Ma Niry

Ma Niry ✅ CONSEILLES 🍒🎯

✅MOTIVATION 🧠💪🏻

✅ # PETIT Humour

🔴Mizara: "ny mahasoa sy ny mahafinaritra"🍒🐝

🅰️“𝑹𝒂𝒉𝒂 𝒕𝒆𝒏𝒂 𝒕𝒆 𝒉𝒐 Lasa 𝑳𝑨𝑽𝑰𝑻𝑹𝑨 𝒊𝒂𝒏𝒂𝒐… 𝑰𝒓𝒆𝒕𝒐 𝒛𝒂𝒗𝒂𝒕𝒓𝒂 10 𝒕𝒔𝒚 𝒎𝒂𝒊𝒏𝒕𝒔𝒚 𝒂𝒕𝒂𝒐𝒏𝒂𝒐 𝒊𝒔𝒂𝒏’𝒂𝒏𝒅𝒓𝒐!”🟢Tsy misy fahombiazana tonga ami...
29/10/2025

🅰️“𝑹𝒂𝒉𝒂 𝒕𝒆𝒏𝒂 𝒕𝒆 𝒉𝒐 Lasa 𝑳𝑨𝑽𝑰𝑻𝑹𝑨 𝒊𝒂𝒏𝒂𝒐… 𝑰𝒓𝒆𝒕𝒐 𝒛𝒂𝒗𝒂𝒕𝒓𝒂 10 𝒕𝒔𝒚 𝒎𝒂𝒊𝒏𝒕𝒔𝒚 𝒂𝒕𝒂𝒐𝒏𝒂𝒐 𝒊𝒔𝒂𝒏’𝒂𝒏𝒅𝒓𝒐!”

🟢Tsy misy fahombiazana tonga amin’ny kisendrasendra. Raha te ho lasa lavitra ianao, tsy ampy ny maniry azy fotsiny, mila manova fihetsika sy fomba fisaina ianao.

✅Ireto misy zavatra 10 tokony ataonao raha te hahomby sy hanova ny fiainanao ianao 👇

1️⃣ Mifohaza aloha — manome fotoana bebe kokoa hanaovana zavatra manan-danja.
2️⃣ Mamoròna tanjona mazava — fantaro tsara izay tianao hahatongavana.
3️⃣ Aza manemotra — ataovy anio, fa tsy rahampitso.
4️⃣ Fidio tsara ny olona manodidina anao — misy manangana, misy manimba.
5️⃣ Mianara isan’andro — boky iray, vidéo iray, zavatra iray vaovao.
6️⃣ Mikatsaha fanatsarana kely isan’andro — tsy mila be, fa mitambatra ho zava-dehibe.
7️⃣ Mifehy ny eritreritrao — ny sainao no manapa-kevitra ny lalanao.
8️⃣ Mikatsaha vahaolana, tsy fitarainana — ny olana dia tombontsoa fianarana.
9️⃣ Meteza hiala amin’ny “zone de confort” — tsy misy fitomboana ao amin’ny toerana iray mahatamana anao.
🔟 Mivavaha sy matokia amin’Andriamanitra — satria ny ezaka tsy ampy raha tsy misy fitarihana.

💬 Tsarovy : Raha tsy manova fomba fisaina ianao, dia tsy hiova ny vokatrao.
👉 Manomboka anio. Tsy rahampitso.

Manatalenta😂
21/10/2025

Manatalenta😂

🔴TSY MAHAZO KIVY IANAO ‼️         🟡Mety oe  mandalo olana Ianao anio,      🟡mety oe misy sedra mahazo anao ankehitriny ,...
23/09/2025

🔴TSY MAHAZO KIVY IANAO ‼️

🟡Mety oe mandalo olana Ianao anio,
🟡mety oe misy sedra mahazo anao ankehitriny ,
🟩Nefa, izao no tsarovy mandalo ihany io trangan_javatra mahazo anao io
✅"N'y lalan'ny MPANDRESY hoy ilay tonon_kira iray izay tsy maintsy misy vatovato"
TADIDIO ,MPANDRESY Ianao io👊🏼

CONFIANCE EN SOI 🌿Fototra iray hifaharan'ny fahombiazana ny fanana fahatokisana-tena ary miankina betsoka aminy no mampa...
09/09/2025

CONFIANCE EN SOI

🌿Fototra iray hifaharan'ny fahombiazana ny fanana fahatokisana-tena ary miankina betsoka aminy no mampandroso na mampihemotra ny olona tsirairay

🟩Toetra iray tokony tsy hiala @ olona izy io ary afaka atao tsara ny mamboly sy mikolokolo azy raha izany.

