16/12/2025
๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐ : "๐๐จ ๐๐ข๐๐ซ๐จ๐ฏ๐๐ค๐จ ๐ง๐ฒ ๐๐ข๐ค๐จ ๐ข๐ณ๐๐ฒ ๐ฆ๐ข๐ฌ๐ฒ ๐ฆ๐ข๐๐จ๐๐จ ๐ง๐จ ๐๐ง๐ญ๐จ๐ง'๐ง๐ฒ ๐๐๐ง๐๐๐ก๐๐ง๐๐ง๐ ๐ฆ๐๐ง๐ ๐ข๐ง๐ ๐ข๐ง๐ ๐ญ๐๐ง๐ฒ ๐๐ฎ๐๐รฏ."
Nitondra fanazavana sy tatitra mahakasika ny diany tany Dubaรฏ ny Filoham-panjakana Kolonely Randrianirina Michael teny amin'ny Lapam-pajakana Iavoloha, omaly.
Nambarany fa tsy izy irery no Filoham-pirenena mandeha mangingina tahaka izao, ary naka ohatra ny Filoha amerikanina Donald Trump sy ny Filoha frantsay Emmanuel Macron ny tenany, izay tsy mampilaza ary tsy hitan'ny mpanao gazety raha tsy tonga any amin'ilay toerana alehany.
Ho fiarovana ny aiko izay fantatra fa misy mifofo, hoy izy, no anton'ireny fandehanana mangina ireny.
Nohamafisiny kosa fa fihaonana hanasoavana sy mahatsara ny firenena no anton-diany tany Dubai, izay nifampiresahany tamin'ny Printsy (Prince Hรฉritier) miisa roa sy Princesse iray, ary ao ihany koa ireo mpamatsy vola.
๐ Ireto avy ireo teboka lehibe efatra(4) anisan'ny nasongadin'ny Filohan'ny Fanavaozana tamin'izy ireo :
๐นFifampiresahana, momba ny logiciel hahafahana manara-maso ny hetsiky ny vola eny anivon'ny fadin-tseranana, ny seranan-tsambo ary seranam-piaramanidina ;
๐นFandefasana tanora miisa 5000 hiasa any Dubai ;
๐นNy momba ilay teknolojia vaovao mamadika ny rivotra ho lasa rano ;
๐นNy fananganana "banque minรฉrale" sy "raffinerie or", hahafahana manara-maso ny fivoakan'ny volamena avy eto an-toerana makany Dubai, izay sarotra afenina hoy izy.
Mahakasika ireo fitaovam-piadiana mahery vaika izay tafiditra eto amin'ny Nosy kosa, dia nanamafy ny Filoham-panjakana, fa misy ireo fitaovana ireo, izay manosika ny fitondram-panjakana hanao ny fisavana trano na perquisition satria misy mikasa hamboly korontana ary hampiady ny samy sivily eto Madagasikara ary miady amin'izany izahay, hoy hatrany izy.
Notsipihany mazava tsara fa efa talohan'ny nidirany teo amin'ny fitondrana no efa tafiditra teto ireo fitaovana ireo.