03/06/2026
🔺 𝐓𝐚𝐤𝐚𝐥𝐨 𝐚𝐦-𝐩𝐚𝐦𝐨𝐥𝐨𝐚𝐧𝐚 : 𝐎𝐦𝐞𝐧𝐚 𝐥𝐚𝐧𝐣𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐞𝐧𝐲 𝐌𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐢𝐳𝐚𝐨 𝐯𝐨𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐉𝐨𝐧𝐚 𝐢𝐳𝐚𝐨
✅ "Voambolana Malagasy mahasadaikatra : fady sa azo tenenina" sy "Teny Malagasy disoina fanoratra anaty tambajotra : loza mitatao sa fandrosoana tsy azo ihodivirana", ireo no lohahevitra novelabelarina nandritra ny takalo am-pamoloana, androany. Notanterahina tao amin'ny efitrano Dox, tao amin'ny tranom-bokim-pirenena eto Madagasikara (BNM), ao Anosy izany. Namelavebatra ny lohahevitra Ny Mpanabe Tsara, mpampianatra mpanabe sy i Ariela Fanoitra, poeta.
✅ Natao hanandratana sy hanomezan-danja ny tenin-drazantsika izany, indrindra amin'izao iray volan'ny teny Malagasy izao, ity hetsika ity, raha ny nambaran-dRavoniarisoa Noël Liva, tale jeneralin'ny BNM. Ny tantara sy ny tany ary ny teny no singa iray lehibe maha firenena ny firenena, izany hoe eo ambonin'ny tany no anoratana ny tantara amin'ny tenin-drazana. Miafotra ao anatin'io teny io mantsy ny kolontsaintsika, hoy hatrany ny tenany. Entanina, noho izany, ny rehetra mba ho tia ny teny Malagasy sy hanandratra azy hatrany.
✅ Marihina fa hetsika karakarain'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina (MSK) sy ny BNM ary ny Famoloana Telozoro izy ity. Ny takalo am-pamoloana dia tsy inona fa famoronana sehatra hahafahana mifanakalo hevitra izay mifototra indrindra amin'ny maha malagasy nefa misokatra amin'ny kolontsaina maro loko. Ny mpanoratra, ny mpanao lahabolana sy ny mpandala ny fomba ary izay rehetra mikirakira ny teny sy ny soratra no voakasik'izany. Atao isaky ny alarobia voalohan'ny volana izy ity, iresahana lohahevitra isan-karazany.
✅ Raha ny fanazavan'i Andrianimerina Hobiana, mpano***a ny Famoloana Telozoro, tanjona ny hahafahana manitatra sy mampivelatra ny fahalalan'ny mpiantsehatra amin'ny maha malagasy, indrindra ny mpanoratra satria izy ireo no sinibe afaka anovozana.