Mizara an'i Jesoa amin'ny alalan'ny teknolojia

Mizara an'i Jesoa amin'ny alalan'ny teknolojia Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Mizara an'i Jesoa amin'ny alalan'ny teknolojia, Media, Ampandrana, Antananarivo.

02/07/2023

Manasa anareo mpanaraka ny pejy mba hijery ity tantara mitohy ity fa tena tsara.😍😍😍

Anio amin'ny 08ora alina ao amin'ny TVM.

03/06/2023

Atolory an'Andriamanitra ny fiainanao fa Izy no mahay mikarakara azy noho ianao.

Mbola hiandry Anao aho,Hiandry am-paharetana ny valimbavaka sahaza hasetrinao ny faniriako,Hiandry am-pahatokiana ny fiz...
02/04/2023

Mbola hiandry Anao aho,

Hiandry am-paharetana ny valimbavaka sahaza hasetrinao ny faniriako,

Hiandry am-pahatokiana ny fizahan-toetra halahatrao ho fitaizana ahy,

Hiandry am-pahavononana ny dingana sy lalana tianao mbola holalovako mba hahatakarako kokoa sy hanahafako kokoa Anao,

Hiandry am-pinoana ny zavatra tianao hongotana sy tianao hajanona ary tianao hapetraka eo amin'ny fiainako mba hamoazako voa mendrika Anao,

Hiandry am-pahatoniana ny fandrodananao ny avonavom-poko sy fiheverako tena ho zavatra,

Hiandry am-pitsikiana ny fitondranao mahagaga sy ny fandaharanao feno fahendrena ny amin'ny androko sisa mbola hoavy,

Hiandry am-panantenana ny fanaovazanao ny saiko sy ny fandrantsananao ny hadalako,

Mbola hiandry Anao aho amin'ny taona hoavy sy ireo taona mifandimby. Fa izay miandry Anao dia mandroso hery eny am-panidinana: mihazakazaka fa tsy sasatra ary mandeha fa tsy reraka. Hiandry Anao aho fa izay miandry Anao dia tsy diso fanantenana na oviana. Hiandry Anao aho fa tanana mahery sy sandry maninjitra no efa nitondranao ahy hatrizay ary inoako fa mbola hanao mihoatra noho izay takatry ny saiko kely Ianao... Ianao ilay namiravira ihany no tsy maintsy hamehy ny feriko, Ianao ilay manome ihany no maka, Ianao ilay mandrodana koa no manamboatra ary manao ny zavatra rehetra hahatsara ahy!

Hiandry Anao ry Ilay Jesosiko iny,
Hiandry am-pifaliana ny fihaonantsika!
©️ Enintsoa

🥺
02/03/2023

🥺

MANGETAHETA AN'ANDRIAMANITRA 😌

Salamo 63:1 "ANDRIAMANITRA ô, Andriamanitro Ianao, mitady Anao fatratra aho, mangetaheta Anao ny fanahiko, maniry Anao ny nofoko."

> Andriamanitra mitady olona tena mangetaheta Azy, tena mila Azy fatratra ho tahiany sy ho asiany soa.

Vavaka => "Andriamanitra ô, mihoatra noho izay takatry ny saiko, tena mangetaheta Anao aho, tena mila anao ny fanahiki, fenoy Anao aho. AMEN."

Jesoa iaradalana amintsika hatrany.Mijery manokana ireo mpanompo mametraka fitokisana aminy Izy.Izaho hilaza an'i Jehova...
31/12/2022

Jesoa iaradalana amintsika hatrany.
Mijery manokana ireo mpanompo mametraka fitokisana aminy Izy.

Izaho hilaza an'i Jehovah hoe: Fialofako sy batery fiarovana ho ahy Izy Ary Andriamanitro, Izay hitokiako. — Salamo 91 : 2

16/12/2022

Aza mitsiriritra ny fahombizan'ny hafa fa mety tsy ho zakanao ny fisedrana efa nolalovany.

