
21/09/2023
πTANINKETSA INDOSTRIALY
Menaka 160 litatra isanβora no ho azo ao aminβny milina fanodinana voanjo ao Ankadinondry Sakay.
β
Andro sisa no isaina dia hiodina ny milina famokarana menaka ao Ankadinondry Sakay. Afaka mitoto voanjo 400kg isanβora ary ahazoana menaka 160 litatra isanβora izany.
Efa manana voanjo ampy hamatsiana ny milina ety am-panombohana ny kaoperativanβny tantsaha mpamboly voanjo. Hanangom-bokatra any aminβny faritra Bongolava sy faritra hafa koa izy ireo ahafahana mampandeha ny Taninketsa Indostrialy aminβny fotoana manaraka rehetra.
Hiteraka asa fivelomana mivantana ho an'ny fianakaviana 5 miara-miombon'antoka izay ahitana olona 20 eo ho eo, ny fiodinanβity milina famokarana menaka ity. Tantsaha miisa 1800 eo ho eo kosa no hahazo tombontsoa aminβizany