Fanja Andriamanantena Artiste

  • Home
  • Fanja Andriamanantena Artiste
09/08/2025

Ny tononkira ange tsy voatery ho ny fiainan'ny mpamorona no tantarainy e, fa ny sora-jandian'ny fiainana manodidina azy sy voadinidinika no adikany ho lasa tononkira.

Hamaly io fanontaniako io, napetrako taminareo mpaka fy io aho, hoe ilaina ve ny dokambarotra raha hanao fampisehoana ny...
09/08/2025

Hamaly io fanontaniako io, napetrako taminareo mpaka fy io aho, hoe ilaina ve ny dokambarotra raha hanao fampisehoana ny mpikanto ara-mozika.
Raha ny hevitro dia Eny no valiny.
Ny mozika sy ny seho dia toy ny zava-miaina rehetra. Mivoatra, manaraka ny toetr'andro. Ireo mpikatroka koa dia toy izany. Miaina ao anatin'ny fanatontoloina, manaraka ny toetr'andro, tia sy tokony mitondra zava-baovao... Noho izany tsy maintsy manaraka ny fahazarana vaovao ny mpisehatra ara-mozika. Difotra, sarona raha tsy manao "pub". Na dia ny taloha ihany aza no avadibadika eo. Tsy misy intsony seho ka tsy ilàna dokam-barotra na ho kely na ho be ilay dokam-barotra.
Izay ny valinteniko, Iainako ka lazaiko anareo.
Ny nahatonga ahy hanokatra ity "page" ity dia ny hahafantaranareo ny ataoko ara-mozika. Efa dokam-barotra izay !
Misaotra tompoko amin'ny valin-teninareo.
Mbola azo omena valiny (commentaire) koa ity valinteniko ity raha tianareo..
🎹🎤🎹🎤

RY MPAKA FY MOZIKA !Moa ve rehefa tia sy maka fy mpanankanto iray ianareo, dia mbola ilaina ny mandresy lahatra anareo, ...
09/08/2025

RY MPAKA FY MOZIKA !
Moa ve rehefa tia sy maka fy mpanankanto iray ianareo, dia mbola ilaina ny mandresy lahatra anareo, amin'ny alalan'ny dokambarotra (radio, afisy, facebook, gazety...) fa hanao fampisehoana izy ? Tsy ampy ve ny filazana ny daty, ora sy toerana ? ... (hoy aho, ilay kamo manao izany)
Satria vola be no lany ho amin'ireo dokambarotra ireo, METY HO BETSAKA LAVITRA NOHO IZAY ho raisin'ireo mpihira, mpitendry, jiro, feo, sy ny sisa ? Izay azo avy amin'ny mpanohana (sponsor, mécène...) rahateo tsy dia mahasahana manontolo ireo fandaniana ireo...
Lasa saina vao maraina fotsiny aho, ka aza tsiny re ry mpaka fy sy tia mozika !! Ilay fanontaniako dia tsotra : tena ilainareo efa mpaka fy mihitsy ve ny mbola handresen-dahatra be anareo hijery ny fampisehoana hatao ? Tsy ny ahy akory no resahako eto...
😄😄😄 🎹🎤🥁😄😄🪗🎸🎷🎼🎤🎹😄😄😄

Izany hono e... Tantara an-kira, tsy maintsy faranana amin'ny anatranatra... Mahafinafitra loatra e !
08/08/2025

Izany hono e... Tantara an-kira, tsy maintsy faranana amin'ny anatranatra... Mahafinafitra loatra e !

05/08/2025

Marobe ianareo niarahaba sy nirary soa ahy. Fitia mifamaly ny antsika, koa Samia ho tahian-Janahary e !
🙏🙏🙏🙏

05/08/2025

Marobe ianareo niarahaba sy nirary soa ahy. Fitia mifamaly ny antsika ! Koa
Samia ho tahian-Janahary e

02/08/2025

Eny, feno 80 taona tokoa aho
Isaorana sy deraina Andriamanitra

MAHEREZA ! Mirary soa ! Miaraka sy manohana  eram-po eran-tsaina eee !!! Dee Ladysoul Lalaina Ratolojanahary ❤️🎈❤️ fans
28/07/2025

MAHEREZA ! Mirary soa ! Miaraka sy manohana eram-po eran-tsaina eee !!! Dee Ladysoul Lalaina Ratolojanahary ❤️🎈❤️
fans

⭐🏆D-lain & Denise: Handray anjara amin'ny fifaninanan-kira lehibe any Rosia izy ireo.
Raha mandresy ry zareo dia ahazo vola 1 500 000 000 ariary.

Tsara marihana fa hanao Duo izy roa reto amin'io. Zany hoe ekipa riaka.

Mirary soa, dia andao koa isika hanohana azy ireo.

Alefa D lain sy Denise. 🎊
Alefa Madagascar 🇲🇬

27/07/2025

📌 ENSEMBLE : LE RENDEZ-VOUS❗

« Les secrets des anciens pour une carrière durable dans la musique ».

Venez rencontrer Fanja Andriamanantena , la plus grande auteure-compositrice contemporaine malgache.

QUAND ET OÙ ❓

📆 Ce jeudi 31 juillet à 15h
📍 A La Bibliothèque Municipale Analakely.

🆓 Entrée libre 🆓

Address


Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Fanja Andriamanantena Artiste posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Fanja Andriamanantena Artiste:

  • Want your business to be the top-listed Media Company?

Share