Parade de Manonga

Parade de Manonga ๐Ÿ”ดtsy fiainana ny fiainana raha tsy mandalo sedra,fa ny zava dehibe dia mahay miarina๐Ÿ”ด

Tsy hita izay ho ambara fa tena mampalaelo loatra. Aleo mitandrina foana amin'izay atao sy izay aleha rehetra
05/03/2026

Tsy hita izay ho ambara fa tena mampalaelo loatra.
Aleo mitandrina foana amin'izay atao sy izay aleha rehetra

22/02/2026

A mรฉditer ๐Ÿ™
60 taona aho Alary 33 taona ny zanako .
Mipetraka ao amin'ny tranoko izy , Mbola matory ao amin'ilay hefitrano nahalehibe azy , mampiasa an'ilay armoire Kely nomeko azy tamin'ny faha 10 taonany , mihinana ny sakafo andrahoiko isan'andro .
Tsy miasa izy , tsy mianatra , tsy midafy na inona na inona .
Matory maraina be foana izy taraiky vao mifoha , avy eo mamelona tรฉlรฉ na ordinateur dia eo ...dia toy izay foana ny isan'andro.
Lahitokako izy , maty tanora ny Rainy ka nihonona tamin'ny fisiany aho fa tsy nieritreritra ny hanambady intsony....voadiko tokana dia ny ampitovy azy amin'ny zanakin'ny olona ary hanao izay rehetra hasambatra azy ...saingy indrisy๐Ÿ’”

Rehefa tsy manome sakafo maraina azy aho dia mahavita tsy mihinana izy , rehefa tsy manasa ny akanjony aho dia avelany miparitaka erakin'ny trano sy ny seza eny mandrapaha tsy misy hisoloiny intsony.
Fa tsy izao foana akory ny zava-drehetra , fa nisy fiandohany tsikelikely izany , ary izaho no anisan'ny nahatonga sy namela izao rehetra izao hitranga๐Ÿ˜”.
Tamin'izy mbola Kely tsy navelako hanao zavatra irery izany mihitsy izy, izaho foana no nanamboatra ny lacรฉ - kirarony mandrapaha 12 taonany satria ela loatra izy nanao izany.
Izaho matetika ny manao ny enti-modiny mba tsy ho Kivy na sahirana izy , raha misy olana amin'ny mpampianatra izy dia izaho foana no makany am-pianarany miresaka ary miaro azy amin'izay zava-misy eo.
Rehefa miady amin'ny namany izy dia tonga foana aho miaro azy.
Hoy foana aho tamin'izany hoe :
"Mafy izany tsy misy Ray ka ataoko n'y fomba rehetra hiarovana azy Sy tsy hampalahelo azy intsony "

Tsy navelako hiaina fahasahiranana mihitsy izy ...

Tรฉo amin'ny faha 18 taonany izy no afaka bacc , tsy hitany hono izay filiรจre Sy fianarana hianarana .
Niteny azy moa aho tamin'izay no tsy hiasa saina be ny amin'izany fa nasaiko naka fotoana malalaka izy ka najanoko heritaona mba handinihany tsara n'y tokony ho ataony...saingy Iny heritaona Iny nivadika ho telo taona.
Ary tamin'io fotoana Io tsy niteny azy mihitsy ny mba hitady Sy andeha hiasa Aho , rehefa Mila vola izy Dia mangataka aty amiko , rehefa Sendra mivoaka miaraka amin'ny namany izy Dia omeko vola amin'ny fandaniana ataony any.
Rehefa hitako niasa ny cousin -ny mitovy taona aminy , Dia izao fotsiny n'y tao an-tsaiko hoe samy manana ny fotoanany ny olona rehetra ..ho avy eo foana ny azy.
Tรฉo amin'ny faha 25 taonany izy no nanomboka nianatra momban'ny teknika , efa-bolana no vitany , Dia nilaza tamiko izy fa mafy loatra taminy ny Ora fianarana tsy misy fangalan'aina , ka izaho mihitsy no nakany amin'ny fianarany tamin'io nanala azy tany satria hitako tena reraka izy๐Ÿ˜ฃ.
Noteneniko izy ny hitady zavatra Tiany Sy mampazoto azy ...saingy tsy mba nitady mihitsy izy.
Tรฉo amin'ny faha 30 taonany izy no nisy rahavavin-dRainy izay nampiditra azy niasa tao amin'ny orinasa niasany , roa herinandro fotsiny no vitany Dia nitaraina tamiko izy fa mafy be aminy Ilay manenjika Ora vao maraina Sy Ilay asa ,...
Niverina nody tao an-trano izy Sady niteny tamiko fa tsy mety aminy Ilay rotoroto be..
Dia noraisiko am-pitiavana toy ireny avy tany amin'ny tany an'ady ireny izy ,nokarakaraiko Ilay sakafo tena Tiany Ary nolazaiko taminy fa Mbola ho avy ny andro ahitanao asa tena tianao.
Saingy tsy nisy izany....

