Dépêche Informative Taratra

Dépêche Informative Taratra Agence de presse nationale

09/10/2025

🔺Nanao fanambaràna iombonana ny mpiasan’ny fahasalamana ahitana ireo mpitsabo, mpampivelona, infirmiera, farmasiana, dentista ary teknisiana izay manamafy fa zo fototra ny maneho hevitra, saingy tsy maintsy atao am-panajana sy araka ny fitsipika mifehy ny sendika.

✅Araka ny sata, tsy andraikitry ny sendika ny manendry na manala olona, fa miaro ny zon’ny mpiasa sy manampy amin’ny fifampiraharahana. Tsy tokony ho fitaovana hitadiavam-boninahitra na hanafenana olana ny sendika, hoy hatrany izy ireo.

✅Melohin’izy ireo ny herisetra atao amin’ny mpiasan’ny fahasalamana ary toherina ny fanenjehana noho ny hevitra tsy mitovy. Manamafy izy ireo fa ny sehatry ny fahasalamana dia mitaky fahatokisana sy fiaraha-miasa eo amin’ny rehetra.

🔺 𝐑𝐢𝐯𝐨-𝐝𝐨𝐳𝐚 𝟐𝟎𝟐𝟓-𝟐𝟎𝟐𝟔 : 𝐕𝐢𝐧𝐚𝐯𝐢𝐧𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐡𝐨 𝐢𝐫𝐚𝐲 𝐡𝐚𝐭𝐫𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝐭𝐞𝐥𝐨 𝐧𝐨 𝐦𝐞𝐭𝐲 𝐡𝐢𝐝𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐧-𝐭𝐚𝐧𝐞𝐭𝐲 𝐞𝐭𝐨 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚 ✅ Nambaran’ny Fo...
09/10/2025

🔺 𝐑𝐢𝐯𝐨-𝐝𝐨𝐳𝐚 𝟐𝟎𝟐𝟓-𝟐𝟎𝟐𝟔 : 𝐕𝐢𝐧𝐚𝐯𝐢𝐧𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐡𝐨 𝐢𝐫𝐚𝐲 𝐡𝐚𝐭𝐫𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝐭𝐞𝐥𝐨 𝐧𝐨 𝐦𝐞𝐭𝐲 𝐡𝐢𝐝𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐧-𝐭𝐚𝐧𝐞𝐭𝐲 𝐞𝐭𝐨 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚

✅ Nambaran’ny Foibe Famantarana ny Toetry ny Andro androany 09 Oktobra, nandritra ny fihaonambe natao tamin’ny alalan’ny visioconférence, ny vinavinan’ny taom-pahavaratra sy vanim-potoanan’ny rivo-doza 2025-2026. Araka ny tatitra, dia vinavinaina hifanakaiky amin’ny tokony ho izy ny isan’ny rivo-doza amin’ity taona ity, ka 1 hatramin’ny 3 no mety hisy fiantraikany mivantana amin’i Madagasikara.

✅ Vinavinaina fa tsy voafetra amin’ny morontsiraka iray ihany ny mety hidiran’ny rivo-doza amin’ity taom-pahavaratra ity. Samy mety hisy rivo-doza hiditra an-tanety na avy any Atsinanana na avy any Andrefana. Araka ny fanazavan’ny Foibe Famantarana ny Toetry ny Andro, noho ny fiovan’ny toetrandro maneran-tany dia na rivo-doza iray monja aza, raha mahery dia efa mety hiteraka fahapotehana goavana amin’ny fananana, ny fotodrafitrasa ary ny fiainan’ny vahoaka. “Tsy ny isan’ny rivo-doza intsony no mampanahy, fa ny heriny sy ny vokany amin’ny fiainan’ny olona. Mila fiomanana aloha sy fiaraha-mientan’ny rehetra izany,"

🔺 Nanomboka androany ny fandefasana ny entana mavesatra avy any Toamasina izay ilaina amin’ny Tetikasa famokarana herina...
09/10/2025

🔺 Nanomboka androany ny fandefasana ny entana mavesatra avy any Toamasina izay ilaina amin’ny Tetikasa famokarana herinaratra 105 MW ao Ambohimanambola.

