Fréquence Plus TV

  • Home
  • Fréquence Plus TV

Fréquence Plus TV Fréquence plus TV est une chaîne de la TNT (Télévision numérique terrestre) accessible sur StarTimes chaine 112.

La chaîne propose des contenus variés pour le divertissement et axée sur un genre de musique tropical.

❌DISADISAM-PIARAHAMONINA AO BEKILY, MIAFARA AMIN’NY FIFANAFIHANA SY FANDORANA TANANA❌❗️Notafihina avy eo mbola nodorana ...
04/09/2025

❌DISADISAM-PIARAHAMONINA AO BEKILY, MIAFARA AMIN’NY FIFANAFIHANA SY FANDORANA TANANA❌
❗️Notafihina avy eo mbola nodorana indray ny tanànan’ireo Tsirandrany nandritra ny fotoana nandevenan’ireo mponina ny olobe maty vokatry ny fanafihana.

🏃‍♀️Tsy misy sahy mijanona an-tanàna intsony fa mitsoaka any anaty ala avokoa amin’izao ny ankamaroan’ny zaza amim-behivavy ao Tsirandrany, distrikan’i Bekily noho ny fanafihana sy fampihorohoroana ataon’ny ben’ny tanàna amperin’asa Jean Daniel dit Mandrosoa.

🔥Nanirahan’ity ben’ny tanàna ity dahalo ny tananan’izy ireo ny zoma 29 aogositra lasa teo ka maty nandritra izany ny Lonaky izay olobe ao an-tanana antsoina hoe Zakato hoy ireo zanak’i Tsirandrany. Mbola nodorana indray avy eo ny tanan’izy ireo nandritra ny fotoana nandevenana ka trano an-jatony no may hoy ny tatitra avy any an-toerana.

❌Nahilika tsy ho isan’ny fianakaviana intsony moa ny ben’ny tanàna Mandrosoa noho ny tsy fanajany ny lamina ao an-tanana, ka io no anisany fototry ny disadisa eo amin’ny roa tonta.

❗️Efa nisy ny fifandonana teo amin’ny 02 tonta ny volana marsa lasa teo izay nahafatesana olona 02, samy nifanaiky kosa anefa fa hatsahatra ny fifanafihana rehefa nisy ny lamina niarahana tamin’ireo manampahefa ao Bekily. Miverina mihantsy ady amin’ireo zanak’i Tsirandrany indray anefa ankehitriny ny ekipan’i Jean Daniel dit Mandrosoa.

⚠️Disadisam-piarahamonina sy disadisam-pianakavina tanteraka no misy ao an-toerana amin’izao hoy ireto fianakaviana lasibatra ireto. Miantso ny fanjakana izy ireo hijery ifotony ny zavamisy satria betsaka ny vaovao hiniana avadika momba ity raharaha ity, miantso tolo-tanana ihany koa amin'ireo vahoaka tra-boina tsy manan-kialofana.

❗Efa manomboka mandry fahalemana ankehitriny ny mponina ao amin’ny distrikan’i Bekily raha toa ka tena faritra mena  teo...
27/08/2025

❗Efa manomboka mandry fahalemana ankehitriny ny mponina ao amin’ny distrikan’i Bekily raha toa ka tena faritra mena teo aloha.

🔺Tafatsangana tamin’ny kaominina miisa 05 ao amin’ny distrikan’ny bekilly, faritra Androy ny faran’ny herinandro teo ny 𝗟𝗔𝗛𝗬 𝗠𝗘𝗡𝗔, izay ivondronan’ireo tanora vonona hifanome tanana ho an’ny fampanjakana ny filaminana maharitra tarihin’ny Kapiteny Tina Rabe Jules Komandin’ny Vondron-tobim-paritra.

✅Dahalo maromaro ihany koa no nijoro vavolombelona sy niseho vahoaka fa hiova fo tsy hanao ny asa ratsiny intsony nandritra izany.

