03/08/2025
Ty ko
VALIN-KAFATRA MAFONJA ho anâi âMpanjakavavyâ tsy azo kasihin-dalitra, ramatoa MIALY RAJOELINA
Ny vahoaka malagasy 33 tapitrisa hosoranareo mivady TAY isanâandro mba ho lany andro hanasa ny vatany mandritra ny andro @ izay tsy manam-potoana hiasana loha @ hadalanareo mianakavy. Ny rano tokony hisasana anefa tapahinareo matetika de vao maika tsy manam-potoana hanarahana ny hafokanareo mihitsy ny Malagasy maro.
La mauvaise nouvelle pour toi chère madame TSY AZO KASIHIN-DALITRA (sao mantsy dia misy taches ireny akanjo sy satroka novidiana lafo dia lafo ireny):
Mbola eto aho hiaro sy hitady rano hanasanâny Malagasy ny maloto nahosotrareo mianakavy azy. Andriamanitra tsy andrinareo mianakavy andrinâireo! Tsy ampahafirinâny fianakaviana âdictateursâ nisy teto an-tany ianareo. Maro izay niseho azy ho Andriamanitra kely izay fa RODANA ihany. Ny manana baomba atĂ´mika no maharitra eo.
Rehefa mba kasihinâny lalitra kely avy taty aminay malagasy fahadiranovana ny zanakareo de hoe âtouche pas Ă mes enfantsâ.
Angaha mpanjaka no fiheveranao io vadinao io de ny Malagasy ANDEVONAREO mianakavy sa inona?
Iza ianao no hanome âmoraleâ ny Malagasy manoloana ny habibiana ara-politika, ny fanaparam-pahefana, ny halatra, abus de pouvoir, ny fitsetsefana ny harem-pirenena ary ny fampahantrana lalina ataonareo isanâandro vaky @ vahoaka monina ao io?
Mitaraina ireo Malagasy ireo, alikainareo. Mitoreo izy ireo, fahananareo GAGAZO. Miezaka mitaky ny zonâizy ireo ny Mpanohitra, lazainareo fa ALIKA mivovo.
Ka rehefa iza dia voromanga, rehefa iza dia vorondolo?
Ka rehefa hifanâalika ihany madama, de hoy aho hoe, aokâizay ilay MIVOVO koa e! Lalitra iray na roa tsy tokony hampimenomenona manoloana ny TAY ahosotrareo ny Malagasy 33 tapitrisa isanâandro vaky hatrany an-doha ka hatrany am-paladia.
Aman-tapitrisany maro ny Malagasy no tsy mihinan-kena raha tsy indray mandeha isaky ny enim-bolana. Amanâarivony isanâandro no maty noho ny tsy fahaizanareo manatsara ny tontolonâny fitsaboana. Ianareo anefa mi-style @ avion privĂŠ isaky ny hanao dĂŠplacement kely. Fitsidiham-paritra izay tsy ilaina akory.
Ny Malagasy tsy vakivolo no tsy mahazo mimenomenona manoloana ny tsindry hazo lena mahazo azy ireo satria GAGAZO avy hatrany.
Ny hamaranako azy dia ny hoe, tsy ny Malagasy rehetra no SAIN-KOVETA na TONGOBOLO ka ho tapenanareo vava.
Tsy ny Malagasy rehetra no marary saina ka hanao DERA SY LAZA ny famille RAJOELINA 24h/24.
Rehefa tsy tianao hatao resaka ny zanakao ramato, aza ampidirina @ raharaham-panjakana intsony. TSY LOVANAREO MIANAKAVY I MADAGASIKARA râikala a! Tsy lovan-dRavatomanga ihany koa.
Vola 8 milliards de dollars no trosa vaovao depuis 2018. Nankaiza daholo? Nanaovana inona daholo no mbola sahirana lava ny Malagasy? Ny taranakay no mibaby anâireo fa tsy ny taranakareo mivady velively. Ny anareo sambo âde luxeâ yacht no manahirana fa ny anay ny vary hatokona androany.
Aoka tsy hifanamamo! Aoka koa mba samy ho ela velona, ho tsarainâny tantara!
Pactole Totom Alison