Efa vonona hiatrika ady ve ianao?💪💪1⃣Ahoana n toetsaina hoentina miatrika izany.Ity teboka voalohany ity no tena tokony ...
14/12/2022

Efa vonona hiatrika ady ve ianao?💪💪

1⃣Ahoana n toetsaina hoentina miatrika izany.
Ity teboka voalohany ity no tena tokony ampiavaka ny kristiana amin'ny olon-tsotra.
Tsy hoe rehefa nanao ny sitrapon'Andriamanitra dia misosa tsy misy "obstacle" ny fiainana. Misy mantsy ny olona sasany rehefa tojo olana dia ny tonga ao antsainy hoe: fa inona no ratsy vitako tami'Andriamanitra?(tsara izany raha hoe fandinihan-tena fa tsy fanomezan-tsiny).
Joba raha niatrika olana tsy nanome tsiny an'Andriamanitra izany fa nanana fanantenana tao anatiny.
Raha matoky an'i Jesoa arahintsika isika dia mahazo antoka fa mpandresy toa Azy. (Jao16:33)
Sahintsika ny miteny hoe:"vitako(resiko) io satria zah manana an'i Jesoa. "

2⃣Ahoana ny fomba andresena ny fahavalo?
Aza mandrombaka ny asa tokony ho an'Andriamanitra. "Jehovah hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina. "Eksodosy14:14
Tsy asatsika ny manova olona na ny zava-misy fa an'Andriamanitra. Mitana andraikitra goavana anefa isika amin'ny alalan'ny vavaka.
Raha mandeha araka ny fanahy isika dia ny Fanahy Masina no mitarika antsika ho amin'izay fangatahana araka ny sitrapon'ny Ray.
Fahatokisana sy finoana no takiana amintsika.

3⃣Iza no fahavalontsika?
Isika rehetra izao dia samy fitaovana avokoa: na ianao fitaovana eo ampelatanan'Andriamanitra na ianao fitaovana eo ampelatanan'i satana.
Tsy vitsy ny olona mifandrafy; ny mampalahelo aza indraindray dia ny kristiana mirafy amin'ny namany.
Fantaro ilay tena fahavalo(ilay mitady hanimba ny fifandraisanao amin'ny hafa, ilay mitady hanimba ny fifandraisanao amin'Andriamanitra, ilay mitady handrombaka ny fifaliana ao anatinao, ilay mitady handrombaka ny fiadanana efa natolotry ny Tompo ho anao)
"Fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-drà, fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao, dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra. "Efe6:12
Raha fanahy ratsy ny fahavalo dia avelao anaovan'Andriamanitra azy. Asandrato ny vavaka sy ny hira fideràna. "La prière est la seul arme qui ne rate jamais sa cible. "War room
Raha mifantoka amin'Andriamanitra isika dia tena ho mpandresy tokoa.
Eny fa na dia sendran'ny fahafatesana aza isika dia mbola hiteny amintsika ny Tompo raha tonga ilay andro iray hoe: "Anaka mifohaza. "😍😍😍

Any ho anyAny ho any misy olona mitalaho mafy amin'Andriamanitra mba ahita sakafo ohanina.Fa any ho any koa misy misafid...
03/12/2022

Any ho any

Any ho any misy olona mitalaho mafy amin'Andriamanitra mba ahita sakafo ohanina.

Fa any ho any koa misy misafidy ny tsy hitia izay anjara sakafo atolotra azy.

Any ho any misy mandohalika an_dranomaso maniry ny ho salama...

Any koa misy maniry ny ahita asa fivelomana.
Io asa mankaleo anao io mihintsy aza no tena iriany.

Any am_ponja any mety misy olona miandrandra fahafahana...

Te ampahatsiaro anao fotsiny aho hoe maro ny olona maniry te ho eo amin'io toerana misy anao io.
Fanomezana sarobidy avy amin'Andriamanitra ny fahasalamana, ny asa, ny fotoana, ny namana, ny fianakaviana,...

Mahaiza manararaotra.

Aza kely fijery amin'ny be ananana fa mijaly be amin'ny kely tsy ananana.

"Mifalia mandrakariva ao amin'ny Tompo, hoy izaho indray, mifalia". Filipiana 4:4

Sary fanehoana nindramina.

01/12/2022

Ity volana desambra ity dia volana natokako isaorana an'Andriamanitra tamin'ireo soa rehetra nataony tamiko.🥰🥰🥰❤❤🙏
Tena tsara ity taona ity.❤❤❤
Eny fa na dia tao ambadiky ny zava_tsarotra nolalovana aza dia nisy zavatra tsara nomaniny ho ahy hatrany.❤
Nisy fifandraisana niforona, nisy ihany koa anefa ny rava.
Misy ny tanjona tratra misy mbola tsy tratra.
Tao anatin'izay 12 volana izay dia misy fotoana aho verivery kely izay; tsy nahafantatro hoe iza aho, dia ho aiza???🤔
Nisy fotoana koa tafalatsaka anaty fahatezerana sy alahelo.🥺

Fa ny tombony lehibe ho ahy dia ny fananako Ray be indrafo sy tsy namela ahy ho irery tamin'ny ady sarotra lalovako, ary miara mifaly amiko ao anaty fifaliana.🤩

Te hiteny aho hoe voatahy manokana ny olona manana relation personnelle amin'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy.🥰🥰🥰

Merci God, merci Jesus pour tout.🙏
Je suis tellement bénis.❤🥰

29/11/2022

Ny sampana,na fikambanana sy olona tsy miorina ao amin'i Jesoa(Jesosy) dia azo antoka fa halazo.

