X-press

X-press Hanarahantsika ny vaovao sy maresaka eto Madagasikara sy any ivelany Informations en ligne, en direct

🎯🔥 MORAFENOBE: HAMPIASAINA AMIN’NY FANAMBOARANA LALANA NY GOUDRON📌 Eo am-piomanana ny fitrandrahana goudron ao Morafenob...
07/09/2026

🎯🔥 MORAFENOBE: HAMPIASAINA AMIN’NY FANAMBOARANA LALANA NY GOUDRON

📌 Eo am-piomanana ny fitrandrahana goudron ao Morafenobe, izay kasaina hampiasaina amin’ny fanamboaran-dalana eto Madagasikara.

🛣️ Ao Morafenobe no hanombohana ny andrana voalohany, ary kasaina hatao tara ihany koa ny lalana sasany ao Maintirano.

👉 Nivoitra nandritra ny fidinana ifotony nataon’ny Minisitry ny Asa Vaventy sy ny Lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika tany Morafenobe sy Maintirano, ny Sabotsy 05 Septambra 2026, izany tetikasa izany.

🚨 MAHAJANGA: VOASAMBOTRA I JÔDANifarana tamin’ny fisamborana azy ny fikarohana an’i Jôda, lehilahy iray efa nahasarika n...
07/09/2026

🚨 MAHAJANGA: VOASAMBOTRA I JÔDA

Nifarana tamin’ny fisamborana azy ny fikarohana an’i Jôda, lehilahy iray efa nahasarika ny sain’ny mponina tao Mahajanga tato anatin’ny herinandro vitsivitsy.

Ny Polisim-pirenena no nahita sy nisambotra azy, ary nentina tao Androva. Efa nifandray tamin’ny fianakaviany ihany koa ny tompon’andraikitra, ary voalaza fa hisy ny fanampiana amin’ny fitsaboana azy.

Efa nisy fitsaboana azony taloha, saingy niverina nivezivezy teny amin’ireo fokontany samihafa tao an-tanàna indray izy.

🔎 Mitohy ny fandraisana andraikitra amin’ny fikarakarana sy fanaraha-maso ny raharaha.

🔴 AMBOVOMBE ANDROY: LEHILAHY IRAY VOASAMBOTRA NITONDRA BASY VITA TANANA👮‍♂️ Lehilahy iray nitondra basy vita gasy no voa...
07/09/2026

đź”´ AMBOVOMBE ANDROY: LEHILAHY IRAY VOASAMBOTRA NITONDRA BASY VITA TANANA

👮‍♂️ Lehilahy iray nitondra basy vita gasy no voasambotry ny Polisy misahana ny fanadihadiana heloka bevava ao Androy, ny Alahady 06 Septambra 2026.

🚨 Tratra teny amin’ny manodidina ny tsenan’omby Berary izy, taorian’ny angom-baovao voaray sy ny vela-pandrika nataon’ny Polisy.

⚖️ Nentina teny amin’ny biraon’ny Polisy izy hanaovana fanadihadiana momba ny niavian’ilay basy sy ny antony nitondrany izany.

📶 STARLINK: KITS 300 HO AN’I MADAGASIKARA 🇲🇬Kits Starlink miisa 300, miaraka amin’ny internet maimaim-poana, no hatokana...
07/09/2026

📶 STARLINK: KITS 300 HO AN’I MADAGASIKARA 🇲🇬

Kits Starlink miisa 300, miaraka amin’ny internet maimaim-poana, no hatokana ho an’i Madagasikara. ✅

🎯 Hatao laharam-pahamehana ireo faritra lavitra sy mbola sahirana amin’ny fahazoana internet tsara kalitao, mba hampihenana ny elanelana ara-nomerika sy hampifandray bebe kokoa ny Malagasy.

🚀 Dingana vaovao ho an’ny fanovàna nomerika eto Madagasikara!

🚨 AMPANGABE – TRANO DIMY: POLISY IRAY NARATRA VOATIFITRY NY JIOLAHYPolisimpirenena iray avy ao amin’ny PPA Ilanivato no ...
07/09/2026

🚨 AMPANGABE – TRANO DIMY: POLISY IRAY NARATRA VOATIFITRY NY JIOLAHY

Polisimpirenena iray avy ao amin’ny PPA Ilanivato no naratra voatifitry ny jiolahy ny Sabotsy 05 Septambra 2026 hariva, raha nanao ny asany sy nikasa hamonjy mpiray Tanindrazana teny Ampangabe.

🏥 Nentina haingana teny amin’ny Hopitaly HJRA izy mba hahazo fitsaboana.

🤝 Tonga nitsidika sy nankahery azy teny amin’ny hopitaly ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny 06 Septambra 2026, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra ambony sy ireo mpiara-miasa aminy.

Tonga naneho ny fanohanany ihany koa ireo tompon’andraikitra avy amin’ny Faritra Analamanga, OMC Antananarivo, ary ireo Hery Fiarovana sy Filaminana.

🔎 Mitohy ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo jiolahy nahavanon-doza, mba hahafahana misambotra azy ireo sy hampiharana ny lalàna.