◽Notoloran’ny solombavambahoakan’i Bekily finday moa ireo filohan’ny Lahy mena mba hanamorana ny fifandraisana ary mbola hitarina sy hajoro amin’ireo kaominina miisa 20 manerana ny distrika izany.

🐂Notoloran’ny solombavambahoaka omby iray hanaovana titike ihany koa ireo dahalo niova fo araky ny fomban-drazana any Atsimo.

⚠️Tsiahivina fa nampijaly ny mponin’i Bekily ny asan-dahalo teo aloha, maherin’ny 3000 ny isan’ny omby very tao anatin’ny 03 volana monja, milamina izy ankehitriny rehefa nivaly ny antsoantso nataon’ny solombavambahoaka Andriamameriarivo Deo Romelis niarahana niasa tamin’ny fitondram-panjakana sy ireo hery velona rehetra.

❌ASAN-DAHALO ANY BEKOPAKA, DISTRIKA ANTSALOVA, FARITRA MELAKY❌❗Vatan-dehilahy miisa 05 mpanao Kalony no voatifitry ny da...
20/08/2025

❌ASAN-DAHALO ANY BEKOPAKA, DISTRIKA ANTSALOVA, FARITRA MELAKY❌

❗Vatan-dehilahy miisa 05 mpanao Kalony no voatifitry ny dahalo tao amin'ny tanàna antsoina hoe Mangamaro, kaominina Bekopaka, distrikan’Antsalova, faritra Melaky omaly tokony ho tamin'ny 08 ora maraina.

🚶Saika hanao fisafoana niaraka tamin'ny Zandary miisa 08 ireto mpanao Kalony ireto saingy tratran’ny velam-pandriky ny dahalo teny an-dalana.
Nisy ny fifandonana teo amin’ny 02 tonta ka io naharatrana mpanao kalony miisa 05 io, ny 02 amin’ireo naratra mafy nalefa any amin’ny Clinique an’ireo Masera ao Belo Tsiribihina.

📢Manao antso avo ny hanampiana mpitandro ny filaminana ireo fokonolona sy ny zandary miasa ao amin’ny kaominina Bekopaka manoloana izao asan-dahalo izao.

❗Mbola ao amin’ilay toerana nitrangan’ny fifandonana omaly io moa ireo dahalo amin’izao raha ny loharanom-baovao voaray.

❗ZAZAKELY MANANA TOE-TENA VARIRA NISY NAKA AN-KERINY NO TAFAVERINA EO AMPELANTANAN’NY FIANAKAVIANY🔴Nisy naka an-keriny i...
16/08/2025

❗ZAZAKELY MANANA TOE-TENA VARIRA NISY NAKA AN-KERINY NO TAFAVERINA EO AMPELANTANAN’NY FIANAKAVIANY

🔴Nisy naka an-keriny ity zazavavy varira 04 taona ity ny sasak’alin’ny 06 aogositra lasa teo tao Soafiadanana, distrikan'ny Mananjary, faritra Vatovavy.
Nihetsika ny Zandarimariam-pirenena ny Polisim-pirenena miasa ao Mananjary ary ireo fokonolona nanao ny fikarohana ka tratra ireo olon-dratsy alina raha saika hiampita renirano tao Mananjary tao Ambalahosy Nord.

✅Olona miisa 06 araka izany no voasambotra tamin’izao raharaha izao, lehilahy 05 raha toa ka vehivavy ny 01.

🔗Tazomina ao Mananjary aloha ireto olon-dratsy ireto hanaovana fanadihadiana mialohan’ny hanolorana azy ny eo anivon’ny fitsarana.

07/08/2025

📢Miantso fifantohan’ny rehetra amin’ny fandraisan’i Madagasikara ny fihaonana an-tampony faha-45 ny SADC ny solombavambahoakan’i Madagasikara Voafidy tany Vangaindrano Tojosoa Idéal Randrianasolo.
Ny anaran’i Madagasikara hoy izy no voatoniny sy voaresaka ao anatin’izany ka tokony haneho firaisan-tsaina ny Malagasy rehetra.