🟩Ny fanananao azy io dia nametraka anao ho olana misy fotony ianao, raha mifanohitra de mino aho fa efa hainao hoe olona manao ahoana ianao rah tsy mahatoky tena!!

🔴Sao dia tokony tsy hiaina intsony fa manamaro isa eto an-tany fotsiny!hihihihi

⚠️@ fomba ahona moa no atosin'ny olona anao nefa ianao aza tsy matoky ny tenanao?

Mba eritrereto tsara anie izany e! Ôtran'ny hafahafa ihany a!

🌱Ndao ary tsika hamboly rafi-tsaina vaovao manomboka eto!

🎯Hametraka ny fahatokisan-tenatsika @ fiainana andavanandro

🎯Ireto avy ny toetra hovolentsika mba hanana sy ampitombo azy::

✅ Fahatokiana ny fahaiza-manao animal
✅ Mianatra hatrany na mbola tsy hay aza
✅ Manaiky ny fahadisoana nefa manisy ahiahy( doute)
✅ Manaiky ny fisian'ny olana nefa tsy mandray izany ho lasa sakana fa mandalo sy miserana fotsiny ihany izany
✅ Mandray risques
✅ Manana safidy ny andà na hanaiky
✅ Tsy miankina @ hevitry ny hafa
✅ Manana ny safidy mahaleotena
✅ Ny fahatokisan-tena ihany kooa dia fahatokiana ny @ zay henoina, jerena, ilaina,fidiana,sns...
✅ Fahatokiana ny fiainana
✅ Farany dia ny fahalalana ny valeur anao sy ny tombambidinao(estimation de soi)

Zandriko ah ❗️ Namako ah ❗️Na avy aiza ianao na avy aiza. Na zanaka mpanankarena na tsia, na inona tanjonao na inona, ha...
13/08/2025

Zandriko ah ❗️ Namako ah ❗️
Na avy aiza ianao na avy aiza. Na zanaka mpanankarena na tsia, na inona tanjonao na inona, hanampy anao amin'ny fiainana ireto munitions🔫⚔️ manaraka ireto.

TANJONA MAZAVA,
Tsy afaka ny hampivoatra ny fiainanao ianao raha tsy mazava aloha ny tanjonao. Fantatrao hoe avy aiza ianao, ka mila fantatrao koa hoe HO AIZA ianao.

MENTAL MAFY BE.
Ny fananana mental d'acier hanampy anao hiatrika ny olana sy sedra rehetra hiseho. Fantaro fa tsy maintsy hisy haneso, hanenjika, hitsikera. Mila mivonona ny hiatrika izany ianao.

COURAGE
Satria ady ny fiainana, vontosy courage ny fo, dia rehefa sendra lavo, tadidio ilay antony nanombohana. Mila courage koa satria ho mafy ny asa miandry anao.

FAHARETANA
Satria mila fotoana ny zavatra tsara rehetra.

DISCIPLINE
Ny discipline no hanampy anao hanohy handroso rehefa reraka, kamo, lavo, na nandalo sedra.

Ary farany, FINOANA.
Finoana ny tenanao hoe vitanao io, Finoana fa misy mitahy ianao.

VITANAO IO TIANAO ATAO IO.🦅

ALEFA 👊🏽

Zarao ny publication fa mahasoa ny hafa. Tageo ny namanao mila mahita ny publication .