✅ Niainga androany avy tany Toamasina ny " convoi exceptionnel" mitondra ny fitaovana mavesatra voalohany ho an’ny tetikasa foibem-pamokarana herinaratra 105 MW eto Antananarivo. Manamarika ny fanombohana ofisialy ny fandefasana entana ilaina amin’ny fananganana ity fotodrafitrasa lehibe amin’ny sehatry ny angovo ity izany.

✅ Amin’ity dingana voalohany ity dia entana 16 no entina amin’ny kamiao 7, anisan’izany ny « bloc moteur » iray milanja 74 taonina, miaraka amin’ny « culasse » sy « carter. » Ity no ampahany lehibe indrindra amin’ny fitaovana hoentina any amin’ny toerana hanorenana ny toby famokarana.

✅ Ankoatra izany, misy ihany koa kamiao 8 mitondra entana 14, ahitana “engine oils sump” dimy entin’ny kamiao 3, “engine fixing rails” valo amin’ny kamiao 4, ary “engine bloc” iray amin’ny « porte-char » manokana ho an’ny fitaterana mavesatra.

09/10/2025

🔺𝐌𝐢𝐚𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐦𝐢𝐭𝐚𝐝𝐲 𝐯𝐚𝐡𝐚𝐨𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐡𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐡𝐨 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐫𝐞𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝐦𝐩𝐢𝐬𝐞𝐡𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐫𝐞𝐡𝐞𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐥𝐨𝐡𝐚𝐧'𝐧𝐲 𝐑𝐞𝐩𝐨𝐛𝐥𝐢𝐤𝐚, Andry Rajoelina.

09/10/2025

🔺𝐓𝐬𝐲 𝐦𝐩𝐢𝐚𝐧𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝟓 𝐧𝐚𝐦𝐩𝐢𝐝𝐢𝐫𝐢𝐧𝐚 𝐚𝐦-𝐩𝐨𝐧𝐣𝐚 𝐯𝐨𝐧𝐣𝐢𝐦𝐚𝐢𝐤𝐚, 𝐟𝐚 𝐨𝐥𝐨𝐧𝐚 𝐭𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐭𝐚𝐨 𝐚𝐧𝐚𝐭𝐲 𝐦𝐚𝐠𝐚𝐳𝐚𝐲 𝐧𝐢𝐡𝐚𝐫𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐝𝐫𝐨𝐛𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐢𝐚𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐭𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐞𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐨𝐫𝐨𝐛𝐚𝐢𝐧𝐲. 𝐍𝐢𝐚𝐢𝐤𝐲 𝐢𝐳𝐚𝐧𝐲 𝐡𝐞𝐥𝐨𝐤𝐚 𝐢𝐳𝐚𝐧𝐲 𝐢𝐳𝐲 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐧𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐨𝐭𝐨𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐚𝐤 𝐚𝐧𝐲 𝐧𝐚𝐦𝐛𝐚𝐫𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐭𝐨𝐧𝐢𝐚 𝐦𝐩𝐚𝐦𝐩𝐚𝐧𝐨𝐚 𝐥𝐚𝐥𝐚̀𝐧𝐚 𝐞𝐨 𝐚𝐧𝐢𝐯𝐨𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐛𝐚𝐫𝐚𝐭𝐨𝐧𝐠𝐚 𝐯𝐨𝐚𝐥𝐨𝐡𝐚𝐧𝐲, 𝐑𝐚𝐤𝐨𝐭𝐨𝐧𝐢𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐍𝐚𝐫𝐢𝐧𝐝𝐫𝐚 𝐍𝐚𝐯𝐚𝐥𝐨𝐧𝐚.

✅Tsiahivina fa nentina teo anatrehan’ny fampanoavana ireo olona 26 voasambotry ny mpitandro ny filaminana, taorian’ny hetsika natao tamin’ny 25, 26, 27, 29 septambra ary 2 oktobra 2025. Teny amin’ny faritra Ampandrana, Ankatso, Tanjombato, Avaradoha, Ankorahotra, Ambanidia, Ankadivato ary Itaosy no nahatratrarana azy ireo, araka ny tatitra avy amin’ny manampahefana.

