Katolika News

Katolika News Les dernières nouvelles de la communauté catholique, des témoignages et plus encore

19/10/2025

Inona ny hira nanakoako tao am-piangonana tao androany ?

Evanjely Masina nosoratan’i Md. LiokaLk. 18, 1-8Andriamanitra manome rariny ny olom-pinidiny izay mitaraina aminy.Tamin’...
19/10/2025

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka
Lk. 18, 1-8

Andriamanitra manome rariny ny olom-pinidiny izay mitaraina aminy.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao fanoharana tamin’ny mpianany momba ny tsy maintsy ivavahana lalandava sy amim-paharetana. Hoy Izy: “Tany amin’ny tanàna anankiray nisy mpitsara anankiray tsy natahotra an’Andriamanitra sy tsy mena-maso olona. Ary tao amin’izany tanàna izany koa, dia nisy mpitondratena anankiray nankao aminy matetika nanao hoe: ‘Omeo rariny aho amin’ilay miady amiko’; fa tsy nanaiky na oviana na oviana izy. Kanjo tamin’ny farany, dia hoy izy anakampo: ‘Na dia tsy matahotra an’Andriamanitra aza aho sy tsy mena-maso olona, dia manahirana ahy ity mpitondratena ity, ka homeko rariny izy mba tsy hiverimberina mandrakariva hanorisory ahy’. Ary henoy, hoy ny Tompo, izay lazain’ilay mpitsara tsy marina, ka Andriamanitra indray va no tsy hanome rariny ny olom-pinidiny izay mitaraina aminy andro aman’alina, ary tsy halaky hamonjy azy? Lazaiko aminareo fa homeny rariny haingana izy ireo. Kanefa rehefa tonga ny Zanak’Olona, moa mba hahita finoana ety ambonin’ny tany Izy?”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy!

19/10/2025

MAHARETA HANANA NY SOA

18/10/2025

Mbola tsara e. Elaela isika tsy teto. Inona ny azo ambara ? Vaovao any aminareo hoe ?

Ry Tompo Andriamanitray Matetika izahay reraka sy kivy eo amin’ny fiainana, manoloana ny fitsapana sy fahoriana tsy zaka...
16/10/2025

Ry Tompo Andriamanitray

Matetika izahay reraka sy kivy eo amin’ny fiainana, manoloana ny fitsapana sy fahoriana tsy zaka. Matetika very fanantenana izahay, ka toy ny tsy hahita lalana hivoahana.

Ampio hahatsiaro fa tsy irery izahay, fa eo akaiky Ianao, mijoro miaraka aminay amin’ny fotoana rehetra

Aoka ny herinao hanamafy anay, ary ny fitiavanao hanandratra anay. Omeo fo matoky izahay, mba tsy ho kivy na hanary toky, fa hiara-dalana aminao hatrany

Amen.

15/10/2025

Aterinay anatrehanao, Reny,
Ny saotra ataon'ny fonay aminao:
Arovinao izahay mbola osa
Fa mandry izay miankina aminao.
Raha izahay sendra mivily lalana,
Ka hosimbàn'ny tafik'i Satàna:
Reny miantra, atreho izahay e, )
Ny tananao no mahafaka anay. )

Mitsingerina androany ny andro nanamasinana ho Eveka an'i Mgr Orthasie Marcellin Herivonjilalaina. Ny 13 Oktobra 2024 no...
13/10/2025

Mitsingerina androany ny andro nanamasinana ho Eveka an'i Mgr Orthasie Marcellin Herivonjilalaina. Ny 13 Oktobra 2024 no nanamasinana azy ho Eveka rehefa notendren'i Papa Fransoa hitantana ny DIosezin''Ambatondrazaka ny 14 Aogositra 2024. Raha ny taona dia izy no zandriny indrindra amin'ireo Eveka eto Madagasikara. 46 taona moa izy ankehitriny.

Sary Governora Faritra Alaotra Mangoro.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. LiokaLk. 17, 1119Tsy nisy niverina nanome voninahitra an’Andriamanitra raha tsy io vahin...
12/10/2025

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 17, 1119

Tsy nisy niverina nanome voninahitra an’Andriamanitra raha tsy io vahiny io.

Tamin’izany andro izany, raha nandeha ho any Jerosalema i Jesoa, dia nanara-tsisina an’i Samaria sy i Galilea. Ary raha niditra tao amin’ny vohitra anankiray Izy, dia nifanena tamin’ny boka folo lahy izay nijanona teny lavidavitra teny. Dia niantso izy ireo ka nanao hoe: “Ry Jesoa Mpampianatra ô, mamindrà fo aminay!” Vantany vao nahita azy ireo Izy, dia nanao hoe: “Mandehàna, misehoa amin’ny mpisorona”. Ka nony nandeha ho any izy ireo dia sitrana teny am-pandehanana. Ary ny anankiray tamin’ireny, rehefa nahita fa sitrana izy, dia niverina ka nankalaza an’Andriamanitra tamin’ny feo mahery. Niankohoka tamin’ny tongotr’i Jesoa izy, dia nisaotra Azy; ary Samaritanina izy io. Dia niteny i Jesoa ka nanao hoe: “Moa tsy folo lahy va no nadio? Ka nankaiza àry ny sivy? Ny vahiny indray ity no hany niverina tamin’izy ireny mba hankalaza an’Andriamanitra!” Dia hoy Izy taminy: “Mitsangàna, ary mandehàna, fa ny finoanao no nahavonjy anao”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy!

12/10/2025

MAHAIZA MANKASITRAKA AN’ANDRIAMANITRA

11/10/2025

"Manainga ny rehetra mba hampitsahatra ny herisetra", hoy ny antso ataon'ny Kardinaly Désiré Tsarahazana.

Loharano : RTC Masôva.

Mompera RALAIMAHEFA Ernest AiméCuré Paroisse Sainte Thérèse de l'Enfant Jésus Ivato Mandria am-piadanana Mompera. Hitsen...
11/10/2025

Mompera RALAIMAHEFA Ernest Aimé

Curé Paroisse Sainte Thérèse de l'Enfant Jésus Ivato

Mandria am-piadanana Mompera. Hitsena anao any am-paradisa anie ny Anjely.

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Katolika News posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share