Zandriko ah ❗️ Namako ah ❗️ Ao fa kely sisa❗️Ao fa kely sisa dia ho tratranao ilay dingana manaraka mankany amin'ny tanj...
30/07/2025

Zandriko ah ❗️ Namako ah ❗️
Ao fa kely sisa❗️

Ao fa kely sisa dia ho tratranao ilay dingana manaraka mankany amin'ny tanjonao❗️
Ao fa kely sisa dia hioty ny vokatry ny fikirizanao ianao❗️
Ao fa kely sisa dia hisava io rahona mandalo amin'ny fiainanao io❗️
Ao fa kely sisa dia ahita fiovana ianao❗️
Kely sisa, kely sisa❗️

Mahazo reraka, mahazo kivy kivy koa indraindray. Fa, ny SOLDAT tsy milavo lefona izany. JAMAIS ❗️

Tohizo ny ezaka efa natombokao😉

VITANAO IO TIANAO ATAO IO.🦅

ALEFA 👊🏽

3-Fangalarana😅🤣
27/07/2025

3-Fangalarana😅🤣

✅"NY SAKANA TOKANA EO AMINAO DIA IANAO"  NDEHA FANTARINA ARY :🔴 Tsy misy sakana lehibe kokoa noho ny tahotrao sy ny fisa...
23/07/2025

✅"NY SAKANA TOKANA EO AMINAO DIA IANAO" NDEHA FANTARINA ARY :

🔴 Tsy misy sakana lehibe kokoa noho ny tahotrao sy ny fisalasalanao!

1️⃣ Ianao no mamaritra ny fetra ho an’ny tenanao.
👍🏻 Raha mino ianao fa tsy ho vitanao, dia ho marina izany.
👍🏻 Raha manakana ny tenanao amin’ny fivoarana ianao, dia tsy hisy olona hafa hanao izany ho anao.

2️⃣ Aza avela hisakana anao ny tahotra sy ny fisalasalana.
👍🏻Maro no tsy mahatratra ny nofinofiny satria matahotra ny hanomboka.
👍🏻 Tsarovy: Tsy misy fahombiazana raha tsy misy fiezahana sy fahasahiana.

3️⃣ Ny fahombiazana dia amin’ny fahaizana mandresy tena.
👍🏻 Raha te handroso, dia mila manapaka hevitra handresy ireo sakana ao an-tsainao.
👍🏻 Ny fahatokisan-tena sy ny finiavana no mampisy fahasamihafana lehibe amin’ny fiainana.

⚠️ Tandremo!
🟩 Ianao no fanalahidy amin’ny fahombiazanao.
🟩 Tsy sakana ivelany no manakana anao, fa ny tsy fahavononanao hanao dingana.
🟩 Raha te handroso, dia mila mandresy tena, sahy, ary miezaka!

🎯 Atsaharo ny fanahiana, arosoy ny dingana! 💪🔥
💎Mampita Fahombiazana

❤️ Ataovy ao antsaina mandrakariva fa "MPANDRESY IANAO"

🟩ATAOVY AO AN-DOHA: " SE DÉBROUILLER SEUL"🔴Raha tena tianao ny ho tafita, ny tsy ho diso fanantenana lava, ary ny tsy ho...
21/07/2025

🟩ATAOVY AO AN-DOHA: " SE DÉBROUILLER SEUL"

🔴Raha tena tianao ny ho tafita, ny tsy ho diso fanantenana lava, ary ny tsy ho entin'ny fitarainana ho any , dia ampidiro ao anaty lohanao izao toe-tsaina iray izao : “SE DÉBROUILLER SEUL.”

🔴Eny, ianao irery. Tsy ny namana, tsy ny havana, tsy ny zoky, tsy akory ny ray aman-dreninao no hitondra anao . Tsy hoe tsy tia anao izy ireo, fa satria tsy adidiny intsony ny mamonjy anao.

🔴Aza manantena vola rehefa tsy manan-kohanina ianao. Aza miandry fanampiana rehefa tsy mahavita mihitsy. Aza mifikitra rehefa latsaka. Tsy diso izy ireo, fa ianao no mbola tsy matotra.

✅ Qui vit d'espérance meurt de faim.

Izay miankina amin’ny fanantenana an’ireo manodidina dia ho rendrika amin’ny fahoriana sy hatezerana tsy misy vokany.

Tsy misy olona tokony ho tompon’andraikitra afa-tsy IANAO.
Tsy maintsy mikorisa anaty lalana, aza miandry fanintonana.

Raha te hahazo vola? Mianara manangana zavatra. Raha te ho respeté? Ataovy hita taratra . Raha te hovonjena? Vonjeo aloha ny tenanao.

✅ Nul ne peut porter ta croix à ta place.

