Tiava tnfy

Tiava  tnfy Tsy ny Tenanay no tori'nay
Fa Kristy

aoeh aaa Mahajanga, Mahajanga, Madagascar
25/06/2025

aoeh aaa Mahajanga, Mahajanga, Madagascar

Misaotra Ray o! Fa nony fitiavanao de afaka nanao vacances Mahajanga, Mahajanga, Madagascar 🏄🏊🌴🌿🌴
24/06/2025

Misaotra Ray o! Fa nony fitiavanao de afaka nanao vacances Mahajanga, Mahajanga, Madagascar 🏄🏊🌴🌿🌴

Misaotra JESOSYMenafify XVII Ofisialy
12/06/2025

Misaotra JESOSY
Menafify XVII Ofisialy

17/05/2025
Tiava  tnfyTiava KelyMOFON'AINA
14/05/2025

Tiava tnfyTiava KelyMOFON'AINA

11/05/2025

Fy saoragna

08/04/2025

TSY MANARY IANAO JÉHOVAH 🙏
TTiava KelyKelyTTiava tnfy tTiava tnfyMMOFON'AINA@

03/04/2025

Ary amin'izany andro izany dia hitsangana Mikaela, andrian-dehibe, izay mitsangana hiaro ny zanaky ny firenenao; ary hisy andro fahoriana, izay tsy nisy tahaka azy hatrizay nisian'ny firenena ka hatramin'izany andro izany; ary amin'izany dia ho afaka ny firenenao, dia izay rehetra hita voasoratra ao amin'ny boky. Ary maro amin'izay matory ao amin'ny vovoky ny tany no hifoha: ny sasany ho amin'ny fiainana mandrakizay, ary ny sasany ho amin'ny henatra sy ny latsa mandrakizay. Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay mamerina ny maro ho amin'ny fahamarinana dia ho tahaka ny kintana mandrakizay doria. — Daniela 12 : 1 - 3 Amen MOFON'AINA

Mbola tsy tsapanao iany ve ?N'y fitiavan' ny JESOSY anao diniho lalina izany androany Page  évangélique   Tiava  tnfy 𝕍𝔸...
02/04/2025

Mbola tsy tsapanao iany ve ?
N'y fitiavan' ny JESOSY anao diniho lalina izany androany Page évangélique Tiava tnfy 𝕍𝔸𝕋𝕊𝕀𝕄-ℙ𝔸ℕ𝔸ℍ𝕐 🄵🄰🄽🄺🄰🄷🄴🅁🄴🅉🄰🄽🄰🅁🄴𝕍𝔸𝕋𝕊𝕀𝕄-ℙ𝔸ℕ𝔸ℍ𝕐 🄵🄰🄽🄺🄰🄷🄴🅁🄴🅉🄰🄽🄰

Tsianjery volana Aprily HEBREO (5:9) > Ary rehefa natao tanteraka izy , Dia Tonga loharanon' ny Famonjena mandrakizay ho...
01/04/2025

Tsianjery volana Aprily
HEBREO (5:9) > Ary rehefa natao tanteraka izy , Dia Tonga loharanon' ny
Famonjena mandrakizay ho an' zay
Rehetra manaraka Azy amen

Marka 4 : 10. Ary raha tao amin'ny mangingina Izy, dia nanontany Azy ny amin'ny fanoharana ireo nomba Azy mbamin'ny roa ...
15/03/2025