Iza marina ianao?🤔Anisan'ny lesona notsoahina taminin'ity film iray ity.🥰IZA MARINA IANAO?Olona manakaja ve satria mitan...
26/11/2022

Iza marina ianao?🤔

Anisan'ny lesona notsoahina taminin'ity film iray ity.🥰

IZA MARINA IANAO?

Olona manakaja ve satria mitana andraikitra lehibe amina toerana iray?
Ary raha esorina aminao io andraikitra io d iza ianao?
Zanaka manamboninahitra ve?
Ary raha alain'Andriamanitra aminao ilay Ray na Reny ataonao rehareha?
Dadan'i Lita ve? Sa renin'i Koto? 😊
Ary raha alaina aminao ny zanakao tahaka ny natao tamin'i Joba d iza ianao?
Ary raha alaina aminao izay rehetra anananao sy izay mety ianteheranao d iza ianao?
Mpivavaka atsy amin'ny fiangonana X na fiangonana Y? Ary raha tsy afaka ny hisokatra intsony ny fiangonana d iza ianao?

Sahy miteny ve ianao fa kristiana foana na ho inona na ho inona?
Efa nanolotra ny fonao ho an'ny Tompo ve nefa ianao?
Tena iainanao ve ny mahakristiana sa d fahazarana sy fanarahana fombafomba fotsiny?
Impiry zay ianao no nivavaka ho an'ireo olona nomenao toky hoe:"Mahatsiaro ambavaka anao(anareo) aho?

Mahafaly anao amin'ny fotoana sy ny toerana ary ny zava-misy rehetra ve ny maha kristiana anao?

Aza fitahana ny tenanao fa safidio izay lalana sy fiainana tokony arahinao.
"Fa raha misy manao ny tenany ho zavatra, kanjo tsinontsinona, dia mamitaka ny tenany izy."Gal6:3

Tiako ianao ho tonga kristiana marina ka ifankahita amiko any an-danitra. 😍

Overcomer🥰

J'y crois encore.❤Film iray izay tena anisan'ny nandòna fo.💔Fa ny hafatra zaraintsika androany dia mitodika manokana any...
24/11/2022

J'y crois encore.❤
Film iray izay tena anisan'ny nandòna fo.💔

Fa ny hafatra zaraintsika androany dia mitodika manokana any amin'ireo namana namoy havana, olontiana, raiamandreny, zoky, na zandry...

Manahoana ny toe_ponao miatrika ny zava_misy?

✅Avelanao ve Andriamanitra andray an_tanana ny fiainanao na ho inona na ho inona mitranga?
✅Sa omenao tsiny Izy fa tsy araka ny tokony ho izy zavatra mitranga?(satria indraindray dia olona mbola nanana fikasana maro no indro lasa tampoka)

🔴Tadidio anefa fa na dia heverintsika ho fohy aza ny fotoana nisehoan'ireny mpanompo tsara sasany ireny; satria fitenintsika matetika ny hoe tampoka loatra, tsy rariny loatra, aloha loatra, sy ny hoe fa maninona ny olona manao ny tsara no tsy ela velona?
Tsarovy anefa fa i Jaona mpanao batisa koa aza dia mba mpanompo tsara tsy naharitra ela ary maty tamin'ny tsy rariny.
TSY VERY MAINA AKORY NY FANDALOVANY fa miteraka akony lehibe amin'ny fiainan'ny mpino maro.
Ny fisian'ny olona toy ireny dia mipetraka foana ho tantara ary oentin'Andriamanitra ho fitaratra ho an'ny hafa.
Anjaranao ny mandray izay zavatra tsara napetrany oentinao mandroso sy manatsara ny hoavinao.

Courage foana fa lalàm_piainana tsy maintsy misy ny fotoana ifandaozana fa Jesoa dia afaka mameno ny banga.

Ampirisihanay manokana ny ijerenao io film io fa tena mampahery be.😍
Tsy afaka zaraina eto amin'ny Facebook fa somary sarotiny ny mpamokatra azy.

Tahian'i Jesoa daholo.

Address

Ampandrana
Antananarivo
101

Telephone

+261341982487

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Mizara an'i Jesoa amin'ny alalan'ny teknolojia posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category