Ankehitriny , toy ny mahazatra hatrany ny fahazarany , matory amin'ny 2 Na amin'ny 3ora maraina izy fa mijery vidรฉo anaty Facebook Sy tiktok ao , Ary tsy mifoha izy raha tsy atoandro mihitsy .
Mifoha izy Dia makany an-dakozia Ary manontany ahy ny sakafo Sy ny laoka atoandro .
Mba rehefa maniraka Kely azy hanao zavatra Kely Aho , "avy eo" foana hoy izy .
Rehefa mba miteny azy Aho ny hitady asa amin'izay Dia tezitra izy Sady milaza fa mandondona be azy Aho.
Miteny azy matetika Aho fa tsy manana hery be toy ny taloha intsony Ary marary lamosina matetika ,sady lasa mora reraka .
Dia hoy fotsiny izy hoe Aleo maka mpanampy hanampy ahy amin'ny raharaha ao an-trano ..ny tsy fantany fa na ny asa aza efa Kely ny karamako Mila tsy aharaka ny fandaninay intsony.
Roa volana lasa izay niakatra tampoka ny tosi-drร -ko , ka tsy afaka nanao Na inona na inona Aho fa Tรฉo am-pandriana foana nandritran'ny telo andro.
Noheveriko fa nahatonga saina azy izany , fa tamin'ny andro voalohany ni-commande sakafo tany ivelany izy , ny andro faharoa navelany tรฉo amin'ny labatatra tรฉo fotsiny ny vilia avy nihinanany , tamin'ny andro fahatelo , nanontaniany aho hoe oviana vao hitsangana amin'izay fa tsy manana akanjo madio ho anaovana intsony izy๐Ÿ’”

Tamin'io andro Io vao tsapako fa tsy mahay miaina izy raha tsy misy mikarakara.
Ary Io mpikarakara azy io Dia tsy Iza fa izaho...efa nanana olon-tiana ihany izy taloha vehivavy telo angamba no nifandimby fa tsy nisy tamana taminy, fiarahana amam-bolana Dia misaraka , tsy aiko hoe nahoana ??
Ny rahavaviko mpiray tampo amiko milaza ahy ny handroka azy mba hananany fahaleovan-tena Kely , satria efa lehilahy lehibe izy .
Fa rehefa matory izy Sendra izaho miditra ny efitranony Iny Dia hitako Ilay endriny toy Ilay izy tamin'ny Mbola 5 taona foana izany ny fieritreretako azy ...mandeha mafy loatra Ilay fotoana ,๐Ÿ˜”...izaho mihitsy no nitazona azy tamin'io taonany Io.
Tsy nanomana azy tamin'izao fiainana izao Aho.
Fa niaro azy foana mba tsy haratra mihitsy ...saingy diso aho.
Ankehitriny tsy mahafantatra na inona na inona hafa tsy izaho izy๐Ÿ’”

Ampio Aho fa tsy hitako intsony izay atao...ekeko raisiko ho ahy ny fahadisoana....
Hafatra Kely fotsiny Ry Reny
๐ŸŒŸEkeko manana fon-dReny isika , fa aza diso ampiantaina loatra n'y zanaka, fa lasa tsy havita andeha irery izy vao tatanana foana ....anefa enao tsy votery ho eo foana.
Rano raraka tsy azo raofina intsony ny ahy Ary tsy tiko ho toa izao mahazo ahy izao ny ahazo anao ...๐Ÿ˜”
Misaotra namaky ๐Ÿ™

โ–ช๏ธโ–ช๏ธโ–ช๏ธโ–ช๏ธโ–ช๏ธโ–ช๏ธโ–ช๏ธโ–ช๏ธโ–ช๏ธโ–ช๏ธโ–ช๏ธโ–ช๏ธโ–ช๏ธ

Indrana.....

Cliquez-ici,raha te hanao poopo live ianao
22/02/2026

Cliquez-ici,raha te hanao poopo live ianao

Tiko ianao ry ampoule ๐Ÿ˜โฃ๏ธ๐Ÿ˜…
18/02/2026

Tiko ianao ry ampoule ๐Ÿ˜โฃ๏ธ๐Ÿ˜…

Un grand merci ร  Manonga Miabo, Nan Tenaina, Maman Sarobidy, รƒrisoรฃ Rz, Cath รah, Nomenjanahary Faniry, Christinah Jean,...
18/02/2026