Tsy hisy hitondra ny fijalianao. Tsy hisy hijoro . Raha te handresy ianao, dia raha mbola misy herinao dia miezaha.

👉🏻SE DÉBROUILLER SEUL, tsy midika ho fialonana.
Tsy midika ho manilika olona. Fa midika hoe:
“Na tsy misy mpanampy aza, tsy ho tafahitsoka aho.”

Rehefa miezaka irery ianao, dia lasa miakatra ny "ESTIME DE SOI", ny fahatokisan-tena, ary manomboka mijery anao hafa ny olona. Fa raha mitaraina lava ianao, dia ho zakaina sy hialàna fotsiny.

⚠️Tsarovy: ny tenanao no investment tsara indrindra.
Ataovy toy ny baiboly io: MIEZAHA IRERY, mandra-pahatonga ireo tsy nanampy, ho faly miarahaba ny fandrosoanao.
EVOLUEZ OU DISPARAISSEZ.

NB: Nahafinaritra ahy ilay sary 😊

✅VAKIO KA ZARAO  FA MAHASOANAOMOA VE FANTATRAO  ⁉️ FA :1. NY VAVONY:      dia maratra rehefa      tsy nohaninao      mar...
15/07/2025

✅VAKIO KA ZARAO FA MAHASOANAO

MOA VE FANTATRAO ⁉️ FA :

1. NY VAVONY:
dia maratra rehefa
tsy nohaninao
maraina ny
sosoa.

2. NY VOA:
dia maratra rehefa
tsy misotro rano
folo (10) vera
isan'andro.

3. NY AMPARAHATOKA:
dia maratra rehefa
tsy matory adiny 8
ora ary mifoha amin'ny
fiposahan'ny masoandro.

4. NY TSINAY KELY:
dia maratra rehefa
mihinana mangatsiaka
sy sakafo mavingy.

5. NY TSINAIBE:
dia maratra rehefa
mihinana mendy lava
sy sakafo masiaka.

6. NY HAVOKAVOKA:
dia maratra rehefa
miaina anaty setroka
sy mijanona ao amin'ny
tontolo voaloton'ny sigara.

7. NY ATY:
dia maratra rehefa
mihinana kitono,
sakafo miotrika sy
simika.

8. NY FO:
dia maratra rehefa
mihinana sakafo
be sira loatra sy
kolesterola.

9. NY SARAKATY:
dia maratra rehefa
mihinana zavatra
mamy be loatra.

10. NY MASO:
dia maratra rehefa
miasa amin’ny hazavan'ny
finday sy ecran solotsaina.

11. NY ATIDOHA:
dia maratra rehefa
mieritreritra miiba.

12. NY FANAHY:
dia maratra rehefa
tsy manana an'Andriamanitra,
tsy manana fianakaviana
sy namana hifampizarana
ny fitiavany, hasambarana,
alahelo ary fifaliana.

TSY hita eny an-tsena
avokoa ny zava-drehetra.

⚠️Koa mitandrema tsara
ary kolokoloy ny vatana,
tandrovy ny fahasalamana.

🔴VOKATSOA NY RANO:
💐 Fantatsika tsara fa ny rano dia
zava-dehibe nefa tsy hay ny
fotoana mety hisotroana azy...!!

🔴FISOTROANA:
💦 Ranon-doharano
maraina vao mifoha ⏰
dia mampateza sy
fahombiazana amin'ny
vatan'olombelona.

🟥 RAHA TIA NAMANA IANAO🤝🏼
🐝 zarao aminy ity hafatra ity!* 👏

👉🏻IANAO io ✅Ny ezaka izay ataonao anio 🐝Hivaly fahombiazana ho anao rahampitso....(Motivation🧠)   👊🏼MIROSOA Hatrany‼️
14/07/2025

👉🏻IANAO io

✅Ny ezaka izay ataonao anio
🐝Hivaly fahombiazana ho anao rahampitso....(Motivation🧠)

👊🏼MIROSOA Hatrany‼️

Eo ndray ary ....🤔😵‍💫😂   Samy maneho ny heviny ao @ coms
13/07/2025

Eo ndray ary ....🤔😵‍💫😂
Samy maneho ny heviny ao @ coms

Address

Itaosy
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ma Niry posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share