Nenikely maman kanto

Nenikely maman kanto Mizara torohevitra momban-jazakely, mivarotra articles anjazakely (nouveau ou vide)

23/09/2025

🙂Tohin'ilay dia Toliara ndray o🌸
Arak'ilay nolazaiko taminareo hoe tsara entina mitsidika valan-javaboaary ny zazakely ampianarana azy, hatramin'ny fitenena tortue ary hainy nefa izy anie olona kely mihitsy ee 👶🥰

🌸 Sakafo mety hampihena ny rononondreny🌸Raha mampinono ianao dia misy sakafo sy zava-manitra tokony hialàna na hahena  s...
23/09/2025

🌸 Sakafo mety hampihena ny rononondreny🌸
Raha mampinono ianao dia misy sakafo sy zava-manitra tokony hialàna na hahena satria mety hampihena ny famokarana ronono toy ny :
-Persily 🌿
-Solila(menthe) 🌱
-Romarin 🍃
-Sauge (ravina fanao infusion) 🌿
-Alikaola 🍷
-Caféine be loatra (kafe, thé, boisson énergisante) ☕

🌸👉Ary ilaina ny misotro rano ampy 💧

👉 Tsarovy : tsy maninona raha misy kely indraindray, fa raha betsaka sy matetika dia mety hisy fiantraikany amin’ny famokarana ronono.
Mirary soa maman a

21/09/2025

Tafandria mandry daholo 🙂😴

🌸 PDF Menu Fikarakarana sakafon-jazakely 4mois–7ans ara-pahasalamana.👶 Aza misahirana intsony mieritreritra sakafo ho an...
21/09/2025

🌸 PDF Menu Fikarakarana sakafon-jazakely 4mois–7ans ara-pahasalamana.

👶 Aza misahirana intsony mieritreritra sakafo ho an’ny zanakao!
Ity PDF feno ity dia hanampy anao hanomana sakafo matsiro sy ara-pahasalamana ho an’ny zazakely sy zaza madinika manomboka amin’ny 4 volana hatramin’ny 7 taona.

📖 Ahitanao:
✅ Menu manomboka 4mois ka hatramin’ny 7ans (+270 pages)complet
✅ Torohevitra momba ny fampidirana sakafo vaolohany ho an'ny zaza
✅ Sakafo misy otrikaina, voalanjalanja ary manampy amin’ny fitomboana
🌞Ny fanarahanao sy ny Fikarakaranao azy am-pitiavana no mampazoto azy

💸 Vidiny:
🐣 4mois–9mois = 3.000Ar (135 pages)
🐥 6mois–18mois = 3.000Ar (188 pages)
🐤 9mois–7ans = 3.000Ar (199 pages)
🌟 Pack Complet 4mois–7ans = 5.000Ar (+270 pages)

💰 Aloha amin’ny: Mvola, Airtel Money, Orange Money ny sarany
📲 Alefa avy hatrany amin’ny:
Messenger 💬 | WhatsApp 📱 |
📃Midira mp na
☎️ Antsoy ny 034 11 199 31

🤱 Ny Bout de sein dia manampy an’ny reny amin’ny fampinonoana, indrindra rehefa:✔️ Misy fanaintainana na fery amin’ny no...
21/09/2025

🤱 Ny Bout de sein dia manampy an’ny reny amin’ny fampinonoana, indrindra rehefa:
✔️ Misy fanaintainana na fery amin’ny nono
✔️ milentika lohanono ka sarotra ho an'ny zaza misintona azy

🌸 Bout de sein silicone 🌸
✅ Malefaka tsara
✅ Mora diovina, azo ampiasaina imbetsaka
✅ Miaraka amin’ny boaty fiarovana

💌 Azonao jifaina eto amin'ny pejy 30.000ar

😴Mampahita tory be koa anie miaraka amin'ireto nounours  be reto e! ⭐💖Iza no mbola tsy nahazo fa efa kely sisa ny stock ...
20/09/2025

😴Mampahita tory be koa anie miaraka amin'ireto nounours be reto e! ⭐💖
Iza no mbola tsy nahazo fa efa kely sisa ny stock an .
Mandefasa mp o 034 11 199 31
120.000ar

Mention spéciale à mes nouveaux super fans ! 💎 Jean De Matha Isabelle, Fenosoa Marinah, Davisah Raharinirina, Rindra Ste...
20/09/2025

Mention spéciale à mes nouveaux super fans ! 💎 Jean De Matha Isabelle, Fenosoa Marinah, Davisah Raharinirina, Rindra Stellah, Mami Brillante, Eva Razakanaivo, Arash Sylvia, Mïõrå Höpė, Sandy Andriatseheno, Fionenatsoa Arindrato Rivah, Maman'i Irene, Mihaja Ratovo, Aina Fialofa, Larissa Cario