🔴𝗙𝗔𝗡𝗗𝗔𝗛𝗔𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗠𝗔𝗡𝗢𝗞𝗔𝗡𝗔 📍 Hisy ny  jery todiky ny zava-bita tao anatin'ny iray volana mahery  nijoroan’ny Fandaharan'asa N...
04/09/2026

🔴𝗙𝗔𝗡𝗗𝗔𝗛𝗔𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗠𝗔𝗡𝗢𝗞𝗔𝗡𝗔

📍 Hisy ny jery todiky ny zava-bita tao anatin'ny iray volana mahery nijoroan’ny Fandaharan'asa Nasionaly Fandroso ho zarain’ny Filohan'ny filankevim-pitantanan'ny fandaharan'asa nasionaly fandroso, RAOBELINA ANDRY ao anatin’ny fampahalalam-baovaon’ny Le Jité anio alina.

📍 Iray volana mahery no nitsanganan'ny Fandaharan'asa Nasionaly Fandroso. Feno iray volana omaly ihany koa ny fandraisana dosie izay nanomboka ny 3 Aogositra lasa teo.

📍 Hamaly ireo fanontaniana rehetra mbola manitikitika momba ny fandraisana ny antotan-taratasy ny Filohan'ny filankevim-pitantanan'ny Fandaharan'asa Nasionaly Fandroso.

🇲🇬 TOAMASINA – FONJABEN’AMBALATAVOAHANGY: VOAFONJA IRAY TAFAHITSOKAAndroany Zoma 04 Septambra 2026, tokony ho tamin’ny 0...
04/09/2026

🇲🇬 TOAMASINA – FONJABEN’AMBALATAVOAHANGY: VOAFONJA IRAY TAFAHITSOKA

Androany Zoma 04 Septambra 2026, tokony ho tamin’ny 08 ora 45 minitra, dia voafonja telo no nikasa hitsoaka tao amin’ny Fonjaben’Ambalatavoahangy, Toamasina.

Voasambotra ny roa tamin’izy ireo, raha tafatsoka kosa ny iray, ka efa namoahana fampilazana fikarohana (Avis de recherche) ary mitohy ny fikarohana sy fanenjehana azy.

Araka ny tatitra, tohatra nampiasain’ny orinasa iray manao asa fanamboarana tao amin’ny fonja no nampiasain’ireo voafonja tamin’ny fanatanterahana ny fikasana hitsoaka.

Nandritra ny fisamborana, voatifitra ny iray tamin’ireo voafonja, ka na dia nahazo fitsaboana aza dia tsy tana ny ainy. Voasambotra kosa ny voafonja faharoa.

Efa nandray fepetra ny tompon’andraikitry ny Fandraharahana ny Fonja, ary mitohy ny fanadihadiana sy ny fikarohana ilay voafonja tafatsoaka.

🔴 RIVODOZA 3 MIFORONA ANY AMIN’NY RANOMASIMBE PASIFIKARivodoza telo no voalaza fa miforona any amin’ny Ranomasimbe Pasif...
04/09/2026

🔴 RIVODOZA 3 MIFORONA ANY AMIN’NY RANOMASIMBE PASIFIKA

Rivodoza telo no voalaza fa miforona any amin’ny Ranomasimbe Pasifika, manodidina ny 100 km andrefan’ny morontsirak’i Meksika.

đź”´ Araka ny vinavina, hivadika ho rivo-doza mahery (ouragan) anio ny rivodoza Lowell sy Karina.

📌 BETROKA: VOASAMBOTRA NY FANDRAHARAHANA HANONDRANA ZAVA-MAHADOMELINA HO ANY ANTANANARIVOTaorian’ny nahatrarana, tamin’n...
04/09/2026

📌 BETROKA: VOASAMBOTRA NY FANDRAHARAHANA HANONDRANA ZAVA-MAHADOMELINA HO ANY ANTANANARIVO

Taorian’ny nahatrarana, tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo tany Betroka, kamiao 4x4 iray nitondra kitapo 21 feno zava-mahadomelina, dia mbola nahitana sy nisamborana kitapo rongony 50 hafa, milanja hatramin’ny 364 kg, tao amin’io faritra io ihany, afakomaly.

Araka ny vaovao voaray, nokasaina halefa aty Antananarivo ihany koa ireo rongony ireo.

Mitohy ny hetsika ataon’ny manam-pahefana amin’ny ady amin’ny fanondranana zava-mahadomelina.

‼️ ROA LAHY VOASAMBOTRA NOHO NY FIKASANA HIVAROTRA VOAMASON’OLOMBELONA TEO 67 HA ATSIMOLehilahy roa no voasambotry ny po...
04/09/2026

‼️ ROA LAHY VOASAMBOTRA NOHO NY FIKASANA HIVAROTRA VOAMASON’OLOMBELONA TEO 67 HA ATSIMO

Lehilahy roa no voasambotry ny polisy teny 67 Ha Atsimo, rehefa nahatrarana voamaso roa izay voalaza fa nalaina tamin’ny zaza varira.

Araka ny vaovao voaray, avy any ivelan’Antananarivo ireo voarohirohy ary nipetraka tamina trano fandraisam-bahiny iray. Nikaroka mpividy haingana izy ireo, ka nahasarika ny sain’ny manodidina ny fisian’ilay “entana”.

Efa eo am-pelatanan’ny manam-pahefana izy roa lahy ary mitohy ny fanadihadiana.

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when X-press posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to X-press:

Shortcuts

Share