📌Nomarihiny ihany koa fa vokantsoa maro no ho azontsika amin’io ary fotoana lehibe iray fanararaotra izany hanandratana sy hitondrana ny hetahetan’ny faritra tsirairay.

04/08/2025
⚠️TRANGA TANY ANATY BUS ZOTRA 137 ANALAKELY-ANDOHARANOFOTSY📢Fitarainana avy amina vahiny avy any Toamasina:🔴Tonga teto A...
04/08/2025

⚠️TRANGA TANY ANATY BUS ZOTRA 137 ANALAKELY-ANDOHARANOFOTSY

📢Fitarainana avy amina vahiny avy any Toamasina:
🔴Tonga teto Antananarivo izy ireo ny sabotsy maraina. Nandray fiara fitanteram-bahoaka makany Andoharanofotsy zotra 137.

🔴Niala teo amin'ny Boulangerie Andoharanofotsy izy ireo, vao tafidina kely an'ilay Bus anefa dia nahatadidy hoe adino ny entana ka niverina haingana haka ny entana (misy fitaovam-pitsaboana sarobidy), ilay bus mbola teo amin'ny arrêt saingy nirifatra avy hatrany ilay taxibe na efa nahita ireto mpandeha hoe nanenjika azy ireo.
🔴Efa natao avokoa ny fikarohana io taxibe io ary nentina eny amin'ny mpitandron'ny filaminana ny fitoriana.

⚠️Manamafy ny antso amin'ny mpamily sy ny mpanampy azy hatrany anefa ny tompon'ny entana mba hamerina ilay SACOCHE MENA izay hamafisina hatrany fa Misy fitaovam-pitsaboana.

🔴Miangavy izay rehetra mahita na mitazona ilay fitaovam-pitsaboana ihany koa hanatitra izany ao amin'ny zandarimariam-pirenena ao Andoharanofotsy fa tsy misy ny arakaraka.

Sary 1: Sary fanehoana
Sary 2: Sarin'ilay fitaovana lasa any

🧑‍✈️FAMOAHANA MPIOFANA TEO ANIVON'NY SEKOLY AMBONY ZANDARIMARIA MORAMANGA🧑‍✈️Zandary mpiofana miisa 98 no niaraka navoak...
25/07/2025

🧑‍✈️FAMOAHANA MPIOFANA TEO ANIVON'NY SEKOLY AMBONY ZANDARIMARIA MORAMANGA

🧑‍✈️Zandary mpiofana miisa 98 no niaraka navoaka teo anivon'ny sekoly ambony zandarimaria Moramanga androany.
♦️12 mpiofana ho commandant de compagnie (CPOS)
♦️33 mpiofana ho lefitry ny commandant de compagnie (CAO)
♦️53 nofanina hanana fahaizana manokana hikirakira ny resaka fiarakodia (BS1 AUTO)

📌Natao izao fiofanana izao hoy ny Jeneraly RAMASITERA Ny haingo kaomandin'ireo sekolin'ny zandarimariam-pirenena mba hananan'ireo zandary fahaizamanao manokana hifanaraka amin'ny ambana misy ankehitriny.

♦️Efa handray mpiofana vaovao sahady moa ny sekoly ambony zandarimaria Moramanga amin'ny volana aogositra ho avy izao. Nisy hefitrano vaovao notokanana androany ka ho ampiasainan'ireo mpiofana vaovao manaraka eo avy hatrany.

❌MPISOLOKY AMIN’NY ALALAN’NY KARATRA❌Lehilahy iray mpanao menamahazo no nosamborina ny zandary rehefa nisoloky tamin’ny ...
10/07/2025

❌MPISOLOKY AMIN’NY ALALAN’NY KARATRA❌

Lehilahy iray mpanao menamahazo no nosamborina ny zandary rehefa nisoloky tamin’ny alalan’ny KARATRA teny Ambohimasina Alakamisy Fenoarivo.

