24/05/2026
Andriamato filoha teo alo
Ny olona izay mijoro amin’ny finoany dia matetika nenjehina, toy izany ireo mpianatr’i Jesoa Kristy.
Ary ankehitriny, tahaka ny vahoaka Israelianina namakivaky ny tany efitra, dia mandalo fitsapana sy fijaliana isika.
Tadidio anefa fa Andriamanitra tsy mandao velively ireo izay mino, manana fanantenana ary matoky Azy.
Amin’izao zavatsarotra lalovan-tsika izao na dia lavitra anareo aza aho, dia miray fo tanteraka aminareo.
Hirotsaka amin’ny tokantrano sy amin’ny tsirairay avy anie ny Fanahy Masina amin’izao Pentekosta izao.
Aza manahy isika, fa tsy misy haizina na fijaliana maharitra mandrakizay,tsy maintsy ho tonga ny fahazavana sy ilay maraina vaovao.
“Fa Izaho mahalala ny hevitra izay heveriko ho anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hitondra fiadanana fa tsy loza, mba hanome anareo hoavy sy fanantenana.”
Jeremia 29:11
————————————————————————————
Ceux qui croient et qui ont la foi ont souvent été persécutés.
Et aujourd’hui encore, comme le peuple hébreu traversant le désert, nous connaissons l’épreuve et la souffrance.
Mais Dieu n’abandonne jamais ceux qui gardent l’espérance et la confiance en Lui.
Même loin de vous, je suis de tout cœur avec vous.
Gardons notre unité et notre confiance, car après l’obscurité ne dure jamais.
« Car je connais les projets que j’ai formés sur vous… projets de paix et non de malheur, afin de vous donner un avenir et de l’espérance. »
Jérémie 29:11