14/10/2025
_Te hiteny kely aho ho an'ireo artiste Malagasy mpanohana ny fitondrana Rajoelina (hatramin'izay ka hatramin'izao) ... 😏
Hitanay nareo ireny, ary tadidinay...
Ireny hafaliana tsy homby tratra niray fiara taminy ireny!
Ohatrin'ireny mpirahalahy mian'ala, izaho ho tokinao ianao kosa ho tokiko ireny!
Tena hoe quel privilège!!!
Misy ny manao hoe "misy ny fotoana hanginana ary misy ny fotoana hitenenana" ... Ok
Ao koa no miteny hoe "lery bandy mlay, cool bé, tsy manavakavaka et tout, tsy manana olana aminy raha izaho manokana" ... Ok
Ny sasany indray manao hoe "asa ny anay ireny fa nareo manankiana ireo ngah hanome vola anay!" ... Ok
Eny ary! Ny vola tokoa moa rahoviana no hangidy!? 😌
Fa 'zao, tandremo sao taitra ny olona tsy mba taitra, taitra irery any vao hampaneno takotra.
✍🏼 Zara NOFY avec Fanirisoa