ACEEM TV

ACEEM TV 👀Maso vaovao, tontolon'ny fanabeazana📚

01/07/2025

🔑 CLE DU BACC 2025
SĂ©ries A ‱ C ‱ D ‱ L ‱ S ‱ OSE
Toutes matiĂšres
📅Du Mardi 01 Juillet au vendredi 18 Juillet 2025

Cours ACEEM Analakely : 0344950094 - 0344950095
Cours ACEEM Analamahitsy : 0344950086
Cours ACEEM Itaosy : 0344950087
Cours ACEEM Ambohibao : 0344960085
Cours ACEEM Ivato : 0344960086
Cours ACEEM Andoharanofotsy : 0344960082

"Matokia ny ACEEM dia hatoky ny tenanao ianao".

27/06/2025

Fotoam-pivavahana fitsofan-drano ireo mpianatra hiatrika fanadinam-panjakana✹
Nanatrika izany avokoa ireo mpianatra ao amin'ny kilasy famaranana sy kilasy fahatelo rehetra ato amin'ny vondrom-panabeazana ACEEM.

Izahay ato amin'ny vondrom-panabeazana ACEEM dia mirary soa hatrany ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana BEPC sy BACC rehetra manerana ny NosyđŸ‡Č🇬

24/06/2025

đŸ©șDĂ©pistage faobe tao amin'ny Centre MĂ©dical Fanasina Ambohitrakely niarahana tamin'ny Laboratoire Lincoln
Tamin'ity indray mitoraka ity dia notsongaina manokana ny diabĂšte sy tosi-drĂ  ary maimaim-poana avokoa ny fitiliana hoy ny mpitsabo.

23/06/2025

đŸŽ„ Rallye des industries – Dingana Voalohany
Nandray anjara tamim-pahavononana ny UniversitĂ© ACEEM, tao ambany fiahian'ny Groupe Sipromad tamin’ity hetsika lehibe nokarakarain’ny Syndicat des Industries de Madagascar sy ny MERCATIS-Communication ity.

✹ Namiratra nandritra ny fifaninanana ny ekipan'ny UniversitĂ© ACEEM ary nahazo ny laharana faharoa tamin'iny dingana voalohany iny ary hiatrika ny dingana manaraka ny 05 jolay ho avy izao.

Université ACEEM x Groupe Sipromad

19/06/2025

« Teny malagasy: enti-mahatsangy ny fiainam-pirenena mahaleo tena »✚

Volana jona, iray volan’ny teny malagasy, izay no nankalazain’ny avy ato amin’ny UniversitĂ© ACEEM Manakambahiny tao amin’ny Akademia Malagasy omaly alarobia 18 jona 2025. Hita tao amin’izany hetsika izany avoaka ny karazana seho sy dihy ary vokatra maro samy hafa avy amin’ny faritany rehetra manerana ny Nosy đŸ‡Č🇬

17/06/2025

đŸ“șVAOVAO MANOKANA MOMBAN’NY FANADINAM-PANJAKANA CEPE 2025

Nisy ny fanadihadina izay notontosaina tao amin’ny EPP Manakambahiny. Miisa 196 ireo mpiadina, izay 9 taona hatramin’ny 16 taona. 📚

Nilamina ny fanomanana amin’ny ankapobeny ary hita fa vonona hiatrika izany fanadinana izany avokoa ireo mpianatra. ✹

16/06/2025

📚 COURS ÉDUCATIF ACEEM

🔑 ClĂ© du BEPC : du 20 au 25 juin 2025
🎓 ClĂ© du BACC : du 01 au 18 juillet 2025

📍 Cours ACEEM Analakely : 034 49 500 94 - 034 49 500 95
📍 Cours ACEEM Analamahitsy : 034 49 500 86 - 034 49 600 74
📍 COURS Éducatif ACEEM Itaosy : 034 49 500 87 - 034 49 511 07
📍 Cours ACEEM Ambohibao : 034 49 600 85
📍 Cours ACEEM Ivato : 034 49 600 86
📍 Cours Aceem Andoharanofotsy : 034 49 600 82

✹ “Matokia ny ACEEM dia hatoky ny tenanao ianao, ary ankino amin'ny Mpanabe azo antoka ny hoavinao.”