Un grand merci ร  Manonga Miabo, Nan Tenaina, Maman Sarobidy, รƒrisoรฃ Rz, Cath รah, Nomenjanahary Faniry, Christinah Jean, Maman'i Thรฏas, Toofs Mamy Be, Judith Ravelotiavina, Fitia Aitif, Ta Jine, Mi Rindrรข, Fiononana Randrianaivo, Fitiavanafitiavana Fitia, Tahiana Andriatsilavina, Tiankavana Romeric John Brightman, Andriamiarisoa Harena, Tsanta Harinala, Voahangy Daoroson, Tania Dhonnason, Rntm Nenin'i Mayah, Lova Soaviniavo, Valisoa Rakotondrazanany, Kรฟah Rojo, Veromalala Rakotondraoelina, Boky Pdf Rehetra, Mbolatiana Daryna, Farida Soa, Anjara Fitahiana, Fehizoro Mevasoa, Kiala Sariaka, Mino Harisoa, Erica Nรฝ, El Flavien Andriamihaja, Tsirilalaina Ricah

pour tout votre soutien ! Fรฉlicitations, vous รชtes des super fans en sรฉrie ๐Ÿ”ฅ !

Asin-tsika arrivage Kely  vรฉ!? Elaela isika tsy nihaona zay
18/02/2026

Asin-tsika arrivage Kely vรฉ!? Elaela isika tsy nihaona zay

Mahaiza mitsako tsara sao kenda.Tsinjovy tsara ny ho avy
17/02/2026

Mahaiza mitsako tsara sao kenda.
Tsinjovy tsara ny ho avy

24/01/2026

Porofom pitiavana ๐Ÿ˜‚

06/01/2026

๐Ÿ”ดBetsaka ny aretina mimparitaka amin izao fotoana izao๐Ÿ”ด
โŒgripa๐Ÿ˜“
โŒtazo๐Ÿ˜“
โŒareti kibo๐Ÿ˜“
โŒareti tenda๐Ÿ˜“
โŒnendran drajako๐Ÿ˜“
โŒsns
๐Ÿ”ดAMPIO NY HERY FIAROVANA,MIRARY SOA DAHOLO๐Ÿ”ด

๐Ÿšจ๐…๐€๐๐€๐Œ๐๐€๐‘๐€๐๐€ ๐Ž๐…๐ˆ๐’๐ˆ๐€๐‹๐˜๐๐ฒ ๐Œ๐ข๐ง๐ข๐ฌ๐ข๐ญ๐ž๐ซ๐š๐งโ€™๐ง๐ฒ ๐…๐š๐ก๐š๐ฌ๐š๐ฅ๐š๐ฆ๐š๐ฆ-๐›๐š๐ก๐จ๐š๐ค๐š  ๐๐ข๐š ๐ฆ๐š๐ง๐š๐ฆ๐›๐š๐ซ๐š ๐š๐ฆ๐ข๐งโ€™๐ง๐ฒ ๐Ÿ๐จ๐ฆ๐›๐š ๐จ๐ข๐ฌ๐ข๐š๐ฅ๐ฒ ๐Ÿ๐š ๐ง๐š๐ก๐ข๐ญ๐š๐ง๐š ๐ญ๐ซ๐š๐ง๐ ๐š๐ง๐š  ๐๐ž...
30/12/2025