Teny Tsimbazaza izy taloha ka izaho nifindra eny Fenoarivo izao, mbola tratra teny aminy moa ireo karatra nampiasainy nentiny nisolokiana tamin'izany.

MIKATONA TANTERAKA NY BIRAON'NY JIRAMA AO FIANARANTSOA.Mihidy tanteraka ny biraon'ny JIRAMA  Tsianolondroa Fianarantsoa ...
09/07/2025

MIKATONA TANTERAKA NY BIRAON'NY JIRAMA AO FIANARANTSOA.

Mihidy tanteraka ny biraon'ny JIRAMA Tsianolondroa Fianarantsoa noho ny fitokonan'ny mpiasa. Ao anatin'ny toeram-piasana ihany izy ireo no mitokona saingy najanona avokoa ny asa ho fiombonana amin'ny mpiasan'ny JIRAMA manerana an'i Madagasikara izay tsy manaiky ny sata vaovao noho ity farany hanapotika ny orinasa sy ny vahoaka.

Na eo aza ny fitokonana, mandeha ihany ny jiro sy ny rano ao Fianarantsoa.

📷Claude Razafimahandry

JIRAMA TOAMASINA Mikatona ihany koa ny masoivohon'ny JIRAMA  any Toamasina. Efa misy ireo mpiasa tazana ao anatin'ny far...
09/07/2025

JIRAMA TOAMASINA
Mikatona ihany koa ny masoivohon'ny JIRAMA any Toamasina. Efa misy ireo mpiasa tazana ao anatin'ny faritry ny orinasa amin'izao.

Tovolahy iray maty tsy tra-drano rehefa nitsambikina, nanao chute libre avy amin’ny rihana faha 03 amin’ny Bâtiment 03  ...
06/07/2025

Tovolahy iray maty tsy tra-drano rehefa nitsambikina, nanao chute libre avy amin’ny rihana faha 03 amin’ny Bâtiment 03 ny Cité des Cadres an’ny Miaramila eny Ivato.

Adianjatovo manodidina ny 10 izy ireo no nanalazy tao amin’io trano io omaly hariva saingy tsy fantatra izay zava-nitranga fa nitsambikina avy eny ny iray.

Address

Lot AI 4 Ter Mandrosoa Ilafy Immeuble ALCAZAR, 2ème étage

101

Opening Hours

Monday 08:00 - 17:00
Tuesday 08:00 - 17:00
Wednesday 08:00 - 17:00
Thursday 08:00 - 17:00
Friday 08:00 - 17:00
Saturday 08:00 - 17:00

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Fréquence Plus TV posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Fréquence Plus TV:

  • Want your business to be the top-listed Media Company?

Share

Fréquence Plus TV

Des contenus innovants, divertissants, enrichissants Fondée en 1995, Radio Fréquence Plus n’a pas cessé de proposer une amélioration de son offre audiovisuelle. Mais en 2018, l’idée de la compléter par une télévision locale est née ( Fréquence Plus TV ) sur StarTime canal 112 .

Nous partons du principe que la compétence d’une société est avant tout la compétence des acteurs qui y travaillent. Notre démarche est donc de regrouper au sein d’une même structure une grande variété de professionnels du domaine de l’audiovisuel, pour répondre a tous les besoins de nos clients.

Au fil des années, notre réseau s’est développé au sein de différentes structures, différents projets et rencontres… Aujourd’hui encore, de nouveaux collaborateurs adhèrent à notre philosophie et sont prêts pour de futures productions.

Bien évidemment, l’ensemble des collaborateurs de notre société se tient à votre entière disposition pour répondre à vos questions sur ces sujets ou pour toute autre demande.