♦️𝐓𝐬𝐲 𝐦𝐢𝐬𝐲 𝐚𝐭𝐚𝐡𝐨𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐚𝐦-𝐩𝐚𝐡𝐚𝐥𝐞𝐦𝐚𝐧𝐚 𝐞𝐧𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐨𝐧𝐣𝐚 𝐦𝐚𝐧𝐞𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐧’𝐢 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚✅Araka ny fanazavan’i Volazara S...
09/10/2025

♦️𝐓𝐬𝐲 𝐦𝐢𝐬𝐲 𝐚𝐭𝐚𝐡𝐨𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐚𝐦-𝐩𝐚𝐡𝐚𝐥𝐞𝐦𝐚𝐧𝐚 𝐞𝐧𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐨𝐧𝐣𝐚 𝐦𝐚𝐧𝐞𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐧’𝐢 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚

✅Araka ny fanazavan’i Volazara Sakina Mohamady, Talen’ny fandraharahana ny fonja eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana, dia milamina tanteraka ny toe-draharaha eny amin’ireo fonja manerana ny Nosy.

✅Nambarany fa mitohy tsy misy fiovana ny asa andavanandron’ny mpandraharaha sy ny mpiambina fonja. Malalaka kosa ny ny sendika amin'ny fanehoan-keviny hoy izy amin'ny fitakiana izay ataon'izy ireo.

🔺 𝐓𝐬𝐞𝐧𝐚 𝐀𝐧𝐨𝐬𝐲–𝐌𝐚𝐡𝐚𝐦𝐚𝐬𝐢𝐧𝐚 : 𝐦𝐢𝐯𝐚𝐫𝐨𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐥𝐚𝐦𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐦𝐩𝐢𝐯𝐚𝐫𝐨𝐭𝐫𝐚✅ Mitohy tsy misy sakantsakana androany Alakamisy 9 Okto...
09/10/2025

🔺 𝐓𝐬𝐞𝐧𝐚 𝐀𝐧𝐨𝐬𝐲–𝐌𝐚𝐡𝐚𝐦𝐚𝐬𝐢𝐧𝐚 : 𝐦𝐢𝐯𝐚𝐫𝐨𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐥𝐚𝐦𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐦𝐩𝐢𝐯𝐚𝐫𝐨𝐭𝐫𝐚

✅ Mitohy tsy misy sakantsakana androany Alakamisy 9 Oktobra ny varotra eny amin’ny tsenan'i Mahamasina. Araka ny fanamarihana nataon’ny tompon’andraikitra, dia mamela malalaka ireo mpivarotra, mpividy, mpitatitra ary mpiasa isan-karazany hanao ny asany andavanandro ny mpitandro filaminana.

✅ Araka ny antontan’isa farany, dia mpivarotra maherin’ny 4 000 no voarakitra miasa amin’ity tsena lehibe ity, ary an’arivony ireo mpivaro-mandeha izay mivelona amin’ny varotra amin’ny andro toy izao. Misy amin’izy ireo no mpivarotra legioma sy voankazo, sakafo masaka, fitafiana, kojakoja isan-karazany ary entana ara-pihariana madinika.

✅ Nilamina hatramin’ny maraina ny fizotry ny varotra, ary hita fa niverina amin’ny laoniny ny fivezivezen’ny olona sy ny asan’ny mpandraharaha madinika. Nohamafisin’ny Zandarimaria fa amin’ny 6 ora hariva vao hifarana ny tsena, ary hatreto dia milamina tanteraka ny toe-draharaha.

🔺 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐌𝐁𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐎𝐅𝐈𝐒𝐈𝐀𝐋𝐘 🔺✅ Manoloana ireo vaovao maro samihafa izay iniana aparitaka eto amin’ny tambajotra sosialy, dia ...
09/10/2025

🔺 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐌𝐁𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐎𝐅𝐈𝐒𝐈𝐀𝐋𝐘 🔺

✅ Manoloana ireo vaovao maro samihafa izay iniana aparitaka eto amin’ny tambajotra sosialy, dia manao izao fanambarana izao ny avy ato amin’ny Ministeran’ny Fitsarana.

