21/05/2025
Alarobia 21 May 2025
MITARI-DALANA NY FANAHY MASINA
Mat 12:22-30
DIA nentina tany amin’i Jesosy ny lehilahy anankiray izay demoniaka, sady jamba no moana; dia nositraniny, ka dia niteny sy nahita ilay moana.
23Dia talanjona ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: Moa Ity va Ilay Zanak’i Davida? 24Fa nony ren’ny Fariseo izany, dia hoy izy: Tsy misy amoahan’Ilehiny ny demonia, afa-tsy Belzeboba, lohan’ny demonia.
25Ary Jesosy nahalala ny eritreriny, dia nanao taminy hoe: Ho foana ny fanjakana rehetra izay miady an-trano; ary tsy haharitra ny tanàna rehetra, na ny trano, izay miady an-trano. 26Ary raha Satana no mamoaka an’i Satana, dia miady an-trano izy; ka ahoana no haharetan’ny fanjakany? 27Ary raha Belzeboba no amoahako ny demonia, iza kosa no mba amoahan’ny zanakareo azy? ary noho izany dia izy ihany no ho mpitsara anareo. 28Fa raha ny Fanahin’Andriamanitra kosa no amoahako ny demonia, dia efa tonga aminareo sahady ny fanjakan’Andriamanitra. 29Fa hataon’ny olona ahoana no fiditra ao an-tranon’ny mahery handroba ny entany, raha tsy afatony aloha ny mahery? dia vao handroba ny ao an-tranony izy. 30Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy; ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka.