toa vavan'ny te ahazo fotsiny ny anao
Fa rehefa nahita akanga tsara tarehy dia ninia nandao
Dia ninia nametraka rahona mainty nanarona ny tany
Dia ninia nametraka alahelo nahatonga tomany

Ka nigokany ny ngidin'ny fitiavana mangidy
Sy niaretany ireo ratram-po tsy voasafidy
Fa nisy tsotr'izao, dia nekeny mba hakana lesona
Eny na dia marary toy ny vatana voatsindrona lefona

Fa tsy maninona, fa ny fery tsy maintsy ho sitrana
Ary rehefa tsy anjara dia tsy maintsy misy vintana
Dia ny maratra koa tsy maintsy misy hikarakara
Dia mitso-drano fa ny nenina tsy aloha fa afara

FIHAVANANA ๐ŸคNy fifandrasana no tapakaFa ny fihavanana akory mbola tsy ravaDia tsy hoe ny vary no tsy masakaFa fotsiny ts...
19/07/2024

FIHAVANANA ๐Ÿค

Ny fifandrasana no tapaka
Fa ny fihavanana akory mbola tsy rava
Dia tsy hoe ny vary no tsy masaka
Fa fotsiny tsy noventesina ambava
(Ilay nitambarana)

Tena nisy vanim-potoana nampangina
Fa ianareo akory tsy adino sanatria
Tena nisy fotoana ianareo tsy novaliana
Fa tsy natao handravana ilay fitia
(Izay niarahana)

Fa manam-petra ny zava-drehetra
Fa ny fitiavana tsy ho levona
Isika koa tsy hivady tarigetra
Fa teny hoenti-miaina sy mivelona
(No hifampizarana)

Ao anaty Tononkalo sy hatsikana
Dia ao anaty hirahira sy mozika
Ao anaty toro-hevitra sy fizarana
Izay mahasoa sy tsara ho antsika

19/07/24
ZANANY

Salama e! ZERO ๐Ÿ™„Laninโ€™ny resadresadresaka tao ambadikinโ€™ny sekoly ny maraina  Ny telopolo minitra tokony hamintana fampi...
03/02/2024

Salama e!

ZERO ๐Ÿ™„

Laninโ€™ny resadresadresaka tao ambadikinโ€™ny sekoly ny maraina
Ny telopolo minitra tokony hamintana fampiasana ao am-pianarana
Dia lasa kamokamo sy malaindaina ary tsy mahazo aina
Fa mamy loatra mantsy ilay korana taninkeo, nefa ny ora mbola tsy nifarana

Laninโ€™ny resadresadresaka tery andalan-kely, ny hariva
Ny telopolo minitra tokony hanampiana anโ€™I Dada sy Neny
Hanao raharaha ao an-tokan-trano, tsy mody raha tsy hadiva
Ho maizina ny andro, namita fampiasana hoy ny valin-teny
(rehefa manontany dada: โ€œtaiza ianao anaka)

Nandea ny volana, fa ny fianarana nihen-danja tanteraka
Vita hatraminโ€™ny ningitrika, rehefa aminโ€™ilay taranja tsy tiana
Dia tsy laitra tenenina intsony, ny Ray aman-dReny kivy sy reraka
Ny aminโ€™ny fananarana, fa ianao mianatra be mokon-doha sy be famaliana

Tapitra ny taom-pianarana, nivaly ny vokam-panadinana
Ampitoniana no niandrasana ny jinja-vokatra
Horakoraka sy hafaliana ny anโ€™ireo mpifaninana
Fa ianao irery ihany no sisa tsy namokatra
( Zero )

"Teny ampita hoenti-miaina"
Zanany

Asiana j'aime ny page ๐Ÿ‘ ohOMEO TSIKY ๐Ÿ˜ ๐Ÿ˜ ๐Ÿ˜Tsy minitra vitsy vao vitaFa sary indray mipika Mamaritra ny endrikao ho diavo...
27/01/2024

Asiana j'aime ny page ๐Ÿ‘ oh

OMEO TSIKY ๐Ÿ˜ ๐Ÿ˜ ๐Ÿ˜

Tsy minitra vitsy vao vita
Fa sary indray mipika
Mamaritra ny endrikao ho diavolana
Ny Tsiky

Tsy varotra takalo
Fa hafaliana mandalo
Mampiaina ny tontolon'ny fientanam-po
Ny fitsikiana eo anivon'ny olon-droa

Tsy harena sarobidy toy ny volamena
Ka hotadiavina eny an-tsena, ny tsiky fa...
Fa fihetsika tsotra hanehoana hafaliana
Sy fihetsika mahomby handresena ny hakiviana

Koa omeo tsiky lahy, raha sendra misy azonao zaraina
Dia araho tsikitsiky izay rehetra lazaina
Fa ny tsiky mantsy... fanantajahan-tena ao anaty
Mamelona ny hozatra tsy ho faty

Omeo tsiky raha sendra mifanena eny an-dalana isika
Fa ny tsiky omenao ihany koa dia mahavita
Mampitombo ny andro iainana

"Teny ampita hoenti-miaina"
Zanany, le 09/01/24

Address

Antananarivo

Telephone

+261347599267

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when ๐‘ญ๐’Š'๐’๐’๐’† ๐‘ด๐‘ซ๐‘ฎ posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to ๐‘ญ๐’Š'๐’๐’๐’† ๐‘ด๐‘ซ๐‘ฎ:

Share