17/02/2025
HOSOTRA SANDOKA (Fausses onctions)
Tapany voalohany.
Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, "fanjaka-mpisorona, firenena masina" (Eksodosy 19:6), olona nalain'Andriamanitra ho an'ny tenany mba hilazanareo ny hatsaran'Ilay niantso anareo hiala tamin'ny maizina ho amin'ny fahazavany mahagaga; — I Petera 2 : 9
Tokony ho fantatrao izay efa nateraka indray, fa efa manana HOSOTRA ianao.
Efa noraisinao teo amin'ny fahaterahana indray ny HOSOTR'i Kristy, avy amin'ny Fanahy Masina. Efa voatokana, efa fanjakam-pisorona, efa nofidina.
Efa nomena anao izay rehetra ilainao ahatonga anao ho mpanjaka, ho mpisorona, ahafahanao manantateraka ny karazana asa fisoronana rehetra, dia ny fanambarana, Fitoriana, fampianarana, ny Filazantsaran'ny hazo fijalian'i Kristy.
Izao no lazain'ny Soratra Masina momba ny atao hoe HOSOTRA :
Fa Izay mampitoetra anay mbaminareo ao amin'i Kristy sady NANOSOTRA ANTSIKA DIA ANDRIAMANITRA — II Korintiana 1 : 21
ANDRIAMANITRA irery ihany no MANOSOTRA.
Ary ny aminareo, dia ilay HOSOTRA noraisinareo taminy no mitoetra ao aminareo, ... — I Jaona 2 : 27a
HOSOTRA noraisina mivantana tamin'Andriamanitra.
N'y fanosorana dia ANDRIAMANITRA irery ihany no manao azy.
Izay no tena HOSOTRA.
Ny ankoatra izay dia hosotra SANDOKA !
Eo amin'ny tontolo aram-panahy, rehefa tsy avy amin'Andriaminitra ny hosotra , dia avy amin'ny devoly.
Ny Tenin'Andriamanitra tsy mampianatra mihitsy fa tokony hitady na haka hosotra hafa na hanao hetsika iray ny kristiana mba ahafahana misitraka ny fitahim-panahy iray na fitahina ara-materialy.
Satria Efa VITA ao amin'i KRISTY avokoa ny zavatra rehetra.
Tsy mampianatra ny Soratra Masina fa mila makany amin'ny toerana iray ny kristiana mba handray hosotra, mila manantona olona iray mba handray hosotra.
Satria izay mivavaka amin'ny Fanahy sy ny Fahamarinana dia efa manana HOSOTRA.
.. tsy amin'ity tendrombohitra ity, na any Jerosalema aza, no hivavahanareo amin'ny Ray. — Jaona 4 : 21 ..