👉Inona no mahatonga ny migraine @ maman?🌸Ny reny maro dia miaina migraine matetika, indrindra rehefa bevohoka na mampino...
20/09/2025

👉Inona no mahatonga ny migraine @ maman?🌸

Ny reny maro dia miaina migraine matetika, indrindra rehefa bevohoka na mampinono. Ireto no mety mahatonga izay :
_Fiovan’ny hormone (estrogène)
_Tosidrà avo na ambany
_Tsy fahampian-drano sy tsy fahampian-torimaso
_Stress sy havizanana
_Sakafo sasany (toy ny kafeinina be loatra, fromazy matanjaka, sns)
_Fiovana toetr’andro, hazavana na feo mafy be

👉 Raha miverimberina loatra ny migraine, na miaraka amin’ny soritr’aretina hafa (fanina, tsy mahita tsara, fivontosana), dia tsara ny manatona mpitsabo avy hatrany.
⭐🌸Ezaho foana maman ny misotro rano sy misakafo ara-pahasalamana ,(legioma sy voankazo)

👉 Reny mampinono sy mihitsambolo ve ianao?Tsy mahagaga izany, satria rehefa avy miteraka dia mihena tsikelikely ny hormo...
19/09/2025

👉 Reny mampinono sy mihitsambolo ve ianao?
Tsy mahagaga izany, satria rehefa avy miteraka dia mihena tsikelikely ny hormonina “oestrogène” ka mety mora mampiongotra ny volo.
💡 Ireto misy torohevitra hanampy anao:
Mihinàna sakafo misy proteinina sy fer (hena, atody, tsaramaso,sns...).

Ampidiro ao amin’ny sakafonao ny voankazo sy legioma hanome vitamine C sy antioxydant.

Asio masque voajanahary (menaka oliva, aloe vera, sns.) indraindray.

Aza manahy be loatra, matetika mijanona ho azy izany rehefa tafaverina amin’ny laoniny ny hormonina.

⭐Inona ihany koa ny ataonareo rehefa mihitsambolo☺️

🌸Zay fa courage maman isany a 😊
Mirary soa daholo

🌸 OTITE AMIN’NY ZAZAKELY 🌸👶 Inona ny otite ?Otite dia aretin’ny sofin’ny zaza vokatry ny fivontosana na tazo ateraky ny ...
18/09/2025

🌸 OTITE AMIN’NY ZAZAKELY 🌸

👶 Inona ny otite ?
Otite dia aretin’ny sofin’ny zaza vokatry ny fivontosana na tazo ateraky ny virus na mikraoba, matetika rehefa avy voan'ny sery na gripa ilay zaza.

🔎 Soritr’aretina ahiahiana :
👉Zaza mitomany be, tsy mety tony
👉Mangidihidy na misintona sofina
👉Tsy mahita tory tsara
👉Mety hisy tazo na handoa koa

💡 Inona no atao ?
Ento haingana any amin’ny dokotera raha ahiahiana otite
Aza manome fanafody raha tsy avy amin’ny dokotera
Aza manisy zavatra ao anaty sofina

🌼 Tsarovy :
Otite dia aretina mahazatra amin’ny ankizy, saingy mila fitsaboana ara-dalana mba hisorohana ny fiverimberenany sy hiarovana ny fihainoana.

Mirary soa daholo e 🙂

🍉Gouter ho an'ny zaza +de 7 mois🍌🥛notsongaina tao amin'ny pdf sakafonjaza 4mois à 7ans 🍉Pastèque sy akondro sy yaourt na...
17/09/2025

🍉Gouter ho an'ny zaza +de 7 mois🍌🥛notsongaina tao amin'ny pdf sakafonjaza 4mois à 7ans

🍉Pastèque sy akondro sy yaourt nature 🍌🥛
⭐Tetehina ny pastèque, esorina ny voany
⭐Tetehina ny akondro
⭐Potserina na mixena miaraka
⭐Avy eo afangaro yaourt nature
Dia aroso amizay👶🙂☺️

Mbola tsy nahazo pdf Fikarakarana sakafonjaza 4mois à 7ans be otrik'aina ara-pahasalama sy mampitombo azy ve ianao?
Midira mp na antsoy ny 034 11 199 31

�4 mois à 9 mois = 3000ar
�6 mois à 18 mois=3000ar
�9 mois à 24 mois=3000ar

�complet 4 mois à 7 ans =5000ar

16/09/2025

Address

Antananarivo

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Nenikely maman kanto posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Nenikely maman kanto:

Share