13/06/2025

✹Fankalazana ny faha 30 taonan'ny IEF ACEEM

đŸ„‚Notontosaina tao amin'ny Espace Olympia Ampitatafika ny sabotsy faha 07 ny volana jona lasa teo ny lalonana fankalazana ny faha 30 taonan'ny IEF ACEEM, izay sekoly voalohany natsangan'ny Vondrom-panabehazana ACEEM. Nisy araka izany ny fizarana mari-pankasitrahana ho an'ireo mpampianatra sy ny fiaraha-misakafo nandritran'ny lanonana. 💃

07/06/2025

Vaovao mikasika ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny UniversitĂ© ACEEM sy ny Parul UniversityđŸ€đŸŒ

Ho fanamafisana ny kalitaon'ny fanabeazana sy fisokafana amin’ny sehatra iraisam-pirenena, dia nanao sonia fifanaraham-piaraha-miasa amin'ny oniversite iray any Inde ny Oniversite ACEEM. đŸ€ Tafiditra ao anatin’ity fiaraha-miasa vaovao ity ny fandefasana mpianatra fito mianadahy sy tanora iray mpianadraharaha ho any Inde hanao fitsidihana akademika.
🎯Ny fifanarahana dia mikendry ny hanamafy ny fifandraisana amin’ny any ivelany, hampiroborobo ny fifampizaràna traikefa, ary hampifanaraka ny lentan’ny fianarana amin’ny fenitra iraisam-pirenena. 🔄

🌐Eo am-piandohana izao, fa hisy koa oniversite hafa toy ny any Maorisy sy La RĂ©union hiroso amin’ny fiaraha-miasa tsy ho ela. Ny Oniversite ACEEM dia mijoro ho sehatra iray manam-piniavana hanome fahafahana sy ho avy mamiratra ho an’ny mpianatra sy mpampianatra. ✹💡

06/06/2025

Notanterahina ny Alarobia faha-4 ny volana Jona lasa teo ny hetsika "PrĂ©sentation des Meilleurs ExposĂ©s" 📱, fifaninanana iray izay nataon'ireo mpianatra tao amin'ny LycĂ©e PrivĂ© ACEEM Ankadivato đŸ«. Niisa 12 ireo vondrona mpianatra nandray anjara tamin'izany ary nanana 20 minitra avokoa izy ireo nanatontosana ny vela-kevitra izay ho ataony. Anisan'ny tanjona tamin'izany fifaninanana izany moa ny fandrisihana ireo mpianatra hikaroka sy hiomana sahady amin'izay mety ho endriky ny fampianarana hita eny amin'ny ambaratonga ambony 🎓.

📝 Hisokatra tsy ho ela ny fisoratana anarana ao amin'ny LycĂ©e PrivĂ© ACEEM Ankadivato ho an’ny taom-pianarana 2025-2026 📅.

05/06/2025

đŸŽ„ De l’Éducation/Formation Ă  l’Entrepreneuriat | andiany voalohany

📍Tontosa soa aman-tsara ny zoma 30 mey lasa teo, tao amin’ny Immeuble ACEEM Ankadivato ity hetsika natao hanohanana ny mpianatra amin’ny fanombohana tetikasa sy fidirana amin’ny sehatry ny fandraharahana. Nisy fampirantiana, famelabelarana ary fifanakalozana. Hita taratra ny fahaiza-manaon’ny mpianatra sy ny fahavononany hampihatra avy hatrany ireo traikefa sy lesona azony. Fandraisana andraikitra voalohany nahomby, izay ho tohizana sy hatsaraina hatrany amin’ny andiany manaraka!
ACEEM Business School - Madagascar

02/06/2025

🎉 Andro fialamboly sy firaisankina niarahana tamin’ny IEFPA ACEEM!

Tahaka ny efa fanao ao amin’ny Vondrom-panabeazana ACEEM, dia nanokana andro iray manokana hialana voly sy hanamafisana ny firaisankina ny IEFPA ACEEM, ny alarobia 28 mey lasa teo, tao amin’ny sehatra fialamboly sy fanatanjahantena ACEEM Anjeva. đŸžïžâšœđŸŽČ

Nisongadina nandritra io andro io ny lalao sy hetsika maro samihafa, izay tena nahafinaritra sy nampifandray akaiky ireo mpianatra sy mpanabe. đŸ€đŸ’š

📌 Tsiahivina fa mbola misokatra hatrany ny fisoratana anarana ho an’ireo liana amin’ny formation professionnelle ato amin’ny IEFPA ACEEM.

🚍 Eo am-panomanana ihany koa ny voyage d’études, izay kasaina hotanterahina amin’ny volana jolay ho avy izao izy ireo.

Address

Manakambahiny
Antananarivo
101

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when ACEEM TV posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category