01/12/2025
Antsirabe… tena notohizanareo hafanana sy fitiavana ilay alina ❤️
Nisy feo, nisy tsiky, nisy hira nanaitra fo…
Fa ny tena nampiavaka azy dia ianareo :
Ny fomba niarahantsika nihira, nitsiky, nifaly…
Tena nampiavaka ny alina ho fotoana tsy hohadinoina.
🙏 Misaotra indrindra Antsirabe tamin’ny fandraisana sy ny herinareo.
Nampisy aina ny sehatra, nampisy hery ny zavakanto, ary nanome lanja ny ezaka rehetra natao.
Ary izao no ampanantenainay anareo :
✨ Ho avy tsy ho ela ny hetsika LEHIBE kokoa, miavaka kokoa, ary tena hahafaly anareo.
Mijanòna ho miaraka aminay…
Fa mbola betsaka ny tantara ho soratantsika miaraka 🔥