๐Ÿšจ๐…๐€๐๐€๐Œ๐๐€๐‘๐€๐๐€ ๐Ž๐…๐ˆ๐’๐ˆ๐€๐‹๐˜

๐๐ฒ ๐Œ๐ข๐ง๐ข๐ฌ๐ข๐ญ๐ž๐ซ๐š๐งโ€™๐ง๐ฒ ๐…๐š๐ก๐š๐ฌ๐š๐ฅ๐š๐ฆ๐š๐ฆ-๐›๐š๐ก๐จ๐š๐ค๐š ๐๐ข๐š ๐ฆ๐š๐ง๐š๐ฆ๐›๐š๐ซ๐š ๐š๐ฆ๐ข๐งโ€™๐ง๐ฒ ๐Ÿ๐จ๐ฆ๐›๐š ๐จ๐ข๐ฌ๐ข๐š๐ฅ๐ฒ ๐Ÿ๐š ๐ง๐š๐ก๐ข๐ญ๐š๐ง๐š ๐ญ๐ซ๐š๐ง๐ ๐š๐ง๐š ๐๐ž๐ง๐๐ซ๐š๐ง-๐๐ซ๐š๐ฃ๐š๐ค๐จ ๐ง๐š ๐Œ๐ฉ๐จ๐ฑ ๐ฆ๐ข๐ข๐ฌ๐š ๐๐ข๐ฆ๐ฒ (๐Ÿ“) ๐ž๐ญ๐จ ๐Œ๐š๐๐š๐ ๐š๐ฌ๐ข๐ค๐š๐ซ๐š, ๐š๐ซ๐š๐ค๐š ๐ง๐ฒ ๐ฏ๐š๐ฅ๐ข๐งโ€™๐ง๐ฒ ๐Ÿ๐ข๐ญ๐ข๐ฅ๐ข๐š๐ง๐š ๐ง๐š๐ญ๐š๐จ๐งโ€™๐ง๐ฒ ๐‹๐š๐›๐จ๐ซ๐š๐ญ๐จ๐š๐ซ๐š ๐‹๐€๐Ÿ๐Œ ๐ฌ๐ฒ ๐ง๐ฒ ๐ˆ๐ง๐ฌ๐ญ๐ข๐ญ๐ฎ๐ญ ๐๐š๐ฌ๐ญ๐ž๐ฎ๐ซ ๐๐ž ๐Œ๐š๐๐š๐ ๐š๐ฌ๐œ๐š๐ซ, ๐ง๐ฒ ๐Ÿ๐Ÿ— ๐ƒ๐ž๐ฌ๐š๐ฆ๐›๐ซ๐š ๐Ÿ๐ŸŽ๐Ÿ๐Ÿ“. ๐“๐ซ๐š๐ง๐ ๐š ๐ก๐ข๐ญ๐š ๐š๐จ ๐š๐ฆ๐ข๐งโ€™๐ง๐ฒ ๐…๐จ๐ค๐จ๐ง๐ญ๐š๐ง๐ฒ ๐€๐ฆ๐›๐จ๐ฏ๐จ๐š๐ฅ๐š๐ง๐š๐ง๐š, ๐ƒ๐ข๐ฌ๐ญ๐ซ๐ข๐ค๐š๐งโ€™๐ข ๐Œ๐š๐ก๐š๐ฃ๐š๐ง๐ ๐š ๐ˆ, ๐…๐š๐ซ๐ข๐ญ๐ซ๐š ๐๐จ๐ž๐ง๐ฒ.

๐Œ๐จ๐ฆ๐›๐š ๐ง๐ฒ ๐Ÿ๐ž๐ฉ๐ž๐ญ๐ซ๐š ๐ซ๐š๐ข๐ฌ๐ข๐งโ€™๐ง๐ฒ ๐…๐ข๐ญ๐จ๐ง๐๐ซ๐š๐ฆ-๐ฉ๐š๐ง๐ฃ๐š๐ค๐š๐ง๐š

๐„๐จ ๐š๐ฆ๐ข๐งโ€™๐ง๐ฒ ๐ฌ๐ž๐ก๐š๐ญ๐ซ๐š ๐ง๐š๐ฌ๐ข๐จ๐ง๐š๐ฅ๐ฒ :

โ€ข Nahetsika ny ekipanโ€™ny Ministeranโ€™ny Fahasalamam-bahoaka hanavao ny ยซ Plan National de Contingence ยป hiatrehana ny MPox.
โ€ข Nisy ny Famolavolana sy fanatanterahana ยซ Plan de riposte ยปmanoloana ny tranga.
โ€ข Fametrahana ekipa mpandrindra hiantoka ny fitantanana sy ny fanaraha-maso ny asa rehetra.

๐€๐ง๐ฒ ๐š๐ฆ๐ข๐งโ€™๐ง๐ฒ ๐Ÿ๐š๐ซ๐ข๐ญ๐ซ๐š โ€“ ๐Œ๐š๐ก๐š๐ฃ๐š๐ง๐ ๐š :

โ€ข Fananganana ny Ivontoerana Fandraisana andraikitra vonjy taitra ara-pahasalamam-bahoaka (COUSP โ€“ Centre Opรฉrationnel dโ€™Urgence en Santรฉ Publique).
โ€ข Fanatanterahana fikarohana mavitrika ireo tranga mety misy.
โ€ข Fanokanana (isolement) ireo marary aminโ€™ny toerana manokana.
โ€ข Fitsaboana sy fikarakarana ireo marary voamarina.
โ€ข Fanamafisana ny fanaraha-maso eny aminโ€™ny vavahady fidirana (Seranam-piaramanidina, Seranan-tsambo, Gara) ary eny anivonโ€™ny fiarahamonina.

โžก๏ธHisy fidinana ifotony (descente) sy fanarahamaso manokana hatao ao Ambovoalalana, hiantohana ny fifehezana ny toe-draharaha.

โžก๏ธMivory isanโ€™andro ny ekipa teknika, manao rรฉunion dโ€™urgence isanโ€™andro aminโ€™ny 15 ora, handrindrana sy hanamafisana ny fepetra raisina.

โžก๏ธHivoaka isanโ€™andro ny tatitra sy fanazavana ofisialy, mba hamp

15/12/2025

Address

Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Parade de Manonga posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share