✅ Tsy marina velively ny filazana fa misy amin’ireo mpianatra izay nanao fihetsiketsehana teny an-dalambe dia notazonina vonjimaika kanefa tsy noraisin’ny Mpandraharahan’ny Fonja.

✅ Tsara ny mitondra fanazavana toy izao manaraka izao: misy amin’ireo mpianatra sy olon-tsotra (Mpiasa) efa nohafahana avokoa, ary misy ihany koa amin’izy ireo no eo ambany ny fanaraha-mason’ny Fitsarana, araka ny fepetra ara-dalàna mifehy izany.

✅ Marihina kosa anefa fa ireo olona voarohirohy tamin’ny fandrobana sy fandoroana fananan’olona dia melohin'ny lalàna velona eto amin’ny Firenena, ka noraisina ny fepetra hentitra ho azy ireo, ary notazonina vonjimaika any am-ponja izy ireo amin’izao fotoana izao, fa tsy araka ny vaovao izay iniana ahely fa "Mpianatra" ireo voatazona vonjimaika ireo.

✅ Manentana hatrany ny Ministeran’ny Fitsarana ho an'ny olom-pirenena rehetra mba tsy ho mora mino na hizara tsaho aparitaka amin’ny tambajotra sosialy, fa hiankina amin’ny vaovao ofisialy sy marina hatrany.

✅ Izany no antoka hampanjakana ny fitoniana sy ny filaminana eto amin’ny Tany sy ny Firenena.

09/10/2025

♦️𝐌𝐚𝐧𝐚𝐦𝐚𝐟𝐲 𝐡𝐚𝐭𝐫𝐚𝐧𝐲 𝐧𝐲 𝐏𝐫𝐨𝐯𝐢𝐬𝐞𝐮𝐫 𝐋𝐌𝐀, 𝐀𝐧𝐝𝐫𝐢𝐚𝐧𝐣𝐚𝐟𝐲 𝐌𝐚𝐦𝐢𝐬𝐨𝐚 𝐟𝐚 𝐦𝐢𝐚𝐧𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐦𝐩𝐢𝐚𝐧𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝐋𝐢𝐬𝐞𝐚 𝐌𝐚𝐨𝐝𝐞𝐫𝐢𝐧𝐚 𝐀𝐦𝐩𝐞𝐟𝐢𝐥𝐨𝐡𝐚.

09/10/2025

♦️𝐌𝐢𝐚𝐢𝐧𝐠𝐚 𝐚𝐧𝐲 𝐓𝐨𝐚𝐦𝐚𝐬𝐢𝐧𝐚 𝐢𝐳𝐚𝐨 𝐦𝐚𝐫𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐢𝐳𝐚𝐨 𝐧𝐲 "𝐜𝐨𝐧𝐯𝐨𝐢" 𝐯𝐨𝐚𝐥𝐨𝐡𝐚𝐧𝐲 𝐦𝐢𝐭𝐨𝐧𝐝𝐫𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐢𝐥𝐢𝐧𝐚 𝐥𝐞𝐡𝐢𝐛𝐞 𝐚𝐧'𝐧𝐲 𝐉𝐢𝐫𝐚𝐦𝐚, 𝐢𝐳𝐚𝐲 𝐡𝐚𝐦𝐨𝐤𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐡𝐞𝐫𝐢𝐧𝐚𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 𝟏𝟎𝟓 𝐌𝐖.

✅Nandresy an'i Comores tamin'ny isa 2-1 i Madagasikara tamin'ny lalao androany. Mitazona ny laharana faharoa hatrany ny ...
08/10/2025

✅Nandresy an'i Comores tamin'ny isa 2-1 i Madagasikara tamin'ny lalao androany. Mitazona ny laharana faharoa hatrany ny Barea (isa19) ao anatin'ny vondrona misy azy, satria i Ghana dia nandresy an'i Centrafrique ihany koa ary manana isa 22.

✅Ny fihaonana farany amin'i Mali no tokony hanamafisana ny toeranantsika ahafahana miatrika ny lalao sakana (match de barrage)

08/10/2025

Address

Antananarivo

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Dépêche Informative Taratra posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Dépêche Informative Taratra:

Share