Marka 4 : 10. Ary raha tao amin'ny mangingina Izy, dia nanontany Azy ny amin'ny fanoharana ireo nomba Azy mbamin'ny roa ambin'ny folo lahy. 11. Ary hoy Izy taminy: Ianareo no efa nomena ny zava-miafina ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra; fa amin'ireny izay any ivelany kosa ny zavatra rehetra dia atao amin'ny fanoharana; 12. mba hijery mandrakariva ihany izy, fa tsy hahita; ary mba handre mandrakariva ihany izy, fa tsy hahafantatra; fandrao hibebaka izy, ka havela ny helony (Isaia 6:9-10). 13. Ary hoy Izy taminy: Tsy azonareo va ilay fanoharana teo? koa hataonareo ahoana no fahafantatra ny fanoharana rehetra? 15. Ary ireto no ilay teo amoron-dalana, dia izay amafazana ny teny, fa rehefa nandre izy, dia avy miaraka amin'izay Satana ka manaisotra ny teny izay nafafy tao aminy. 16. Ary tahaka izany koa, ireto no ilay voafafy teny amin'ny tany marivo ambony vatolampy, dia izay mandre ny teny ka malaky mandray izany amin'ny hafaliana; 17. nefa tsy manam-paka ao anatiny ireny, fa maharitra vetivety foana; koa rehefa afaka izany, ka tonga izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin'izay izy. 18. Ary misy hafa koa izay voafafy teny amin'ny tsilo, dia ireo no ilay nandre ny teny, 19. fa ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena ary ny filàna ny zavatra hafa miditra, dia mangeja ny teny, ka tsy mamoa izy. 20. Ary ireto no ilay voafafy teny amin'ny tany tsara, dia izay mandre ny teny ka mandray azy dia mamoa: ny sasany avy telo-polo heny, ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy zato heny.

Mofon'aina Alakamisy 13 Mar 2025Asa 5, 29-32SAHIA MIJORO HO VAVOLOMBELON'NY TOMPONTSIKA👉 NY TOMPO NO ATAHORANA FA TSY NY...
12/03/2025

Mofon'aina Alakamisy 13 Mar 2025
Asa 5, 29-32

SAHIA MIJORO HO VAVOLOMBELON'NY TOMPONTSIKA

👉 NY TOMPO NO ATAHORANA FA TSY NY OLOMBELONA
Efa noraran'ny Mpisoronabe sy ny manam-pahefana tao an-tanàna ry Petera tsy hitory ny filazantsara saingy notohizany ihany, satria tsy ny olona no atahorany fa Ilay Andriamanitra naniraka azy hitory ny filazantsara. Ireto Mpisorona sy ny namany ireto mantsy tsy mba Andriamanitra no atahorany fa ny vahoaka. Nambaran-dry Petera mazava taminy fa Andriamanitra no tokony ho ekena mihoatra noho ny olona, satria Izy no Tompon'ny hery sy ny fahefana any an-danitra sy ety an-tany. Aiza ho aiza tokoa no fahatanterahan'izany @ izao ankehitriny izao ? Firy no sahy mampanjaka ny sitrapon'Andriamanitra eo @ tontolo misy azy ? Firy no sahy manohitra izay tsy sitrapon'Andriamanitra eo @ tontolo misy azy ? Matetika dia matahotra ny olona, tahotry ny ho very asa, tahotra tsy hahazo tombontsoa, tahotra harian'ny fiarahamonina, namana, fianakaviana sns.... Andriamanitra no atahory ary ny didiny no tandremo dia ho velona ianao

👉 TORIO JESOA KRISTY TOMPO SY MPAMONJY
Nampahafantarin'ny Apostoly mazava tsara t@ ireto vahoaka ny momba an'i Jesoa Kristy Ilay novonoina sy nitsangana t@ maty. Nambarany fa Izy no Ilay Mesia voahosotra Mpamonjy izao tontolo izao, nambarany fa Izy no hahazoan'ny olona famelan-keloka, dia ho an'ireo izay mibebaka marina Aminy, Izy no manome ny Fanahy Masina ho an'izay mino Azy. Mila ambara ho fantatr'izao tontolo izao izany, koa aza menatra na matahotra, fa mitoria na @ fotoana na tsy @ fotoana. Ambarao fa Jesoa Kristy no Tompo sy Mpamonjy. Amen

Address

Antananarivo

Telephone

+261380909465

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Tiava tnfy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Tiava tnfy:

Share